Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 34:22 - Baiboly Katolika

22 Dia lasa i Helkiasa mbamin’ireo voatendrin’ny mpanjaka, nankany amin’i Holdà mpaminany vavy, vadin’i Seloma zanak’i Tekoata zanak’i Hasrà, mpitahiry ny fitafiana. Tao Jerosalema amin’ny faritany faharoa ravehivavy no nitoetra. Nony voalazan’izy ireo taminy ny nanirahana azy, dia izao no nalazany azy ireo:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary i Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana, fa nitoetra tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy, ary niresaka izany taminy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Dia nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià sy ireo olon-kafa voatendrin’ny mpanjaka. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tôkehata sy zafikelin’i Hasrà sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià sy ireo olon-kafa voatendrin’ny mpanjaka. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tôkehata sy zafikelin’i Hasrà sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin’ny tanàna ambany ravehivavy), ary niresaka izany taminy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary i Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana, fa nitoetra tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy, ary niresaka izany taminy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 34:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandeha i Helkiasa mpisorona, i Ahikama, i Akorôba, i Safàna, ary i Asaiasa nankany amin’i Holdà mpaminany vavy vadin’i Seloma, zanak’i Tekoà, zanak’i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin’ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,


«Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»


«Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Lazao amin’izay lehilahy naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: Izao no lazain’i Iaveh:


Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.


Amin’izany andro izany dia izao no hatao, - teny marin’i Iaveh: - Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin’ny hazandrano; hisy hitarainana, avy ao an-tanàna faharoa; ary hisy kotrokotroka be avy amin’ny havoana.


Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny nahavirjiny azy,


Nanana zanaka vavy virjiny efatra izay naminany izy.


Tamin’izany andro izany dia i Debôrà vehivavy mpaminany, vadin’i Lapidôta no nitsara ny zanak’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra