Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 7:22 - Baiboly Katolika

22 Dia hamaly ny olona hanao hoe: Satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, ary nifikitra tamin’andriamani-kafa, niankohoka teo anatrehan’ireny, ary nanompo ireny, ka izany no nampianjerany an’izao loza rehetra izao taminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ny olona ka nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Ary hisy olona hamaly hoe: «Satria nilaozan’ny Israelita ny Tompo Andriamanitry ny razany, dia Ilay nitondra azy niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin’andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan’ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ary hisy olona hamaly hoe: «Satria nilaozan’ny Israelita ny Tompo Andriamanitry ny razany, dia Ilay nitondra azy niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin’andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan’ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, izy ka nikikitra tamin’andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ny olona ka nifikitra tamin’ny andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.


Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo Aho, noho ny haratsiany rehetra, fa nandao Ahy izy ireo, dia nanolotra emboka tamin’andriamani-kafa, ary nivavaka tamin’ny asan-tanany.


Dia izao no holazainao azy: Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy, - teny marin’i Iaveh; - sy andriamani-kafa no narahin’ireny, notompoiny, nivavahany; fa Izaho nilaozany, ny lalàko tsy notandremany.


Fa raha tsy mihaino izany teny izany kosa ianareo, dia mianiana amin’ny Tenako Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ho rava no halehan’ity lapa ity.»


Hampionona anareo izy ireo, rehefa mahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo, ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra