Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:26 - Baiboly Katolika

26 Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Ary halainao ny tratran’ny ondrilahy faharoa izay nanokanana an’i Aharôna ka hahevahevanao eo anatrehako Izaho TOMPO toy ny fanatitra ahevaheva fa iny no anjara ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ary halainao ny tratran’ny ondrilahy faharoa izay nanokanana an’i Aharôna ka hahevahevanao eo anatrehako Izaho TOMPO toy ny fanatitra ahevaheva fa iny no anjara ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary alao ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah; dia ho anjaranao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:26
8 Rohy Ifampitohizana  

I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.


Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;


Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Hitondra ao an-tanany izay tsy maintsy haterina atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh, izy, dia hitondra ny sabora mbamin’ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh;


ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany.


Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.


Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Raha efa izany dia nahevahevan’i Aarôna teo anatrehan’i Iaveh ny tratran’ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian’i Môizy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra