Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 24:5 - Baiboly Katolika

5 Ka namory ny mpisorona sy ny Levita izy dia nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo any amin’ny tanànan’i Jodà, ka mamoria vola isan-taona amin’i Israely rehetra hamboarana ny tranon’Andriamanitrareo, ary ataovy faingana izany.» Nanao tsy rototra anefa ny Levita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia namory ny mpisorona sy ny levita izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia namory ny mpisorona sy ny levita* izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.


Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra