Indro ry zareo noheverin’izao tontolo izao ho tsinontsinona sy ambany indrindra no nofidin’Andriamanitra, dia izay atao hoe tsinontsinona, mba hahafoana izay misy, mba tsy hisy olona hirehareha eo anatrehany. Tsarovy isan’andro eo amin’ny fiainanao fa mila an’Andriamanitra ianao ary miankina amin’ny fitiavany mahatoky, satria izay mirehareha amin’ny tenany dia mihevitra fa mahavita ny zavatra rehetra irery, matoky ny fahaizany sy ny heriny.
Tian’Andriamanitra hiaina tsy misy fireharehana ny zanany satria ny mpiavonavona dia jereny lavitra, fa ny mahafantatra fa tsy mahavita miaina raha tsy eo anatrehany kosa no omeny fahasoavana. Rehefa te-hanandra-tena ianao dia tsarovy izay maha-ianao taloha, fony ianao mbola tsy nanana an’Andriamanitra, jereo ny hatsaram-panahiny taminao, ary omeo an’i Jehovah ny voninahitra sy ny fiderana rehetra, satria haizina ianao taloha, fa ankehitriny kosa dia efa mazava tsara ny fiainanao, koa aza mirehareha na amin’inona na amin’inona, satria ny zavatra rehetra anananao sy maha-ianao anao dia vokatry ny fahasoavana be dia be izay naidiny taminao. (1 Korintiana 1.28-29)
Aza mahery miteny an’avona ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana, fa NY TOMPO no Andriamanitry ny fahalalana ary Izy no mandanja ny asa.
mba ho araka ny voasoratra hoe: «Izay mirehareha, aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9.23).
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao, fa na dia ny havoakan’ny anio aza dia tsy fantatrao.
Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana.
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,
Aiza ary ny fireharehana? Foana izany. Amin’ny lalàna manao ahoana? Amin’ny lalànan’ny asa va? Tsia, fa amin’ny lalànan’ny finoana.
Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina ny zavatra rehetra taminareo dia tonga marina koa ny reharehanay tamin’i Titosy ny aminareo.
ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
Fa izao, mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny tenanao; eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
Fa ny amiko dia sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany no naha voahombo an’izao tontolo izao raha ny amiko, ary naha voahombo ahy raha ny amin’izao tontolo izao.
tsy mirehareha mihoatra ny tokony ho izy izahay ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia mihalehibe ao aminareo koa izahay, araka izay voafaritra ho anjaranay, sady mbola handroso ihany
Mirehareha ny ratsy fanahy fa nahazo izay niriny ary mahafoy sy mamingavinga NY TOMPO ny mpierina.
Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana ny olona izay mirehaka mampanantena fanomezana tsy misy akory.
Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna?
Fa ny haben’ny fisasarana no mahatonga ny nofinofy, ary ny haben’ny teny no isehoan’ny rediredin’ny adala.
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO.
Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota.
Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Raha asa tokoa mantsy no nanamarinana an’i Abrahama dia misy hireharehany ihany, saingy tsy eo anatrehan’Andriamanitra.
Noho izany dia ny fireharehana no rojo iambozonany ary ny fanaovana an-keriny no lamba itafiany.
Aoka hizaha toetra ny asany avy ny olona rehetra, mba ho amin’ny tenany ihany izy no afaka hirehareha, fa tsy amin’ny olon-kafa;
Ary namaly ny mpanjakan’ny Israely hoe: Izao no holazainareo aminy: Aoka izay vao misikina hiady mba tsy hirehareha toy izay efa mamaha fehikibo avy niady!
Hoy aho tamin’ny mpirehareha: Aza mirehareha! Ary tamin’ny ratsy fanahy: Aza manandra-tandroka!
Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry ary ny fiavonavonan’ny olona dia hatao mitanondrika; fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra miavonavona am-po; azo antoka fa tsy ho afa-tsiny izy ireo.
Toy izany koa ny lela, taova kely izy kanefa mirehareha fatratra. Indro afo kely monja dia mahadoro ala lehibe! Afo koa ny lela, faharatsiana tsy hita lany: Eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mandoro izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny afobe izy.
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Aza matahotra ianao raha misy olona tonga manankarena ka mitombo ny voninahitry ny tranony; fa tsy hitondra na inona na inona izy raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
Eo am-bavan’ny adala dia misy tsirin’ny fiavonavonana, fa ny molotry ny hendry kosa miaro azy.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Fa tsy sahy hilaza ny tenanay ho isan’ny sasany izay midera tena izahay, na koa hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenany amin’ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
Ny fireharehan’ny fon’ny olona dia mialoha ny faharavana, fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; izay miandranandrana sy miavonavona am-po dia tsy zakako.
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana, fa ao amin’izay mino anatra no misy ny fahendrena.
Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy, fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonany noho ny hatsaran-tarehy rehetra, sy hanalany ny voninahitr’izay rehetra ankalazaina amin’ny tany.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?
Aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy manohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana!
Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina,
Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao ary aza mialona ny mpanao heloka, Rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ratsy fanahy intsony! Handinika ny fonenany ianao fa tsy ho ao intsony izy! Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Manao hevi-dratsy hamelezany ny marina ny ratsy fanahy ka mihidy vazana aminy. Mihomehy azy ny Tompo satria hitany fa ho tonga ny androny. Nanatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny mahantra ary hamono ny mahitsy lalana. Hitsatoka amin’ny fony ihany ny sabany ary ho tapatapaka ny tsipìkany. Tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina iray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro; ho tapatapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy, fa NY TOMPO manohana ny marina. Fantatry NY TOMPO ny andron’ny olo-mahitsy ary ho mandrakizay ny lovany. Tsy mba hitsanga-menatra ireny amin’ny andro fahoriana ary amin’ny taona misy mosary dia ho voky izy. fa maina vetivety tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
Raha adala ianao ka nanandra-tena, nefa mba nieritreritra, dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao.
Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Rehefa tonga ny fiavonavonana dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny manetry tena no misy ny fahendrena.
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry.
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana NY TOMPO; ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny lalana ratsy ary ny teny lainga dia samy halako avokoa.
Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana manontolo?
Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po;
dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fampiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
Aza faly raha lavo ny fahavalonao, ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy; fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany, ary esoriny aminy ny fahatezerany.
fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny toetrany. Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; kanjo tsy sitrany akory ianao.
Fa na dia avo aza NY TOMPO dia mijery ny manetry tena ary ny mpiavonavona dia fantany eny lavitra eny.
Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo. Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy? Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
Fa hoy izy: Tsy mijery NY TOMPO, tsy mandinika ny Andriamanitr’i Jakoba! Mba mandiniha, ianareo olona ketrina; ary ianareo kely saina, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
ka niteny hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy. Nefa tsy nety izy fa lasa nampiditra azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa. Nony hitan’ireo mpanompo namany izay efa nataony dia nalahelo indrindra izy ireo ka nandeha nanao tatitra tamin’ny tompony momba ny zava-niseho rehetra. Dia nampiantsoin’ny tompony Ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko manontolo ny trosa taminao satria nifona tamiko ianao; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza ity dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena isika, ary ny marina tsy ato anatintsika.
Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampijoroina ihany izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
Arodan’NY TOMPO ny tranon’ny mpiavonavona, fa ataony mafy orina ny fanamarihana ny zaratanin’ny mpitondratena.
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana.
Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin’ny foko manontolo no itandremako ny didinao.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao. Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana. Jereo ny havaventin’ny soratra izay soratan’ny tanako ho anareo. Na iza na iza te hiseho ho tsara amin’ny nofo dia ireo no manery anareo hoforana, noho izao ihany: Fandrao enjehina noho ny hazofijalian’i Kristy izy. Na ny tenan’izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa ianareo dia tiany hoforana koa, mba hireharehany amin’ny nofonareo. Fa ny amiko dia sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany no naha voahombo an’izao tontolo izao raha ny amiko, ary naha voahombo ahy raha ny amin’izao tontolo izao. Samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny maha olom-baovao ihany. Ny fiadanana sy ny famindrampo anie no ho an’izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity sy ho amin’ny Israelin’Andriamanitra. Aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony amin’izao sisa izao; fa izaho dia mitondra ny marik’i Jesosy eo amin’ny tenako. Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena! Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.
Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka ary aza mijoro eo amin’ny toeran’ny lehibe; fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara etỳ! Toy izay atambotsotra eo imason’ny manankaja izay hitan’ny masonao.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena, fa ny mahantra izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna? Fa araka ny voasoratra dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa.
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany ary ataony vaventy ny morontongotr’akanjony. Ary tia ny fitoerana eny anoloana any amin’ny fanasana, sy ny fipetrahana eny anoloana eo amin’ny sinagoga izy ary koa ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena sy ny hataon’ny olona hoe: Raby ô!
Nahoana no mandoka tena amin’ny fanaovan-dratsy ianao, ry ilay mahery? Ny famindrampon’Andriamanitra dia maharitra amin’ny andro rehetra. Loza no foronin’ny lelanao tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka! Tia ny ratsy noho ny tsara ianao ary ny lainga noho ny miteny ny marina. Fiatoana.
Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay, fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.
Fa mifananara isanandro raha mbola atao hoe Anio, fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.
Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka hesoriko ny singan’ahitra eo amin’ny masonao; nefa indro ny andry dia eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, fa amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Ary nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana koa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.
Nefa lehibe kokoa ny fahasoavana omeny, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Ny ratsy fanahy dia mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy! Tsy misy Andriamanitra! Izany no tontalin-keviny.
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara. Aoka ho tonga saina tsara ary aza manota; fa tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra ny sasany; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Aza mihaino izay teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao satria fantatrao tsara fa matetika ny tenanao koa dia mba efa nanozona ny sasany ihany.
Fahendrena no ao amin’izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra dia mampiharihary ny hadalany.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.