Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 9:5 - Baiboly Katolika5 Kanjo nasian’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, mahita ny zavatra rehetra, tamin’ny fery tsy lai-panafody, maha-tsy te-hijery.» Vao avy nanonona io teny io izy dia nahatsiaro fanaintainana lozan-tany tao an-kibony, sy fangirifiriana nanotikotika tao anatiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Vao nahavoatonona ireo teny ireo i Antiôkôsa, dia indro ny Tompo mahita ny zava-drehetra, ilay Andriamanitr’i Israely, fa namely azy tamin’aretina tsy hita maso sady tsy laitram-panafody; fanaintainana lozan-tany sy fangirifiriana nanotikotika no tsapany tao amin’ny tsinainy tao. Jereo ny toko |