Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:46 - Baiboly Katolika

46 Ho fantany fa Izaho Iaveh no Andriamanitr’izy ireo, izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan’izy ireo, dia Izaho Iaveh no Andriamaniny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

46 Ary ho fantany fa Izaho no TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo aminy; Izaho no TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

46 Ka amin’izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy. «Izaho no TOMPO Andriamaniny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

46 Ka amin’izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy. «Izaho no TOMPO Andriamaniny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

46 Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

46 Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:46
17 Rohy Ifampitohizana  

«Fa moa dia marina va fa miara-monina amin’ny olombelona etỳ an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin’ny lanitry ny lanitra tsy omby Anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity!


I Jodà no tonga fitoerany masina, i Israely no fanjakany.


«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.


Hanao fitoerana masina ho Ahy izy ireo dia honina eo aminy Aho.


Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.


Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny Anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay! -


Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: - Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.


ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nifidianako an’i Israely sy nananganako tanana homba ny taranak’i Jakôba, sy nanaovako izay hahalalany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, ary nananganako tanana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo;


Izaho Iaveh no ho Andriamanitr’izy ireo; ary i Davida mpanompoko no ho mpifehy eo aminy; Izaho Iaveh no niteny.


Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo ianareo dia ho masina satria masina Aho; aza mandoto ny tenanareo amin’izay biby rehetra mandady amin’ny tany.


Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Mitenena amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Iaveh Andriamanitrareo.


Hanorina ny fonenako eo afovoanareo Aho, ary tsy ho tofoka aminareo ny fanahiko.


Handeha eo afovoanareo Aho, ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho vahoakako.


Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory.


Nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aoka izay fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan’izy ireo i Iaveh. Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Iaveh?»


dia hoy izy tamin’ny zanak’i Israely: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Izaho no nampiakatra an’i Israely avy any Ejipta; Izaho no nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptianina, sy tamin’ny tanan’ireo fanjakana nampahory anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra