Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 9:4 - Baiboly Katolika

4 Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliany ny fanaikan’ireo nanery azy handositra amin’ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin’ny famalian’ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: «Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jody io tanàna io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nirehi-pahatezerana i Antiôkosa ka nihevitra fa ny famelezana ny Jiosy no hamaliany faty ny fanalàm-baràka nafitsoky ny Persianina izay nanery azy handositra; ary nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ilay mpitondra mba hahafaingana ny dia. Kanjo ny famaizan’Andriamanitra no efa miandry azy, noho izy nentanim-piavonavonana ka nilaza hoe: «Rehefa tonga any Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jiosy io tanàna io!»

Jereo ny toko dika mitovy




2Makabeo 9:4
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra