Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


106 Andinin’ny Baiboly sarotra hazavaina

106 Andinin’ny Baiboly sarotra hazavaina

Indro misy zavatra tiako hozaraina aminao, ry namako. Rehefa misy zavatra sarotra ambara, ny fomba tsara indrindra anehoana azy dia ny fanandramana azy mivantana. Isan'andro, rehefa iainantsika ny tenin'Andriamanitra, dia mahazo fitaovana isika hizarana ny hafatry ny famonjena amin'ny olona maro.

Tsy misy maharesy lahatra kokoa noho ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny zavatra niainana manokana. Hafatra manova fiainana izany. Kanefa, zava-dehibe ny mitadidy fa ny Fanahy Masina no manana ny fahalalana feno sy ny faharetana hampianatra antsika hahatakatra tsara ny zava-drehetra.

Aza miantehitra fotsiny amin'ny eritreritrao manokana na ny zavatra niainan'ny hafa. Mety ho very teny ianao rehefa te-hizara zavatra tsy mbola niainanao. Ny Fanahy Masina te hampianatra antsika androany (1 Korintiana 2:10-16).


1Petera 3:18-19

Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Joba 2:1

Indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’NY TOMPO dia mba tonga teo koa i Satana tafaharo taminy, mba hiseho teo anatrehan’NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 13:18

Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isa mariky ny bibidia, fa isa mariky ny olona izany: Enina amby enimpolo sy eninjato izany isa marika izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 6:1-4

Rehefa nihamaro ny olona tetỳ ambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro izy ireo Niteraka telo mirahalahy i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta. Ary feno fahalovana sy herisetra teo anatrehan’Andriamanitra ny tany. Hitan’Andriamanitra fa indro, feno fahalovana ny tany; ny nofo rehetra dia samy niaina tamin’ny fahalovana tetỳ ambonin’ny tany. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Tonga ny faran’ny nofo rehetra satria feno herisetra ny tany noho ny amin’ny olona ka indro, handringana azy mbamin’ny tany Aho. Koa manamboara sambofiara amin’ny hazomenaka; hasianao efitrefitra ny sambofiara ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany. Toy izao no hanaovanao azy: Telonjato hakiho ny lavan’ny sambofiara, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony. Asio tafo ny sambofiara ka ataovy iray hakiho avy eo ambony, ary asio varavarana eo amin’ny rindriny; ataovy rihana telo ny ao anatiny. Fa Izaho hahatonga ny safodrano eny ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-pofonaina eny ambanin’ny lanitra ka ho faty izay rehetra eo amin’ny tany. Nefa kosa haoriko aminao ny fanekeko; hiditra ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vinantovavinao izay miaraka aminao. Ary hitondranao roa avy isaky ny karazany ho ao anatin’ny sambofiara ny zavamananaina rehetra mba hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ireo zanakavavin’ny olona ireo, koa nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy ireo. Ny vorona, samy araka ny karazany avy, ny biby, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, roa avy isan-karazany no hankeo aminao mba hovelomina. Ary ianao, makà amin’ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana ka angony ho eo aminao; fa ho hanina ho anao sy ho an’ireo biby ireo izany. Dia nataon’i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony. Dia hoy NY TOMPO: Tsy mba hijanona mandrakariva ao amin’ny olona ny fofonaiko fa nofo izy, koa ho roapolo amby zato taona ihany ny androny. Tamin’izany andro izany, sy taorianan’izany koa, rehefa nivady tamin’ireo zanakavavin’ny olona ireo zanak’Andriamanitra dia niteraka taminy ka nisy ireo Nefilima tetỳ ambonin’ny tany; ireo no olo-mahery hatrizay ela izay, dia ireo lehilahy nanan-daza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 33:20

Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao, satria tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 11:7

ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 20:16-17

Fa ny tanànan’ireto firenena ireto kosa, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao. Ataovy ho zavatra voaozona avokoa ireo, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitsara 11:30-31

Ary nivoady tamin’NY TOMPO i Jefta ka niteny hoe: Raha atolotrao eo an-tanako tokoa ny Amonita dia ho an’NY TOMPO izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy rehefa miverina soa amantsara avy any amin’ny Amonita aho, ary hatolotro ho fanatitra dorana manontolo izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Samoela 24:1

Nirehitra tamin’ny Israely indray ny fahatezeran’NY TOMPO; dia nanome saina an’i Davida Izy mba hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Israely sy ny Joda.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Mpanjaka 13:18

Nefa hoy ilay iray taminy: Izaho koa dia mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:5

Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Joba 38:1-4

Avy tao anatin’ny tafio-drivotra NY TOMPO no namaly an’i Joba hoe: ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana ka niteny hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra azy ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? Hatrizay niainanao, moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fiposaky ny andro mba handraisany ny sisin’ny tany ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? Dia miova tahaka ny tanimanga fanaovana fitombo-kase ny endriny ka miseho tahaka ny lamba misoratra. Hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy ka ho tapaka ny sandry naingaina. Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina? Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana? Moa efa voadinikao ny fivelatry ny tany? Ambarao ary raha fantatrao izany rehetra izany. Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza ny fitoeran’ny maizina Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana? mba hitsenanao azy any amin’ny faran’ny alehany satria fantatrao ny lalana ho any an-tranony? Eny, fantatrao mantsy izany satria efa teraka ianao tamin’izay ary maro ny isan’ny andronao! Moa efa niditra tany amin’ny trano fitahirizana ny orampanala va ianao? Ary efa hitanao va ny trano fitahirizana ny havandra izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? Aiza moa no lalana izarazaran’ny mazava sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany? Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be sy lalan-kaleha ho an’ny tselatra sy kotrokorana mba hilatsahan’ny ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona, dia any amin’ny tany efitra tsy misy mponina ka hahavonto ny tany ngazana sy ny tany foana ary hampitsimoka ny ahitra sy hampaniry azy? Manana ray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranonando? Kibon’iza moa no niavian’ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy? Misikìna ary tahaka ny lehilahy fa hanadina anao Aho ka valio. Tonga mafy toy ny vato ny rano ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina. Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao na mahavaha ny fatoran’ny Telonohorefy? Mahavoaka ireo vondron-kintana amin’ny fotoanany va ianao? Ary mahatondra an’i Bera mbamin’ny zanany va ianao? Fantatrao va ny lalàna eny amin’ny lanitra? Ary mahafehy ny fanapahan’ireny etỳ an-tany va ianao? Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao mba hanafotra anao ny rano mandriaka? Mahay mandefa ny tselatra va ianao ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mampitongilana ny fitoeran-dranon’ny lanitra ka mitambatra ho dilatra ny vovoka ary mivongana ho bainga? Mahay mihaza remby ho an’ny liom-bavy va ianao ary mahafaka ny hanoanan’ny liona tanora Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 6:2

dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ireo zanakavavin’ny olona ireo, koa nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 1:17

mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 137:9

Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro amin’ny harambato.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:28

Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 26:4-5

Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao. Valio araka ny hadalany ny adala, fandrao hihevi-tena ho hendry izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 3:19-21

Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo. Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena; Izy rehetra dia samy toerana iray ihany no alehany: Avy tamin’ny vovoka izy rehetra ary samy hiverina ho amin’ny vovoka ihany indray. Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 45:7

dia Izaho izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 7:18

Manangona kitay ny ankizy, mandrehitra afo ny rainy, ary mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra ny vehivavy. Manolotra fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa izy ireo mba hampahasosotra Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:25-26

Ary Izaho koa no nanome azy didy tsy tsara sy fitsipika izay tsy mahavelona azy. Dia nandoto azy tamin’ny fanatiny Aho, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamakivaky ny afo, ka nataoko very hevitra izy, mba ho fantany fa Izaho no TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Daniela 9:24-27

Herinandro fitopolo no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hampijanonana ny fahadisoana sy hampitsaharana ny fahotana, hanaovana fanavotana noho ny heloka sy hampidirana fahamarinana mandrakizay, mba hasiana tombo-kase ny fahitana sy ny mpaminany, ary hatao ny fanosorana olona iray izay masina indrindra. Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny fanosorana mpanapaka iray dia misy herinandro fito. Mandritra ny roa amby enimpolo herinandro no hanamboarana indray ny lalana sy ny hady, kanefa ao anatin’ny tebiteby. Rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro dia hovonoina ny lehilahy voahosotra iray ka tsy hisy hiaro azy; ary ny vahoakan’ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny fiafarany dia ho avy toy ny tondra-drano; hatramin’ny faran’ny ady dia hisy fandravana voatendry. Hanao fanekena mafy orina amin’ny maro mandritra ny herinandro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa mandritra ny antsasaky ny herinandro; eo ambonin’ny elatry ny fahavetavetana no hiavian’ny mpandrava, mandra-pahatanteraka ny fandravana voatendry, izay hamely ny mpandrava ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:29-30

