Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 6:1 - Baiboly Katolika

1 Ary hitako fa nosokafan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombokase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Avia hijery.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nijery aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra niteny tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana hoe: Avia!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Ary izao no hitako. Rehefa novahan’ny Zanakondry ny voalohany tamin’ireo tombokase fito, dia reko niteny mafy toy ny kotro-baratra ny anankiray tamin’ny zava-miaina efatra, nanao hoe: Avia!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary izao no hitako. Rehefa novahan’ny Zanakondry ny voalohany tamin’ireo tombokase fito, dia reko niteny mafy toy ny kotro-baratra ny anankiray tamin’ny zava-miaina efatra, nanao hoe: Avia!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nahita aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny anankiray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ny zava-manan-aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nijery aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra niteny tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana hoe: Avia!

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 6:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.


fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.»


Dia novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin’ny havandra vaventy.


Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.


Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.


Ary nisy hoatra ny feon’olona marobe, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary sahala amin’ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: «Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka.


Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.


Ary indro, hitako teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.


nanao tamim-peo mahery hoe: «Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana, ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra, ary ny saotra.»


Nony nandray ny boky Izy; dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.


Nony nosokafany ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-manana aina faharoa nanao hoe: «Avia hijery.»


Nony nosokafany ny tombokase fahatelo, dia reko ny Zava-manana aina fahatelo nanao hoe: «Avia hijery.» Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty, ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tanany.


Nony nosokafany ny tombokase fahefatra, dia reko ny feon’ny Zava-manana aina fahefatra, nanao hoe: «Avia hijery.»


Nony nosokafan’ny Zanak’ondry ny tombokase fahafito, dia nisy fanginana sahabo ho antsasak’adiny tany an-danitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra