Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 22:11 - Baiboly Katolika

11 dia ny fianianana amin’i Iaveh no hampanaovina amin’izy roa tonta hahalalàna raha noraisin’ny tanany ny fananan’ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Nefa raha nangalarina tany aminy tokoa ilay biby dia hanonitra ho an’ny tompon-javatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Fa raha tàhiny kosa nangalarina tao aminy tokoa izany biby izany, dia handoa onitra amin’ny tompon-javatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Fa raha tàhiny kosa nangalarina tao aminy tokoa izany biby izany, dia handoa onitra amin’ny tompon-javatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an’ny tompon-javatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Nefa raha nangalarina tany aminy tokoa ilay biby dia hanonitra ho an’ny tompon-javatra izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 22:11
10 Rohy Ifampitohizana  

«Raha misy olona manome omby na ondry na biby hafa anankiray hotahirizin’ny namany, ka maty ilay biby na tapaka, na misy naka nefa tsy nisy nahita,


Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin’ny tompom-biby izy.


fa raha tsy hita ny mpangalatra, dia hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ny tompon-trano, sao dia noraisin’ny tanany ihany ny fananan’ny namany.


«Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.


fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe: «Iza moa i Iaveh?» ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.


Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka, noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra:


Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.


Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.


Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany no ianianan’ny olona, ary ny fianianana no ataony antoka ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra