Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 15:14 - Baiboly Katolika

14 Nanao feo avo izy nianiana tamin’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana sy feon-trômpetra aman’anjomara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary nianiana tamin’NY TOMPO tamin’ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ny trompetra sy ny anjomara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary nianiana ho an’i Jehovah tamin’ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ny trompetra sy ny anjomara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary nianiana tamin’NY TOMPO tamin’ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ny trompetra sy ny anjomara izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 15:14
9 Rohy Ifampitohizana  

ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy.


Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.


Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineanina, ary izay rehetra nisaraka tamin’ny vahoakan’ny tany, hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, mbamin’ny vadin’ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy,


Ka sady nanakopaka ny kapaotiko aho no nilaza hoe: «Hakopak’Andriamanitra toy izao anie ny olona rehetra tsy mahatanteraka izany teny izany, ho eo ivelan’ny tranony amam-pananany, ka dia ho voakopaka sy ho avela tsy manana na inona na inona izy.» Dia indray namaly ny fiangonana nanao hoe: «Amen», sady nidera an’Andriamanitra; ary notanterahin’ny vahoaka tokoa izany teny izany.


Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan’i Iaveh Mpanjaka, amin’ny trômpetra amam-peon’anjomara.


Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».


Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»


Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: «I Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra