Ry sakaiza, fantatrao ve fa tena faly Andriamanitra rehefa mitandrina ny fonao ianao ary manokatra ny vavanao hivavaka sy hidera Azy? Tian’Andriamanitra mihitsy rehefa mitantara ny fahagagana nataony sy ny asany tsy tambo isaina isika. Tsy tia lainga sy fitaka anefa Izy.
Tsy tiany koa ny olona manao ratsy sy manaratsy ny namany. Zavatra maharikoriko eo imason’i Jehovah izany. Ny fitenenan-dratsy, ny fifandirana, ny fisarahana, ny fanozonana, ny fimonomononana, ireo rehetra ireo dia miteraka fatorana mafy. Matetika izany dia vokatry ny tsy fahazotoana mamaky ny tenin’Andriamanitra sy ny famelana ny ratsy handoto antsika.
Ny lela dia manan-kery hanasoa na hanimba. Koa aoka ho malina isika amin’izay lazaintsika. Raha sendra diso fiteny isika, dia zava-dehibe ny mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra sy miala amin’izany fimonomononana izany mba tsy hahavery antsika ny famonjena.
Tian’Andriamanitra ho loharanom-pitahiana isika, ary ny tenintsika ho toy ny rivotra malefaka amin’ny fanahy. Mila miala amin’ny fimonomononana isika, mangataka amin’i Jesosy mba hanasa antsika amin’ny rany masina, miala amin’ny ratsy, mitandrina ny vavantsika, ary mianatra mangina rehefa ilaina izany.
Aoka isika ho fitahiana ho an’izay manodidina antsika, ary aoka ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny maha-kristianina antsika. Tadidio fa mahavita ny zavatra rehetra isika ao amin’i Kristy izay mampahery antsika. Aza kivy fa aza matahotra.
mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany,
Rehefa tsy misy kitay intsony dia maty ny afo, ary rehefa tsy misy mpifosafosa intsony dia mangina ny fifandirana.
Ny tenin’ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany, fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana.
ho hitanareo koa ny voninahitry NY TOMPO rahampitso maraina, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’NY TOMPO; fa izahay moa no inona no imonomononanareo? Hoy koa i Mosesy: Ho hitanareo, rehefa homen’NY TOMPO hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina, fa efa ren’NY TOMPO ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo fa NY TOMPO.
Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka hatrany anaty rehetra any.
nefa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy hay tohaina izy sady feno poizina mahafaty.
tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny zavatra afenina, fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
Ny mpanao ratsy dia manongilan-tsofina amin’ny molotra mandainga ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin’izao fiangonana ratsy mimonomonona Amiko izao? Efa reko ny fimonomononan’ny Zanak’Israely Amiko.
Aza mandehandeha manaratsy ny mpiaramonina aminao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no TOMPO.
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny tsiambaratelo, koa aza mifampiraharaha amin’izay mibedibedy foana.
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy sady misaintsaina ny marina ao am-pony. Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy sady tsy manisy ratsy ny sakaizany no tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.
Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; indro ny Mpitsara dia efa mitsangana eo anoloan’ny varavarana.
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO.
feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fitiavan-karena ary ny lolompo izy, feno fialonana, vonoan’olona, fifandirana, fitaka, otri-po; mpanendrikendrika, izany dia ny amin’ny Zanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Arona tany an-tany efitra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’i Mosesy izy fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo. Dia tezitra tamin’ny olona i Mosesy. Nanangona ny mana isa-maraina ny olona, samy araka izay sahaza azy avy; ary nony nafana ny andro dia levona ireny. Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy. Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina. Dia namela izany ho tra-maraina izy araka izay nandidian’i Mosesy nefa tsy mba maimbo na niteraka olitra. Hoy indray i Mosesy: Hano ireny anio fa Sabata ho an’NY TOMPO anio; tsy hahita ireny any an-tsaha ianareo anio. Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito ka tsy hisy amin’io andro io. Nony tamin’ny andro fahafito, nisy ihany olona nandeha hanangona nefa tsy nahita na dia kely aza. Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako? Hevero fa NY TOMPO no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ny indroa andro amin’ny andro fahenina. Samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy ianareo ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito. ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao.
