Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 10:3 - Baiboly Katolika

3 niantso tamin’ny feo mahery toy ny fieron’ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 ary niantso tamin’ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ny liona. Nony niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Dia niantso tamin’ny feo mahery sahala amin’ny liona mierona izy; ka nony avy niantso izy, dia nirefodrefotra namaly azy ny kotro-baratra fito.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia niantso tamin’ny feo mahery sahala amin’ny liona mierona izy; ka nony avy niantso izy, dia nirefodrefotra namaly azy ny kotro-baratra fito.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 ary niantso tamin’ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 ary niantso tamin'ny feo mahery izy, tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 ary niantso tamin’ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ny liona. Nony niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 10:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon’i Iaveh, mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra; eny ambony rano be i Iaveh.


Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka; ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.


Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Toy ny fieron’ny liona sy ny liona tanora amin’ny rembiny, raha mivory hanohitra azy ny mpiandry ondry maro be, ka tsy resin-tahotra izay horakorak’izy ireo, na manahy izay hamaroany akory; toy izany koa no hidinan’i Iavehn’ny tafika mba hiady, eo an-tendrombohitra Siôna sy eo amin’ny havoany.


Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.


Fieron’ny liona, ny fierony; manerona izy toy ny liona tanora izay mitrerona sy misambotra ny rembiny; dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.


Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe: «Mitrena any ambony i Iaveh nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina, mitrena mafy mamely ny taniny; akoran’ny mpioty voaloboka no alefany, manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.


Re hatrany amin’ny kianja ivelany, ny fikopakopaky ny elatry ny Kerobima hoatra ny feon’Andriamanitra Tsitoha, raha miteny izy.


Hanaraka an’i Iaveh izy ireo; hierona toy ny liona Izy, ka rehefa mierona Izy dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.


Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.


Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?


Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.


Raha efa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia Anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.


Dia natolotry ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra ny Anjely fito ireto kapoaka volamena fito, feno ny fahatezeran’Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay,


Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.


Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra