Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 31:14 - Baiboly Katolika

14 Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hoheloin-ko faty; izay manao asa amin’io andro io hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’izany dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Koa tandremo ny Sabata fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hovonoina ho faty ary izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 31:14
17 Rohy Ifampitohizana  

Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.


«Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.


Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.


noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon’izy ireo.


Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.


noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan’ny razany.


izy ireo no hipetraka hitsara, raha misy fifandirana; ka araka ny rariny navoakako no hitsarana. Hitandrina ny lalàna amam-pandaharako amin’ny fetiko rehetra sy hankamasina ny sabatako.


«Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin’ny volana fahafito, andro fahavalon’ny volana, hampijaly tena ianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.


Ka raha foràna ny olona na dia amin’ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn’i Môizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra