2Tantara 32:18 - Baiboly Katolika18 Tamim-peo avo sy amin’ny fiteny Jody, no niantsoantsoan’ireo mpanompony tamin’ny vahoaka tao Jerosalema izay teny ambony manda, mba hampitahotra sy hampivadi-po an’ireo, hahazoany ny tanàna. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA18 Ankoatra izany, ireto irak’i Saneheriba ireto dia niantso tamin’ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema izay teny ambonin’ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton’izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Ankoatra izany, ireto irak’i Saneheriba ireto dia niantso tamin’ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema izay teny ambonin’ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton’izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny mànda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache18 Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna. Jereo ny toko |