Isika rehetra indraindray mahatsapa ilay hoe tsy miraika, tsy mazoto, na reraka ara-panahy. Toy ny hoe misy rindrina mangatsiaka manasaraka antsika amin'ny hafa sy amin'ireo andraikitra ananantsika, na eto amin'ity fiainana ity na amin'ny finoantsika. Mahatonga antsika tsy hahatsapa ny fijalian'ny hafa izany, ka lasa tsy miraika amin'ny olana sy ny tsy rariny manjo azy ireo isika.
Rehefa tratran'izany tsy firaikana izany isika dia mihena koa ny fitiavantsika sy ny fahalianantsika amin'ireo zavatra tiantsika hatao. Very hery sy fahazotoana hikatsaka ny tanjontsika isika, ka mety hifanaraka amin'ny fiainana tsy misy dikany loatra, tsy te-hiezaka na handroso intsony.
Soa ihany anefa fa tsy voatery ho tratran'izany mandrakizay isika. Ao amin'i Jesosy dia mahita hery isika handresena izany tsy firaikana izany. Araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly (Filipiana 4:13), dia "Mahavita ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mampahery ahy". Izy no manome antsika hery hitsangana sy handroso, na dia rehefa tsy te-hihetsika aza isika.
Koa mahereza! Mivavaha amin'Andriamanitra, ary mijora tsara amin'ny antso niantsoany anao. Tadidio fa afaka mandresy ny zava-drehetra ianao ao amin'i Kristy, satria Izy no mampahery anao.
mba tsy ho ketraka ianareo fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.
Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Aleo mangatsiaka na mafana ianao! Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka dia mila haloan’ny vavako ianao.
Fa hahafaty ny kely saina ny fihemorany, ary ny tokitoky foanan’ny adala no handringana azy.
Ry zanak’olona, ianao dia monina eto amin’ny taranaka maditra izay mana-maso hahitana nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana nefa tsy mandre, fa taranaka maditra izy.
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay dia niteny hentitra taminareo hoe: Raha misy tsy mety miasa dia aoka izy tsy hihinana.
Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao.
Noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny nametrahako ny tanako taminao.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay dia niteny hentitra taminareo hoe: Raha misy tsy mety miasa dia aoka izy tsy hihinana. Renay mantsy fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara ka tsy miasa akory fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona. Izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara am-pilaminana ka hihinana izay azy ihany.
Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.
Ho tonga mahantra ny miraviravy tanana amin’ny asany, fa mampanankarena ny tanan’ny mazoto. Izay manangona amin’ny fararano no olona hendry; fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no olona mampahamenatra.
Fa hevero tsara ilay niaritra ny fanoherana nataon’ny mpanota Taminy, fandrao ho ketraka ianareo ka ho reraka ny fanahinareo.
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory; dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana.
Noho izany indrindra dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, koa amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo izany zavatra izany sady anananareo betsaka dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Tokony hanao izany indrindra isika satria fantatsika ny fotoana, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny, ny famonjena antsika dia akaiky noho ny fony vao nino isika.
Ary ny tompony dia namaly azy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nanelezako;
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.
Aoka hisikina ianareo, ary aoka hirehitra ny jironareo; aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, koa nony tonga sy mandondòna izy dia vohàny miaraka amin’izay.
Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony ka mba hendre. Tsy manana komandy, na mpanara-maso, na mpanapaka izy, nefa mamory ny haniny amin’ny fahavaratra, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.
Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny olona iray izay handeha ho any an-tany lavitra ka niantso ny mpanompony dia nanolotra azy ireo ny fananany: Koa ny iray dia nomeny talenta dimy, ny iray dia talenta roa ary ny iray dia talenta iray, samy araka izay fahaiza-manaony avy; dia lasa nandeha izy. Avy hatrany dia lasa ilay nandray ny talenta dimy ka nampiasa izany; ary nahazo tombony talenta dimy hafa izy. Toy izany koa, ilay nandray ny talenta roa dia nahazo tombony roa. Fa ilay nandray ny talenta iray kosa dia lasa nihady tany ka nanafina ny volan’ny tompony tao. Nony ela dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ary nampamoaka azy ireo ny amin’ny volany. Ny dimy tamin’ireo dia adala fa ny dimy kosa dia hendry. Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Nanatona koa ilay nandray ny talenta roa dia niteny hoe: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa hafa aho. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voa tsy ary ianao ka mijinja eny amin’izay tsy namafazanao sady manangona eny amin’izay tsy nanelezanao; dia natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany; indro, lasanao ny anao. Ary ny tompony dia namaly azy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nanelezako; koa tokony ho nametraka ny volako tany amin’ny mpampisambo-bola ianao, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zana-bola. Koa alao eny aminy ny talenta dia omeo ilay manana ny talenta folo. Fa izay rehetra manana dia homena ka hanam-be; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Fa nandray ny fanalany ny adala nefa tsy nitondra solika fiandry; Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Tanteraho hatramin’ny farany ary izany, koa tahaka ny fahazotoanareo tamin’ny famolavolana ny asa dia aoka koa ho tahaka izany ny fanatanterahana azy, araka izay anananareo.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Maniry zavatra ny kamo, nefa tsy mba mahazo na inona na inona, fa ny mazoto kosa dia hanana ny feno.
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona.
Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo
Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô! Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho; fa zavatra iray loha no ataoko: Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha; eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa dia ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa dia mitady ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary dia mihazakazaka aho, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Koa dia ataontsika ho voninahitra ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra ao amin’ny tena isika na ivelan’ny tena.
Ho tonga mahantra ny miraviravy tanana amin’ny asany, fa mampanankarena ny tanan’ny mazoto.
Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; Mihainoa ry lanitra! Atongilano ny sofinao ry tany! Fa NY TOMPO no miteny hoe: Nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo nikomy Tamiko ireo. fa raha mbola mandà sy mikomy ihany ianareo dia ho lanin’ny sabatra. Ny vavan’NY TOMPO no niteny.
Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fitoeran’ny maty izay alehanao.
Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Jesosy, ny amin’ny tokony hivavahany mandrakariva ka tsy ho reraka,
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo hatramin’izay, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra mba hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo izay nitondra ny fanalany ka niainga mba hitsena ny mpampakatra. Nefa raha mbola lasa nividy izy ireo dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady dia narindrina ny varavarana. Taorianan’izany vao tonga kosa ireo virijiny sisa ka niteny hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay! Fa hoy izy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona. Mazotoa mihevitra ireo zavatra ireo dia mikeleza aina fatratra amin’izany mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina ka tsy mahazo miasa ny olona.
Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka izany koa.
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko! Tompoko! Nefa tsy manatanteraka izay lazaiko?
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny; ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo ka hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra hahafantatra tsara izay sakany, lavany, haavony ary halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao ary tohàny fanahy mazoto aho!
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Fa ny firehetako ny amin’ny tranonao no naha ritra aina ahy ary ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
Misisiha hiditra amin’ny varavarana ety ianareo; fa hoy Aho aminareo: Maro no hitady hiditra fa tsy ho afaka.
Ny kamo dia tsy mety miasa tany amin’ny ririnina, saingy amin’ny fararano dia hangataka izy nefa tsy hahazo.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.
Fa avy ny fotoana sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; satria ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy;
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5). Izany no didy lehibe sady voalohany.
Ny lalan’ny malaina dia toy ny fefy tsilo, fa ny lalan’ny marina dia lalambe voalamina tsara.
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo.
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako! Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao ary tohàny fanahy mazoto aho! Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho, koa ny mpanota dia hiverina aminao. Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, dia hihoby ny fahamarinanao ny lelako. Tompo ô, sokafy ny molotro dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Manaova soa amin’i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’i Jerosalema! Dia ho sitrakao ny fanatitra amim-pahamarinana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra levonina amin’ny afo ary hanatitra vantotra ombilahy eo amin’ny alitaranao ny olona. Sasao madio aho mba ho afa-keloka ary diovy aho mba ho afa-pahotana!
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Ampaherezonareo ny tanana miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy; Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko; mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko.
Any ianao no hitady NY TOMPO Andriamanitrao ka hahita Azy raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka dia maka azy an-keriny.
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!