Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:26 - Baiboly Katolika

26 Nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra izy, hatramin’ny Ony ka hatramin’ny Filistinina ary hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistina ary hatrany amin’ny sisin’i Ejipta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatramin’ny Ony ka hatramin’ny tanin’ny Filistina ary hatramin’ny sisin’i Egypta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistina ary hatrany amin’ny sisin’i Ejipta izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;


Nanjaka tamin’ny fanjakana rehetra, hatramin’ny ony ka hatramin’ny tanin’i Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta i Salômôna, ary nitondra fanatitra sy nanoa an’i Salômôna nandritra ny andro niainany izy ireo.


Izao no hataoko faritaninao: hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny ony, satria hatolotro eo an-tananao ny mponina amin’ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao.


izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra