Ry sakaiza, mba eritrereto ange ity zavatra ity e! Ilay fireharehana iny, tsy mifidy olona izy io. Na antitra na tanora, na mpanana na tsy mpanana, na lehilahy na vehivavy, samy tratran'izany avokoa isika rehetra. Ao amin'ny Baiboly, betsaka ny andininy miresaka momba ny loza ateraky ny fireharehana.
Ao amin'ny Mpitoriteny, ilay mpanjaka hendry, i Salomona, dia mitantara ny maha-zava-poana ny fiainana sy ny fanangonan-karena aman-karena eto an-tany. Mampirisika antsika izy mba hatoky sy hanantena an'Andriamanitra satria zava-poana sy tsy haharitra mandrakizay izay rehetra ananantsika sy vitantsika eto amin'ity izao tontolo izao ity.
Toy izany koa, ao amin'ny Testamenta Vaovao, i Jesoa dia mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin'ny zavatra mandrakizay, fa tsy ny fitadiavana fankatoavana avy amin'ny olona. Mitarika antsika amin'ny alalan'ny teniny Izy mba hahitantsika ny tena antom-pisiantsika sy hiainantsika fiainana misy dikany, izay mifantoka amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.
Ny fireharehana mantsy dia mampanalavitra antsika amin'ny fanetren-tena ary mitarika antsika hitady ny fisandratantsika manokana, ka mahatonga antsika hanadino ny fitiavana ny hafa sy ny sitrapon'Andriamanitra. Koa andao isika hiezaka handinika tena, mba tsy ho voafandrik'izany fireharehana izany.
Ny fitarainana tsy amin’antony dia tsy mba henoin’Andriamanitra ary ny Tsitoha dia tsy mandinika izany.
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava, fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo azy.
Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina.
Raha mitombo ny fananana dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ny tompony afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
Koa esory ao am-ponao ny alahelo ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; aza manome ahy fahantrana na harena; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy,
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.
Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahombiazana rehetra fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona ireny. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany.
Ary aoka ny fihaingoanareo tsy ho ny zavatra ivelany, toy ny taovolo manaitra sy ny firavaka volamena na ny fitafiana marevaka, fa ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fihaingoana tsy mety ho lo, dia ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra.
Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no handotoanareo ny voninahitro? Mandra-pahoviana no ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? Fiatoana
noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’i Elaha zanany koa, izay nataony, sady nampanotany ny Israely ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny.
Toy ny kavina volamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy manam-pahendrena.
Nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teny vavolombelony izay nananarany azy. Nandeha nanaraka ny zava-poana izy ka tonga zava-poana koa ary nanaraka ny Jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’NY TOMPO mba tsy halainy tahaka.
Maharikoriko ahy izao! Tsy ho ela velona aho! Avelao amin’izao aho fa fofona foana ny androko.
Indro, efa nataonao toy ny felatanana ny halavan’ny androko ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona mijoro rehetra. Fiatoana
Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy? Ary inona moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?
Fanasaziana noho ny fahadisoany no anitsianao ny olona ka manimba ny zavatra tiany tahaka ny ataon’ny kalalao Ianao. Eny, zava-poana tokoa ny olona rehetra. Fiatoana
Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona rehefa miala.
Entona fotsiny ny zanak’i Adama ary lainga ny zanak’olombelona; raha atao amin’ny mizana izy rehetra dia maivana noho ny entona.
Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny tenanao; eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
Dia nanapitra ny androny tao anatin’ny zava-poana Izy ary ny taonany tao amin’ny horohoro.
Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,
Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry ary ny fiavonavonan’ny olona dia hatao mitanondrika; fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
izay miteny zava-poana amin’ny vavany ary ny tanany havanana dia tanana havanana mamitaka.
Ary hoy Izy tamin’ny olona: Mitandrema ianareo ka miarova tena amin’ny fitiavan-karena; fa ny ain’ny olona dia tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
Afaho aho ka vonjeo amin’ny tanan’ny hafa firenena izay miteny zava-poana amin’ny vavany ary ny tanany havanana dia tanana havanana mamitaka.
Injany misy miteny hoe: Miantsoa! Ary hoy ny navaliny: Inona anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny hatsaran-tarehiny rehetra. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa tsofin’ny fofonain’NY TOMPO. Eny, ahitra tokoa ny olona: Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, tena zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
mba ho araka ny voasoratra hoe: «Izay mirehareha, aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9.23).
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao etỳ ambanin’ny masoandro, fa indro, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany.
Hoy aho anakampo: Aoka ianao mba hozahako toetra amin’ny fifaliana ka hahita ny atao hoe fahafinaretana; kanjo indro, zava-poana koa izany.
Dia hoy aho anakampo: Mitovy amin’ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy; koa nahoana ary aho no nanana tombom-pahendrena? Dia hoy aho anakampo: Izany koa dia zava-poana.
Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako ka indreo, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany fa tsy nisy nahasoa tetỳ ambanin’ny masoandro.
Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana.
Dia tonga halako ny miaina satria heveriko fa ratsy ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro ary zava-poana sy sambo-drivotra avokoa ny zava-drehetra.
Raha hitanao any amin’ny fari-piadidiana iray ny fampahoriana ny mahantra mbamin’ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
Ny eo am-pelatanana dia tsara noho ny nofinofy. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany.
Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny famitahana, ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsarety
Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo.
Rava ilay tanàna be fikorontanana. Mirindrina ny trano rehetra ka tsy azon’olona idirana;
dia ireo izay manameloka olona amin’ny teny, ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sady mamadika tsy amin’antony ny marina.