Ary i Miriama sy i Arona dia niteny nanome tsiny an’i Mosesy noho ny vehivavy kosita izay nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy kosita izy.
Aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin-dry zareo, izay matin’ny mpandringana.
Hoy Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy: Nahoana ianao no mitanisa ny lalànako sy mitondra ny fanekeko eo am-bavanao? Nefa ianao dia mankahala fananarana sady arianao any ivohonao ny teniko!
Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo hoe: Halan’NY TOMPO isika, ary izany no nitondrany antsika niala avy tany Ejipta mba hanolorany antsika eo an-tanan’ny Amorita ka handringanany antsika.
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; izay miandranandrana sy miavonavona am-po dia tsy zakako.
Aza mihaino izay teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao satria fantatrao tsara fa matetika ny tenanao koa dia mba efa nanozona ny sasany ihany.
Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra na mpanao ratsy na mpitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.
Ary nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana koa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.
Raha nangina aho dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandritra ny andro,
Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Etỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo. Ary ianareo rehetra izay voaisa araka ny nanisana anareo, dia izay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny rehetra tsy misy antony izay nataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao ary ny teninao no hanamelohana anao.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna fa mpitsara.
Miresaka fahendrena ny vavan’ny marina ary manambara ny rariny ny lelany. Ny lalànan’Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efitrano fandrianao aza; fa na dia ny voromanidina aza ange ka hitondra ny feo ary na dia ny manana elatra aza dia hanambara ny teny.
Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo?
Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony; aoka ho voasambotry ny fireharehany ihany izy; eny, noho ny ozona sy ny lainga teneniny!
Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ry olona, na iza na iza ianao no mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray akory aza.
Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia mba havela ianareo;
Izay mikatsaka ny fihavanana dia manarona heloka, fa izay mamohafoha heloka mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Raha misy tonga mamangy ahy dia zava-poana no teneniny; manangona faharatsiam-panahy ny fony; raha vao tafavoaka izy dia milazalaza ireny. Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo. Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy? Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Mitangorona amiko ireo ombilahy maro, manemitra ahy ny maherin’i Basana. Misanasana vava amiko izy; eny, toy ny liona mamiravira sy mierona izy.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Dia niteny nanohitra an’Andriamanitra izy hoe: Mahay mamelatra latabatra atỳ an-tany efitra va Andriamanitra?
Dia niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Mosesy izy hoe: Nahoana no noentinao niakatra avy tany Ejipta ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Tsy misy mofo na rano atỳ, ary leon’itony mofo tsy izy itony izahay.
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo, fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra.
Samy milaza lainga amin’ny namany amin’ny molotra mandokadoka ny olona, ary fo mamorom-pitaka no itenenany. Holevonin’NY TOMPO anie ny molotra mandokadoka rehetra sy ny lela miteny avonavona
Ary ny olona hafa firenena izay nifangaroharo taminy dia azon’ny fitsiriritana, ary nitomany indray ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay! Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Ejipta mbamin’ny voatango, ny tongolo ravina, ny tongolo ejipta sy ny tongolo lay. Izao anefa dia maina ny tendanay: Tsy misy na inona na inona hitanay afa-tsy ny mana ihany.
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
Aza atao indray manakipaka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao heloka aho fa ireny dia milaza fihavanana amin’ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao;
Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao; feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fitiavan-karena ary ny lolompo izy, feno fialonana, vonoan’olona, fifandirana, fitaka, otri-po; mpanendrikendrika, izany dia ny amin’ny Zanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, mpivadi-panekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra hoe: Izay manao izany zavatra izany dia mendrika ho faty; nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao izany kosa.
dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fampiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana sy fanaovana an-keriny; avo vava izy; manao vava manakatra ny lanitra izy ary ny lelany dia mandeha mitety ny tany.
Ary nitsangana nanohitra an’i Mosesy i Kora, zanak’i Jizara, zanak’i Kehata, zanak’i Levy sy i Datana, ary i Abirama, zanak’i Eliaba, sy i Ona, zanak’i Peleta, izay samy taranak’i Robena, Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo? Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo? Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba. Hoy anefa izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay! Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ka hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ no dia milaza anao ho lehibenay koa ianao? Ary ianao dia tsy nitondra anay akory ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay, koa hopotsirinao ary va ny mason’ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay! Dia tezitra indrindra i Mosesy ka niteny tamin’NY TOMPO hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Ianao. Tsy naka taminy aho na dia boriky iray akory aza ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ny iray aminy akory aza aho. Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona. Ary samia maka ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ka asio ditin-kazo manitra ao anatiny ary samia mitondra ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’NY TOMPO, fitondrana afo dimampolo sy roanjato; ianao sy i Arona dia samy hitondra ny fitondrany afo avy. Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy i Arona. Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO. niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza. Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota dia ho tezitra amin’ny ny fiangonana manontolo va Ianao? Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’ny fiangonana hoe: Mihataha tsy hanodidina ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datana sy i Abirama; ary nanaraka azy ireo ny loholon’ny Israely. Dia niteny tamin’ny fiangonana izy hoe: Mialà amin’ny tranolain’ireo olon-dratsy ireo ary aza mikasika izay rehetra azy akory, fandrao haringana noho ny fahotany rehetra koa ianareo. Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Ary nivoaka i Datana sy i Abirama ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy, niaraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo zanany madinika. Dia hoy i Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa NY TOMPO no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ny saiko izany: Raha maty toy ny fahafatesan’ny olona rehetra ireo olona ireo na mahazo famaliana sahala amin’ny olona rehetra dia tsy NY TOMPO no naniraka ahy. Nitambatra hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Ampy izay! Masina ny fiangonana manontolo, sady NY TOMPO no eo aminy. Koa nahoana ianareo no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’NY TOMPO?
Aza mihaino izay teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampijoroina ihany izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
Afo koa ny lela, faharatsiana tsy hita lany: Eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena manontolo ka mandoro izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny afobe izy.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hilaza amin’ny rahalahiny hoe: Tsy misy saina ianao, dia mendrika hohelohina eo amin’ny Sinedriona; ary na zovy na zovy no hiteny hoe: Adala Ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny afobe.
Nanamavo ny tany mahafinaritra ireo sady tsy mba nino ny teniny fa nimonomonona tany an-dainy ka tsy nihaino ny feon’NY TOMPO.
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO. Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? Izaho va no torontoronina an’ity firenena iray manontolo ity? Ary izaho va no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny lehilahy mpitaiza mitondra zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy! Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay! Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena iray manontolo ity, fa mavesatra amiko loatra. Koa raha izao no ataonao amiko, vonoy mihitsy aho, raha mba nahita fitia teo imasonao, mba tsy hahitako ny fahoriana manjo ahy! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo. Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana. Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roapolo andro aza, Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo. fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka hamparikoriko anareo; satria nolavinareo NY TOMPO izay eo afovoanareo ka nitomany teo anatrehany ianareo hoe: Nahoana re no nivoaka tany Ejipta izahay? Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana! Hamonoana ondry aman’osy sy omby hahavoky azy va, sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina hahavoky azy? Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Nihafohy va ny tanan’NY TOMPO? Ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka ny teniko na tsia. Dia nivoaka mba hilaza ny tenin’NY TOMPO tamin’ny olona i Mosesy; nanangona fitopolo lahy tamin’ireo loholon’ny firenena izy ka nasainy nijoro manodidina ny tranolay. Dia nidina teo amin’ny rahona NY TOMPO ka niteny taminy ary nanalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fitopolo lahy. Raha vao nipetraka tao amin’izy ireo ny Fanahy dia naminany izy ireo nefa tsy nitohy izany. Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. Ary nisy zatovo nihazakazaka dia nilaza tamin’i Mosesy hoe: Maminany i Eldada sy i Medada etsy an-toby. Dia hoy i Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. Fa hoy i Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’NY TOMPO rehetra ka hapetraky NY TOMPO aminy ny Fanahiny! Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Tabera satria nandoro azy ny afon’NY TOMPO.
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; eny, tahaka ny olona tsy mandre sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
Eo afovoan’ny liona aho; mandry eo amin’ny mpihinana olona aho; lefona sy zana-tsipìka ny nifiny ary sabatra maranitra ny lelany.
Tsy mahazo manao izay tiako hatao amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao satria tsara aho?
Aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy manohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana!
Ny molotra marina dia tafaorina ho mandrakizay, fa ny lela mandainga dia indray mipy maso monja.
«Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka» (Sal 5.9). «Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony» (Sal 140.3); «Feno ozona sy teny mangidy ny vavany» (Sal 10.7);
Fa ny haben’ny fisasarana no mahatonga ny nofinofy, ary ny haben’ny teny no isehoan’ny rediredin’ny adala.
Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
Eo am-bavan’ny adala dia misy tsirin’ny fiavonavonana, fa ny molotry ny hendry kosa miaro azy.
satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny. Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy ary ny varavaran’ny lanitra no novohany,
Nony nahita izany ny mpianatra dia tezitra ka niteny hoe: Inona no anton’izao fandaniam-poana izao?
Aza atao indray manakipaka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao heloka aho fa ireny dia milaza fihavanana amin’ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ny ataony; eny, manomeza azy araka ny asan’ny tanany, valio araka izay mendrika azy izy!
Dia niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Mosesy izy hoe: Nahoana no noentinao niakatra avy tany Ejipta ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Tsy misy mofo na rano atỳ, ary leon’itony mofo tsy izy itony izahay. Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely.
Zavatra enina no halan’NY TOMPO, eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany: Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga izay milaza lainga ary ny mamafy ady eo amin’ny mpirahalahy.
Fa ny mpanjaka dia hifaly amin’Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, fa hakombona ny vavan’izay rehetra mandainga.
Aoka hitsangana Andriamanitra ka hiely ny fahavalony ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. Ny olonao dia monina ao; mamponina ny ory araka ny fahasoavanao Ianao, Andriamanitra ô. Ny Tompo manome teny ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe: Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo. Raha mandry any amin’ny vala ianareo, ny ela-boromailala dia miravaka volafotsy ary ny volony dia miravaka volamena. Tamin’ny nanelezan’ny Tsitoha ny mpanjaka maro dia latsaka tao Zalmona ny orampanala. Tendrombohitr’Andriamanitra ny tendrombohitr’i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’i Basana. Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mialona ny tendrombohitra izay tian’Andriamanitra itoerana? Eny, hitoetra ao mandrakizay NY TOMPO. Ny kalesin’Andriamanitra dia an’arivo sy an’alinalina; Ny Tompo no eo amin’ireo; i Sinay dia eo amin’ny fitoerana masina. Niakatra ho any amin’ny avo Ianao ka nitondra babo; nandray fanomezana teo amin’ny olombelona Ianao; eny, teo amin’ny maditra aza mba hitoeran’NY TOMPO Andriamanitra any. Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana. Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa na zovy na zovy no hiteny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.
Amin’izao didy ataoko aminareo izao dia tsy mankasitraka anareo aho tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo fa hiharatsy. Fa voalohany indrindra, rehefa miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany. Fa tsy maintsy misy fisarahan-tsaina eo aminareo mba ho hita eo aminareo izay olona voazaha toetra.
Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy ary ny fanahy noana dia vokisany soa.