Fa raha ny masonao havanana no mahatafintohina anao dia esory hiala izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no hariana any amin’ny afobe. Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:34

Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:31-32

Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Ary na iza na iza no milaza teny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 27:46

Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny? Izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao (Sal 22.1)?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 16:16

Izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 14:26

Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ny vadiny sy ny zanany, ny rahalahiny sy ny anabaviny; eny, ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 6:53

Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona sy misotro ny rany ianareo dia tsy manana fiainana ao aminareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 10:30

Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 1:26

Dia nanao antsapaka ho azy izy ireo ka nianjera tamin’i Matia ny antsapaka; ary izy izany no lany ho naman’ny apostoly iraika amby folo lahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 9:13

sy araka ny voasoratra hoe: «I Jakoba no tiako fa i Esao kosa dia halako» (Mal 1.2-3).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 11:7-8

Ahoana ary? Izay notadiavin’ny Israely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany ary ny sisa kosa dia tonga mafy fo; araka ny voasoratra hoe: «Andriamanitra efa nanome azy fanahy mahasondrian-tory sy maso tsy hahita ary sofina tsy hahare, mandraka androany» (Isa 29.10; Deo 29.3).

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 11:27-30

Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fomba tsy mendrika dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. Fa aoka ny olona handini-tena, vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany raha tsy mamantatra ny tenan’ny Tompo izy. Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy. Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo ary efa maro aza no nodimandry.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 15:29

Raha tsy izany, hanao ahoana izay natao batisa hisolo ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa misolo azy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 12:7-9

Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambaràna aho dia nasiana tsilo ny nofoko; irak’i Satana hamely ahy izany, fandrao hirehareha aho. Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo mba hialan’izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:12

Enga anie ka hanamelo-tena izay mampikorontana anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 1:4

araka ny nifidianany antsika tao Aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 1:29

Fa efa nomena fahasoavana ianareo noho ny amin’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny Aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 1:16-17

fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany; Izy no talohan’ny zavatra rehetra sady ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:21

Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 6:4-6

Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manala-baraka Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:26-27

Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 2:24

Koa hitanareo amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona fa tsy amin’ny finoana ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:16

Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 3:5

Izay mandresy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ary tsy hamono velively ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Aho fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 20:11-15

Ary hitako fa indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra Azy ka tsy nisy toerana ho azy intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana. Nisy boky maromaro novelarina; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny. Ary ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty dia namoaka ny maty tao aminy, ary samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra tao anatin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 21:24-25

maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra, may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, fery solon’ny fery.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 25:11-12

Raha misy olona miady ka manatona hamonjy ny vadiny amin’ny tanan’izay mamely azy ny vadin’ny iray, ary manatsotra ny tanany ka mandray azy amin’ny ankasarotana, dia hotapahinao ny tanany; fa tsy hiantra azy ny masonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitsara 16:20

Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 15:3

Koa mandehana ankehitriny ka asio ny Amalekita, ataovy zavatra voaozona izay rehetra mety ho azy, aza asiana miangana fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman’osy, na rameva, na boriky.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 2:11-12

Raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy dia indro, nisy kalesy afo fitondra miady sy soavaly afo nampisaraka azy, ary niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Elia. Ary raha nahita izany i Elisa dia niantso hoe: Ry Ikaky ô! Ry Ikaky ô! E ny kalesy fitondra miady an’ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Joba 1:21

sady niteny hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’Ineny ary mitanjaka no hiverenako any; NY TOMPO no nanome ary NY TOMPO no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’NY TOMPO!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:13-16

Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:4-5

Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fanaintainantsika, kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 29:11

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 37:1-14

Tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO, ary ny Fanahy no nitondran’NY TOMPO ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha iray feno taolana aho. Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho ka nidiran’ny fofonaina ireo ary velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy: Tafika lehibe dia lehibe tokoa. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’Israely rehetra; indreo izy miteny hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay! Koa maminania ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo! Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no efa niteny sady nanatanteraka izany, hoy NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:13-14

Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 25:31-46

Ary raha tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’Olona, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny Izy; ary hovoriana eo anatrehany ny firenena rehetra dia hanavaka azy ireo Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; koa hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy fa ny osy kosa dia eo amin’ny ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo. Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay? Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay? ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko. Hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny; fa noana Aho nefa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho nefa tsy mba nampisotroinareo; nivahiny Aho nefa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho nefa tsy mba nampiakanjoinareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho nefa tsy mba novangianareo. Ary hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? Fa Izy hamaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo Tamiko. Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 16:19-31

Nisy lehilahy mpanankarena iray niakanjo volomparasy sy lamba rongony fotsy manify sady nanaram-po fatratra isanandro tamin’ny fahafinaretana. Dia nampiantso azy izy ka niteny taminy hoe: Inona izao reko momba anao izao? Manaova tatitra ny amin’ny fitantananao ny fananako; fa tsy mahazo mitantana ny fananako intsony ianao. Ary nisy mahantra ferena iray antsoina hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny; izy dia naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena, nefa ny amboa kosa no avy ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra, dia noentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina; ary raha nijaly tao amin’ny fitoeran’ny maty izy ka niandrandra dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy i Lazarosy teo an-tratrany. Dia niantso izy hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany amin’ny rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity. Fa hoy i Abrahama: Anaka, tsarovy fa efa nahazo ny zava-tsoanao ianao tamin’ny andro niainanao, ary i Lazarosy kosa dia ny zava-dratsy; fa ankehitriny dia izy no ampiononina atỳ ary ianao kosa no fadiranovana. Ary amin’izany rehetra izany, misy tevana lehibe manelanelana antsika mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala etỳ ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny. Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: Mba iraho i Lazarosy hankany amin’ny tranon’ny raiko, fa manana rahalahy dimy aho, ka hilaza tsara amin’izy ireo mba tsy ho tonga atỳ amin’ity fijaliana ity koa izy. Fa hoy i Abrahama taminy: Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino azy ireo izy! Niteny anakampo ilay mpitantana ny fananana hoe: Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitantanana ny fananany aho? Ny miasa tany dia tsy tratry ny aiko, ny mangataka dia mahamenatra ahy. Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy avy amin’ny maty hankany aminy dia hibebaka izy. Fa hoy i Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy dia tsy hety hino izy na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 14:2-3

Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 2:1-4

Nony tonga ny andro Pentekosta, dia teo amin’ny toerana iray izy rehetra. Frigia, Pamfilia, Ejipta sy ny faritr’i Libia izay manodidina an’i Kirena, ary vahiny avy any Roma, Jiosy sy prozelita, Kretana, Arabo, koa ahoana no andrenesantsika azy ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra? Dia talanjona izy rehetra sady sahiran-tsaina ka nifampiresaka hoe: Inona no tokony ho hevitr’izany? Ny sasany kosa dia nihomehy sady niteny hoe: Mamon-divay mamy ireo. Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao ka henoy ny teniko: Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe: «Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handrotsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ny lahiantitrareo dia hanonofy; ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handrotsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany; hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho ary famantarana amin’ny tany ambany; dia ra sy afo ary setroka manjavona; Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany. ny masoandro dia hiova ho haizina, ary ny volana dia ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, dia ilay sady lehibe no malaza; ary izay rehetra hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho voavonjy.» (Joe 3.1-5) Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany, Izy dia natolotra noho ny fandaharana sy ny fahalalan’Andriamanitra mialoha, ary nohomboinareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna; nefa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy azon’izany nohazonina Izy. Fa i Davida dia milaza Azy hoe: «Nijery NY TOMPO teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa dia hitoetra amin’ny fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy hamela Ilay Masinao ho tratry ny lo Ianao. Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao Ianao» (Sal 16.8-11). Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza marina aminareo ny amin’i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara, ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona. Satria mpaminany izy ka nahafantatra fa Andriamanitra efa nianiana taminy fa izay hateraky ny kibony no hapetrany eo ambonin’ny sezafiandrianany, koa raha nahita mialoha izy dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fitoeran’ny maty Izy, ary ny nofony dia tsy tratry ny lo. Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sady nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina izay nokasainy dia nandrotsaka izao hitanareo sy renareo izao. Fa tsy i Davida no niakatra tany an-danitra; satria hoy izy: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao» (Sal 110.1). Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra tokoa fa iny Jesosy nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra Tompo sy Kristy. Raha nandre izany ny olona dia voatsindrona tao am-pony ka niteny tamin’i Petera sy ny apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina, satria ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’NY TOMPO Andriamanitsika hanatona Azy. Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 3:15

Raha levon’ny afo ny asan’ny olona dia ho maty antoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 5:10

Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:7

Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 2:8-9

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 3:18-19

Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny kanefa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny; fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, tsy misaina afa-tsy ny zavatry ny tany izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:2

Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 2:15

Nefa hovonjena ihany izy amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahononan-tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 11:6

Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:13-14

Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hiteny hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy. Fa tsy azon’ny ratsy alaim-panahy Andriamanitra, sady tsy mba maka fanahy olona. Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 1:2

araka ny fahalalana mialoha izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fankatoavana sy ny famafazana ny ran’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 2:3-4

Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika dia ny fitandremantsika ny didiny. Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 21:27

Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 4:7

Raha tsara ny ataonao, moa tsy ho miramirana va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny ataonao dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka aminy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:14

Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 20:13

Raha misy lehilahy mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hovonoina ho faty izy ireo; ny rany dia ho aminy ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 14:21

Aza mihinana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanao ireny mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Samoela 12:11-14

Izao koa no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany; hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao ary handry amin’ny vadinao amin’izao antoandrobenanahary izao izy. Nanao izany tao amin’ny mangingina ianao, fa Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ny Israely rehetra, amin’izao antoandrobenanahary izao. Dia hoy i Davida tamin’i Natana: Nanota tamin’NY TOMPO aho. Hoy kosa i Natana tamin’i Davida: NY TOMPO efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao. Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’NY TOMPO tamin’izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:8

Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Ianao; na dia manao ny fitoeran’ny maty ho fandriako aza aho dia indro, any Ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:5-6

Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 1:18

satria izay be fahendrena dia be fahasahiranan-tsaina ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fanaintainana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 55:8-9

Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Daniela 4:17

Io hazo hitanao io dia ilay nihalehibe sy nihanahery, koa ny haavony dia nipaka tamin’ny lanitra ary ny fijery azy hatramin’ny tany rehetra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 4:6

Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana. Satria nandà ny fahalalana ianao, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Malakia 1:3

fa i Esao no halako, koa nataoko tany lao ny tendrombohiny ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 13:24-30

Ary niteny fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray izay namafy voa tsara teny an-tanimbariny; nefa raha natory ny olona dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary ary lasa nandeha. Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niseho koa ny tsimparifary. Dia avy ireo mpanompon-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy: Fahavalo no nahavita izany. Ary hoy ireo mpanompony taminy: Koa tianao va ny handehananay hanongotra azy? Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary. Ary nilaza zavatra maro tamin’ny fanoharana taminy Izy ka niteny hoe: Indro, niainga ny mpamafy mba hamafy; Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 19:24

Lazaiko aminareo indray: Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Marka 10:27

Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:38

omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 5:30

Raha Izaho dia tsy afaka manao na inona na inona avy amin’ny fahefan’ny tenako; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 9:16

Koa tsy avy amin’izay maniry na avy amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra izay miantra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 2:14

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, fa fahadalana izany aminy sady tsy azony satria araka ny Fanahy no itsarana izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 4:3-4

Fa raha miafina ny Filazantsara torinay dia miafina amin’izay ho very, satria amin’ireny dia nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sainy tsy mino, mba tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny Filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy izay endrik’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:17

Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:11

ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:13

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:12-14

Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 4:3-5

Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana; mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 3:16-17

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Titosy 2:14

Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 12:1-2

Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Misaotra Anao Tompo ô, androany aho afaka miaina noho ny fitiavanao ary mitantara ny famindram-ponao lehibe eo amin'ny fiainako. Misaotra Anao fa eo ny fikarakaranao sy ny fivelomana avy Aminao. Mangataka Aminao aho androany Tompo ô, mba hampatanjahako ny fanomezam-pahaizana hampianatra, ary mba hampitomboanao isan'andro ny fahalalako mba hozaraina amin'ny hafa. Misaotra Jesosy Tompo ô, fa Ianao no Mpampianatra tsara indrindra, ary avy Aminao no loharanon'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra. Koa mangataka aho mba homenao fahasoavana sy fitahiana rehefa hanazava andininy sarotra amiko aho. Fantatro fa ny Fanahy Masina no hitari-dalana ahy sy hanome ahy ny teny sahaza hiditra ao am-pon'ireo izay mihaino ahy. Fenoy fahendrena aho mba hitoriako ny andininy tsirairay, ary ampio aho amin'ny alalan'ny Fanahy Masinao mba hampianatra amim-paharetana sy amim-pahombiazana. Ampio aho hanana fo mahitsy isan'andro mba hizara ny teninao amim-panetren-tena. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amena!
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra