2 dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natana mpaminany: Endrey, izaho ity dia mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay!
2 dia hoy izy tamin’i Natàna mpaminany: –Jereo ange aho fa mipetraka amin’ny lapa vita hazo sedera, kanefa ny Vatamasin’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay.
2 dia hoy izy tamin’i Natàna mpaminany: –Jereo ange aho fa mipetraka amin’ny lapa vita hazo sedera, kanefa ny Vatamasin’Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay.
Dia hoy ny navalin’i Oria tamin’i Davida: «Ny Fiara sy i Israely mbamin’i Jodà, mitoetra an-day; i Jôaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Marina amin’ny ainao sy ny ain’ny fanahinao raha hanao izany aho!»
Nirahin’i Iaveh ho any amin’i Davida i Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: «Nisy olona roa lahy, tao amin’ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Nony tafiditra ny Fiaran’i Iaveh ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay nasain’i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh i Davida.
Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
Nony efa voampiditra ny fiaran’Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan’ny lay naorin’i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.
Ny asan’i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia indro fa voasoratra ao amin’ny tantaran’i Samoela mpahita sy amin’ny tantaran’i Natàna mpaminany, ary amin’ny tantaran’i Gada mpahita, mbamin’ny zava-drehetra momba ny fanjakany, sy ny asa nataony tamin-kerim-po sy ny fiovaovan-toetra nahazo azy sy nahazo an’i Israely sy ny fanjakana rehetra an-tany hafa.
ny fiaran’Andriamanitra kosa efa nafindran’i Davida, avy any Kariatiarima ho any amin’ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy.
Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.
Ny sisa tamin’ny asan’i Salômôna, na ny voalohany na ny farany, moa tsy dia efa voasoratra va izany ao amin’ny bokin’i Natàna mpaminany, sy amin’ny faminanian’i Ahiasa avy any Silô, ary amin’ny fahitan’i Adô ny amin’i Jerôbôama zanak’i Nabata?
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.