Fa «ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra ka mihintsana ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay» (Isa 40.6-8). Izany no tenin’ny Filazantsara izay notorina taminareo.
Indro, tena tsinontsinona ianareo, ary ny asanareo dia tena naman’ny zava-poana; fahavetavetana ny nifidianana anareo.
Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivotra sy zava-poana ny sampiny voarendrika.
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely.
Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo. Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena; Izy rehetra dia samy toerana iray ihany no alehany: Avy tamin’ny vovoka izy rehetra ary samy hiverina ho amin’ny vovoka ihany indray.
Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana; hazo nokapaina tany an’ala ireny, asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky;
Zava-poana ireny, dia asan-tanana mahatsikaiky sy tsinontsinona; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Fitopolo taona ny halavan’ny andronay ary raha toa ka mateza aza dia valopolo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny fa mihelina haingana izany ka lasa manidina izahay.
Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?
Ny mpaminaninao dia nilaza fahitana mandainga sy mamitaka ho anao sady tsy nampiseho ny helokao mba hiarovany anao tsy ho babo; eny, nahita faminaniana lainga sy fampivilian-tsaina ho anao izy.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy dia tsy mba nankalaza Azy, araka izay mendrika ho an’Andriamanitra, sady tsy mba nisaotra Azy; fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany ary nihamaizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
Ratsy mandrera-po koa izany fa tsy misy hafa amin’izay niaviany no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ny rivotra?
Misy mihambo ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona; misy kosa mody mahantra nefa manana harena be.
Fa inona no tombony azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa ho very ny ainy, na ho faty antoka amin’izany izy?
Izao no lazain’NY TOMPO: Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo Tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka zava-poana ka nanjary zava-poana koa izy?
kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo! Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo; miseho vetivety dia levona.
Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao.
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry.
Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy, fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
Koa izao no lazaiko sady ambarako marina ao amin’ny Tompo: Ny mba tsy handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny Jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsy fahalalana izay ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony,
Toy ny firefodrefotry ny tsilo ao ambanin’ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ny adala. Izany koa aza dia zava-poana.
Hita mantsy fa maty ihany ny olon-kendry ary ny adala sy ny kentrina koa dia samy lasa ka mamela ny fananany ho an’ny hafa. Heveriny fa haharitra mandrakizay ny tranony ary hahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny fonenany, satria izy no nanome anarana ny taniny. Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona dia tsy maharitra; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.
Tsy tsara ny mihinan-tantely be loatra na ny mitady voninahitra hanampy voninahitra.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
Fa «izay mirehareha dia aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9. 23). Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana fa izay derain’ny Tompo.
Araka ny hamaron’ny teny no maha maro ny zava-poana, koa inona no tombontsoa azon’ny olona? Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ny fiainana, amin’ny andro mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ny aloka? Iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aorianany etỳ ambanin’ny masoandro?
Nefa lehibe kokoa ny fahasoavana omeny, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Noho izany dia ny fireharehana no rojo iambozonany ary ny fanaovana an-keriny no lamba itafiany. Bongon-tavy ny masony; mihoa-pampana ny hevitra avy ao am-pony.
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;
Izao koa no zava-poana izay atao etỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan-javatra izay tokony ho anjaran’ny ratsy fanahy; ary misy ratsy fanahy mahazo izay tokony ho anjaran’ny marina. Hoy aho: Izany koa dia zava-poana. Dia noderaiko ny fifaliana satria tsy misy mahasoa ny olona etỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo ka izany no hanara-dia azy amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany izay nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro.
Ny fahatahorana NY TOMPO dia fitaizana mampahahendry ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.
Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna dia miari-tory foana ny mpiambina.
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Ary hitako etỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny mahery mandeha ny hazakazaka, tsy ho an’ny mahery ny ady, tsy ho an’ny hendry ny hanina, tsy ho an’ny mazava saina ny harena ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahatratra azy rehetra. Tsy fantatry ny olombelona ny fotoanany fa toy ny hazandrano azon’ny harato mandoza izy ary toy ny voronkely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory rehefa mahavoa azy tampoka izany.
Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota.
Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona, ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry; Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Aza matahotra ianao raha misy olona tonga manankarena ka mitombo ny voninahitry ny tranony; fa tsy hitondra na inona na inona izy raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
Indro ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary toy ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro ny nosy dia tahaka ny vovoka madinika entin’ny rivotra manidina. I Libanona aza, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy hatao fanatitra dorana manontolo. Toy ny tsinontsinona eo anatrehany ny firenena rehetra ka ataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana.
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; aza manome ahy fahantrana na harena; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy, fandrao raha voky aho dia handa ka hiteny hoe: Iza moa NY TOMPO? Ary andrao raha tonga mahantra aho dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fivadihana.
Indro ny lehilahy izay tsy nanao an’Andriamanitra ho heriny fa natoky ny haben’ny harenany ka nikikitra tamin’ny faharatsiany.
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny iray dia ho halany ary ny iray dia ho tiany; na ny iray dia hombany ary ny iray dia hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra;
Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana NY TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.
Tsy hita isa ny fitambaran’ny vahoaka, dia izay rehetra anjakany; nefa izay ho avy any aoriana dia tsy mba hahita fifaliana aminy. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra.
Fantatro anefa fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ananako ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ananako.
Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany.
Rehefa re izany rehetra izany dia izao no teny farany: Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zavamiafina tsy an-kanavaka, na soa na ratsy.