Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 3:12 - Baiboly Katolika

12 Tamin’ny nandatsahana ny fototr’izany trano izany teo imason’izy ireo anefa, dia maro tamin’ny mpisorona sy ny Levita mbamin’ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony indray izany trano izany; nefa maro koa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr’izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr’izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony indray izany trano izany; nefa maro koa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:12
12 Rohy Ifampitohizana  

hany ka tsy hain’ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian’ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin’ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka.


ka hataonao zavatra kely foana ny toetranao voalohany noho ny faharoa efa lasa ambony loatra.


Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.


Miderà an’i Iaveh, fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika,


Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh - ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.


Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hiverina ny zanak’i Israely, dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.


Iza aminareo sisa velona, no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?


Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra