Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 2:20 - Baiboly Katolika

20 Tsy fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao amin’ny trano be soa, fa fanaka hazo sy tany koa, ka ny sasany hajaina, fa ny sasany kosa atao tsinontsinona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Fa ao amin’ny trano lehibe iray, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany dia homem-boninahitra ary ny sasany dia halam-baraka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Fa ao amin’ny trano lehibe iray, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany dia homem-boninahitra ary ny sasany dia halam-baraka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 2:20
15 Rohy Ifampitohizana  

Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.


Fanampin’izany, ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany amin’ny Tempoly any Jerosalema dia haverina ka dia hoentina ao amin’ny tempoly any Jerosalema, hatao amin’ny fitoerany teo, ka hapetrakao ao an-tranon’Andriamanitra.


Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.


Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asan-tanan’ny mpanefy vilany?


Ary hoy ny navalin’i Jesoa: «Tsy manana demony Aho, fa Izaho manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo kosa tsy manaja Ahy.


Eisy! iza moa ianao, ry olombelona, no sahy hifamaly amin’Andriamanitra? Moa ny vilany tany va hanao amin’izay nanefy azy hoe: «Nahoana aho no nataonao toy izao?»


Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra; ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.


Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.


ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.


satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.


ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra