Andriamanitra ô, amin'ny fahendreny tsy manam-petra, dia mampiharihary amintsika ao amin'ny Soratra Masina fa ny ozona dia vokatry ny fahotana sy ny fialana amin'ny sitrapony masina. Hatramin'ny niandohan'ny olombelona, fony i Adama sy i Eva tsy nankatò an'Andriamanitra tao amin'ny Saha Edena, dia niditra teto an-tany ny ozona.
Taratry ny fitsaran'Andriamanitra marina ny ozona, izay miseho ho toy ny voka-dratsin'ny fialantsika amin'Andriamanitra sy ny fanarahantsika ny lalantsika manokana. Ao amin'ny Genesisy, rehefa avy nanota ny olombelona, dia hoy Andriamanitra: "Voaozona ny tany noho ny nataonao; hihinana amin'ny tany ianao amin'ny fahatsembohan'ny tavanao amin'ny andro rehetra hiainanao" (Genesisy 3:17). Tsy i Adama sy i Eva ihany no niharan'izany ozona izany, fa ny olombelona rehetra koa. Nanomboka teo dia nisy ny fijaliana, ny fahoriana ary ny zava-tsarotra teo amin'ny fiainan'ny olombelona.
Na dia teo aza anefa ny ozona niditra teto an-tany, dia manolotra vahaolana amintsika Andriamanitra, amin'ny fitiavany sy ny famindram-pony lehibe. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, izay nitondra ny ozon'ny fahotana teo amin'ny hazo fijaliana, no ahafahantsika afaka amin'izany enta-mavesatra izany, araka ny voalaza ao amin'ny Galatiana hoe: "Kristy nanavotra antsika tamin'ny ozon'ny lalàna, satria natao ozona Izy hamonjy antsika" (Galatiana 3:13). I Jesoa no tonga ozona hisolo antsika, nitondra ny sazy tokony ho nihatra tamintsika.
Noho izany, rehefa mijery an'i Jesoa Kristy isika ka mandray Azy ho Mpamonjy antsika, dia afaka miaina ny fanafahana amin'ny ozona ary miditra amin'ny fiainam-baovao ao amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra. Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa ao amin'i Kristy isika dia zava-baovao: "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia zava-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao ireo" (2 Korintiana 5:17).
Kristy no nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna satria tonga voaozona hamonjy antsika Izy; fa voasoratra hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo» (Deo 21.23),
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana.
Fa raha tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalànany, izay omeko anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
Ho voaozona ianao ao an-tanàna ary ho voaozona ianao any an-tsaha. Ho voaozona ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. Ho voaozona ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao. Ho voaozona ianao raha miditra ny tranonao ary ho voaozona koa ianao raha mivoaka avy ao.
Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa tsy hataon’NY TOMPO ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny.
Indro aho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: Fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo izay omeko anareo anio; nefa ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny lalana izay asaiko andehananareo anio ianareo ka hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo.
Avy amin’ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’NY TOMPO ny fony.
Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’NY TOMPO atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo ary hamavoinareo ny didiko na halan’ny fanahinareo ny fitsipiko ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra fa ivadihanareo ny fanekeko dia izao no hataoko aminareo: Hasiako fampitahorana aminareo, dia aretina mahasaozanina sy tazo mahamay izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena. Ho voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay manakisaka ny faritry ny tanin’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Amin’ny andro izay hitànareo an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ho anao ka lalory sokay; Ho voaozona izay mandry amin’ny vadin’ny rainy satria mandry amin’izay nandrian’ny rainy izy. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny biby. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, dia ny zanakavavin’ny rainy, na ny zanakavavin’ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandry amin’ny rafozambaviny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mamely ny namany any amin’ny takona. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay mandray kolikoly hahafaty olona tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena. Ho voaozona izay tsy mankatò ny tenin’ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
Tratry ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia ianareo firenena iray manontolo izao.
Hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria nihaino ny feon’ny vadinao ianao ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza mihinana avy amin’izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany amin’ny andro rehetra hiainanao.
Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Hataoko ahoana no ho fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no ho tezitra amin’izay tsy nitezeran’NY TOMPO?
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ny tany rehetra; araka izany, izay rehetra mangalatra dia horoahina tsy ho eto; araka izany koa, izay rehetra manao fianianana tsy marina dia horoahina tsy ho eto. Avelako handeha izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy.
Ny tenin’ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; izay tezeran’NY TOMPO no ho latsaka ao.
Toy ny voronkely mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, dia toy izany ny fanozonana tsy amin’antony: Tsy mba hihatra izany.
Hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny;
Raha tsy mihaino Ahy ianareo, raha tsy mandatsaka am-po ka tsy manome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia halefako hamely anareo ny ozona ka hozoniko ny tsodrano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’izao fanekena izao,
Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany ary hilanja ny valin-kelony ny mponina ao aminy; voadoro ny mponina amin’ny tany ka olona vitsy foana no sisa ao.
Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka.
Halefan’NY TOMPO aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’izay rehetra ataon’ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao haingana noho ny faharatsian’ny nataonao tamin’ny nahafoizanao Ahy. Hampiraiketin’NY TOMPO aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ny tany izay hidiranao holovana. Areti-mahasaozanina, tazo mahamay, fahamaizana, hafanana mangotraka, andro mihantona ary vary main’ny hafanana na maty fotsy no hamelezan’NY TOMPO anao; dia hanenjika anao ireny ozona ireny mandra-pahalany ritra anao.
fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana.
Tia ozona izy ka nanody azy izany; tsy tia fitahiana izy ka nanalavitra azy izany. Nitafy ozona tahaka ny lambany izy ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany ary tao amin’ny taolany tahaka ny diloilo;
Raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka vonoina ary ahantona amin’ny hazo dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’iny ihany izy; fa voaozon’Andriamanitra izay mihantona amin’ny hazo; koa aza lotoina ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao.
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho tonga zavatra voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany satria zavatra voaozona.
Ary tsy hisy ao intsony ny zaza minono fohy andro, ary tsy hisy lahiantitra izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota izay mahatratra zato taona dia ho toy ny voaozona.
Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona ary Israely ho latsa.
Hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria nihaino ny feon’ny vadinao ianao ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe: Aza mihinana avy amin’izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany amin’ny andro rehetra hiainanao. Haniry tsilo sy songosongo ho anao ny tany ary ny anana eny an-tsaha no hohaninao. Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, mandra-piverinao any amin’ny tany; fa avy amin’ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao ary hiverina ho amin’ny vovoka indray.
Ankehitriny dia voaozona ianao ka hiala amin’ny tany fonenana izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao. Koa raha miasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izany ka ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.
Izay milaza amin’ny meloka hoe: Marina ianao, dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena;
Ary tsy hety hamela ny helony NY TOMPO, fa hanetroka amin’izany lehilahy izany ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, koa hovonoin’NY TOMPO tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anarany. Izany dia fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. Dia hosarahin’NY TOMPO amin’ny firenen’Israely rehetra izy mba ho amin’ny loza, araka ny fanozonana rehetra amin’ny fanekena izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.
Fa ny sabatro dia mamo any amin’ny lanitra; indro, hidina ao amin’i Edoma izy sy amin’ny firenena voatendriko ho zavatra voaozona mba ho fitsarana azy.
Ny olona izay manota no ho faty. Ny zanaka dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray dia tsy hitondra ny heloky ny zanany. Ny fahamarinan’ny marina dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa dia ho aminy ihany.
satria tsy nitsena anareo tamin’ny mofo sy rano teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Ejipta ianareo, ary satria nanangoly an’i Balama, zanak’i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo dia aoka ho voaozona izy. Araka ny efa voalazanay no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.
Ozòny i Meroza, hoy ilay Anjelin’NY TOMPO, ozòny tanteraka ny mponina ao! Satria tsy mba tonga nanampy NY TOMPO izy, eny, tsy nanampy NY TOMPO niaraka tamin’ireo mpiady mahery.
Hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy izay mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona izay mania miala amin’ny didinao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka miteny hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ny amin’ny hitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay nomeny anao.
ny masony dia feno fijangajangana ary tsy mety mitsahatra amin’ny fahotana; mamitaka ny tsy miorina tsara izy; zatra amin’ny fitiavana harena maloto ny fony; olona voaozona izy.
Fa izy dia niverina nankany amin’ny heloky ny razany izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamanitra hafa izy ka nanompo azy. Nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin’ny razany, ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hahatonga loza aminy, izay tsy azony andosirana Aho; ary na dia hitaraina Amiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho.
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànanao.
Hamela ny anaranareo ho fanozonana amin’ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao NY TOMPO Andriamanitra. Fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ity boky ity, mba hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: NY TOMPO Andriamanitrao, dia hataon’NY TOMPO mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, izay kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
Manamavo Ahy ao amin’ny oloko ianareo noho ny varimbazaha eran’ny tanana ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny ain’olona izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny ain’olona izay tsy tokony hovelomina, amin’ny andainganareo amin’ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany.
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.
Manozona izy ireo fa mitahy kosa Ianao; mitsanga-menatra izy fa mifaly kosa ny mpanomponao.
Ary nitodika izy ka nahita azy dia nanozona azy tamin’ny anaran’NY TOMPO. Dia nisy bera vavy roa avy tany an’ala namiravira roa amby efapolo tamin’ireo ankizilahy madinika ireo.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Toy ny nampidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponina any Jerosalema dia toy izany no hampidinana ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana ary ho fanozonana sy ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Lozan’ny zaza maditra! Hoy NY TOMPO. Manao tetikasa izy nefa tsy avy Amiko izany, ary manao fanekena izy nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, ka ota anampy ota izany! fa miteny amin’ny mpahita izy hoe: Aza mahita! Ary amin’ny mpaminany hoe: Aza maminany zavatra marina aminay, manaova teny malefaka aminay, maminania fitaka! Mialà amin’ny lalana, mivilia amin’ny sakeli-dalana, atsaharo tsy ho eo anoloanay intsony ny Iray Masin’ny Israely! Koa izao no lazain’ny Iray Masin’ny Israely: Satria mandà izany teny izany ianareo sady matoky ny herisetra sy ny fiolakolahana ka miankina amin’izany, dia ho toy izao ity heloka ity eo aminareo: Tahaka izay mivava efa mila hianjera ka mivohitra amin’ny manda avo, ary ho tampoka dia tampoka no haharavany. Hopotipotehina tahaka ny fahapotipotiky ny vilanin’ny mpanefy tanimanga izy; homontsamontsanina tsy misy indrafo; ary tsy hisy vakiny ho tavela ka mbola ho azo angalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano. Fa izao no lazain’ny Tompo, dia NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fahanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo. Nefa tsy nety ianareo! Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo. Handositra toy ny olona tokana ny arivo raha rahonan’ny olona iray; eny, handositra ianareo raha rahonan’ny dimy, mandra-pahatongan’ny sisa aminareo ho tahaka ny tsato-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana. Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy! Fa ianao ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony! Fa hamindra fo aminao tokoa Izy noho ny feon’ny fitarainanao; eny, raha vao reny izany dia hamaly anao Izy. Mandeha midina ho any Ejipta izy nefa tsy nanontany ny hevitro, hiery any amin’ny fiarovana mafin’ny farao sy hitady fialofana ao amin’ny alokalok’i Ejipta. Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo; tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao; hahita ny Mpampianatra anao ny masonao. Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano. Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy. Hanome ranonorana ho an’ny masomboly izay nafafinao tamin’ny tany Izy, ary ny hanina vokatry ny tany dia sady ho tsara no mahavoky; ary amin’izany andro izany dia hihinana eny amin’ny tany malalaka ny ombinao. Ny omby sy ny boriky tanora izay miasa ny tany dia hihinana vilona voaisy sira izay voatsikerakera amin’ny angady rovi-dela sy ny fikororohana. Ary amin’ny andro lehibe famonoana, amin’ny fianjeran’ny tilikambo fiambenana, dia hisy lakandrano sy rian-drano hikoriana any an-tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra. Ny hazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny hazavan’ny masoandro dia ho avo fito heny ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’NY TOMPO ny fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy. Indro, avy any lavitra any ny anaran’NY TOMPO, mirehitra ny fahatezerany sady mavesatra no mandrahona; feno hatezerana ny molony, ary tahaka ny afo mandevona ny lelany; ny fofonainy tahaka ny riaka dia manafotra hatreny am-bozona; hanivana ny firenena amin’ny sivana fandevonana Izy; ho lamboridy mampivily eo amin’ny valanoranon’ny olona izany. Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely. Kanjo ho tonga henatra ho anareo ny fiarovana mafin’ny farao, ary ho fanalam-baraka anareo ny fialokalofanareo ao amin’ny alokalok’i Ejipta.
Hanandrina izany olona izany ny tavako ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho oha-teny, ary hofongorako tsy ho eo amin’ny oloko izy dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
nefa ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny lalana izay asaiko andehananareo anio ianareo ka hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo.
Izaho dia nahita olona adala mamaka, nefa vetivety indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho.
Araka izay nifalian’NY TOMPO taminareo mba hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany koa no hifalian’NY TOMPO handringana sy handrava anareo; fa hofongorana tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana ianareo. Dia haelin’NY TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianao; any no hanompoanao andriamanitra hafa, vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao akory.
Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandrianany! Ary nony maraina ny andro dia manatanteraka izany izy satria manan-kery ny tanany. Mitsangàna ka mialà! Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto; eny, fandringanana mafy. Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity. Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, ary hanangona ny sisa amin’ny Israely. Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy, toy ny andian’ondry ao amin’ny tany fiandrasana. Hisy tabataban’olona marobe. Ny mpamaky lalana no miakatra eo alohany, mamaky lalana izy ka mandalo eo amin’ny vavahady dia mivoaka avy eo aminy; mandroso eo alohany ny mpanjakany, ary NY TOMPO no mitarika azy. Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, ary mitsiriritra trano koa ka mahazo azy; mampahory ny raim-pianakaviana mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany. Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, manomana loza hamelezana ity firenena ity Aho, dia loza tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo ka tsy handeha miandranandrana ianareo, satria andro mampahory izany.
Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy.
Ho varahina ny lanitra eo ambonin’ny lohanao ary ho vy ny tany eo ambaninao. Hataon’NY TOMPO vovoka sy jofo ny ranonorana ho amin’ny taninao; avy any an-danitra no hidinan’izany aminao mandra-paharinganao.
dia izao no lazain’NY TOMPO: Raha velona koa Aho dia hanao araka ny fahatezerana sy ny fialonana izay nasehonao tamin’ny fandrafiana azy; ary hampahafantariko azy ny tenako rehefa mitsara azy Aho. Dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO no efa nandre ny fanaratsiana izay nolazainao ny amin’ireny tendrombohitry ny Israely hoe: Tonga tany foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay. Nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo ary nanamaro ny teninareo namely Ahy, ary reko avokoa izany. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa mifaly ny tany manontolo dia hataoko tany foana kosa ianao. Toy ny nifalianao ny amin’ny lovan’ny taranak’Israely, satria tonga tany foana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Hataoko tonga tany foana ianao, ry tendrombohitra Seìra sy Edoma rehetra; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Israely? Moa hita fa naman’ny mpangalatra va izy no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
Hiteraka zazalahy sy vavy ianao nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin’ny valala.
Noho ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy honenana i Babilona fa ho tonga tany lao avokoa; izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
Azo antoka fa tsy maintsy handray ny saziny ny ratsy fanahy, fa ny taranaky ny marina no ho afa-doza.
Lozan’izay mamoaka lalàna mampidi-doza sady mampanoratra didy fampahoriana Tahaka ny nahatraran’ny tanako ny fanjakan’ny andriamanitra tsy izy na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sarin-javatra voasokitra ao aminy, moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa? Kanefa rehefa vitan’ny Tompo ny asany rehetra ao amin’ny tendrombohitra Ziona sy i Jerosalema dia hovaliako kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asiria sy ny fireharehan’ny masony miandranandrana. Satria hoy izy: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho; nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny harenany, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka. Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka. Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo! Koa izany no handefasan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, fahiazana amin’ny tremalahiny. Ary ao ambanin’ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo. Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja; ary holevoniny tanteraka ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra. Ho tahaka ny fitofezaky ny marary mafy izany. Ho vitsy ny hazo sisa any an’alany ka na zazakely aza dia hahasoratra ny isany. mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty! Amin’izany andro izany, ny Israely sisa izay tsy ringana amin’ny taranak’i Jakoba, dia tsy hiankina amin’izay namely azy intsony; fa NY TOMPO, Iray Masin’ny Israely, ihany no hiankinany marina tokoa. Ary izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina ho amin’Andriamanitra mahery. Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Israely olonao dia izay sisa aminy ihany no hiverina. Efa tapa-kevitra ny handringana ny Tompo ka hampihatra ny famaliana marina. Eny, tapaka fa haringan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ny tany manontolo. Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta. Nefa kely sisa dia hitsahatra ny fahavinirana, ary handringana azy kosa ny fahatezerana. Eny, hamely azy amin’ny karavasy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tahaka ny namelezana ny Midianita teo amin’ny vatolampy Oreba; ary haingainy eny ambonin’ny ranomasina ny tsorakazony, tahaka ny nataony tamin’ny Ejipta. Ary amin’izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany, ho afaka amin’ny vozonao ny bao fitondrana entany, ho simba ny bao fitondrana entany noho ny fihatavezanao. Injao, tonga any Aiata izy, mamakivaky an’i Migrona ary mametraka ny entany ao Mikmasy. Mandalo ao an-kadilanana izy. Ao Geba isika no handry! Hoy izy. Mangovitra i Rama, mandositra i Gibean’i Saoly. Inona no hataonareo amin’ny andro famaliana, rehefa ho tonga avy any lavitra ny fandringanana? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny voninahitrareo?
Mitandrema eo anatrehany ka mihainoa ny feony ary aza manao izay mahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy satria ny anarako no ao Aminy.
Ireny olona ireny no hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Mampahatezitra Ahy ianareo amin’ny asan’ny tananareo sy amin’ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa any amin’ny tany Ejipta izay alehanareo hivahiniana. Izany no haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
Voan-javatra betsaka no hoentinao hambolena any an-tsaha nefa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ny valala ireny. Hanao tanim-boaloboka sy hiasa azy ianao nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka eo, fa ho lanin’ny fositra ireny.
Fa hitsangana hamely azy Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Hofoanako ny anaran’i Babilona sy izay sisa ao mbamin’ny zanany sy ny taranany, hoy NY TOMPO. Hataoko fonenan’ny sokina sy ho honahona izy ary hofafako amin’ny kifafa fandringanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ny herin’ny sabatra izy ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; ary aoka haripaky ny aretina ny lehilahy lehibe ao aminy ary ho fatin-tsabatra amin’ny ady ny zatovony.
Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana. Satria nandà ny fahalalana ianao, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Tsy hisy ozona intsony, ary ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no ho ao aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
Ary NY TOMPO efa nandidy ny aminao hoe: Tsy hisy intsony taranaka hamelo-maso ny anaranao; halaiko tsy ho ao amin’ny tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika; hanao fasana ho anao Aho satria hita fa latsa-danja ianao.
Nanompo ny sampiny izy ka tonga fandrika ho azy izany. Namono ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo; eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy. Naloto tamin’ny asany izy ary nahatonga azy ho nijangajanga ny nataony.
ka main’ny hafanana be ny olona. Dia niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra izay manana fahefana amin’ireny loza ireny, izy, sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
Moa tsy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
dia indro, hatsotrako aminao ny tanako ka hatolotro ho babon’ny Jentilisa ianao; hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao ka hataoko lany ritra tsy ho amin’ny tany; eny, haringako ianao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
tamin’ny fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’NY TOMPO azy tsy ho eo amin’ny taniny sady nampandehanany azy ho any amin’ny tany hafa, tahaka ny amin’izao anio izao.
sady niteny hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’Ineny ary mitanjaka no hiverenako any; NY TOMPO no nanome ary NY TOMPO no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’NY TOMPO! Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota i Joba na nanome tsiny an’Andriamanitra.
Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira, fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina.