Ry namako, andeha isika hiresaka kely momba ity resaka fanompoan-tsampy ity. Ao amin'ny Eksodosy 20:4-5, dia mazava tsara ny tenin’Andriamanitra hoe: “Aza manao saritra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin’ny lanitra ambony, na izay ety ambonin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro”. Hitantsika eto fa Andriamanitra dia Andriamanitra mahery sady saro-piaro. Tsaroany koa ny heloky ny ray aman-dreny amin’ny zanany hatramin’ny zafiny fahatelo sy fahefatra amin’izay mankahala Azy.
Fantaro tsara fa ny fanompoan-tsampy dia fanompoana andriamanitra disy nataon’olombelona. Efa hatramin’ny taloha no niezahan’ny devoly naka ny toeran’Andriamanitra ka nitarika ny olona ho amin’ny fanompoan-tsampy. Ireo izay manao izany dia tsy manompo olo-masina na virijiny akory, fa i Satana mivantana. Tena fahotana lehibe tokoa izany, ary raha tsy mibebaka isika, dia mety hitarika antsika any amin’ny afobe mandrakizay.
Koa aoka ho tsapantsika fa Andriamanitra irery ihany no tokony hivavahantsika sy hiankohofantsika eo anatrehany. Izy irery ihany no Tsitoha, namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy. Aza matoky sarivongana vita amin’ny tanimanga, hazo, na metaly, satria tsy afaka manampy na miaro anao ireny.
Mivavaha mba hanomezan’i Jesoa fahazavana anao hahafantaranao ny marina ka hanafaka anao tanteraka amin’ny fanompoan-tsampy. Enga anie ka ny anaran’Andriamanitra irery ihany no hivavahantsika sy hankalazantsika.
Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy, nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Aza mivily hanaraka ireo andriamanitra tsy izy ary aza manao andriamanitra amin’ny vy voarendrika ho anareo: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa, tsy mba handraraka ny ra aidiny ho fanatitra aho ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.
Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na izay mety ho endriky ny zavatra any amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo, tahaka ny sasany tamin-dry zareo, araka ny voasoratra hoe: «Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona dia nitsangana hilalao» (Eks 32.6).
Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre; manana orona izy nefa tsy manimbolo; manan-tanana izy nefa tsy mandray; manan-tongotra izy nefa tsy mandeha ary tsy mahaloa-peo ny tendany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Nony nisy niantso azy dia vao mainka izy nandositra ireny; ho an’ireo Baala no namonoany zavatra hatao fanatitra ary ho an’ny sarin-javatra voasokitra no nandoroany ditin-kazo manitra.
Ny sampin’ny Jentilisa dia volafotsy sy volamena, izay asa nataon’ny tanan’olombelona.
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
Mivoria ka avia ary miaraha manatona, ianareo Jentilisa sisa afaka! Tsy manam-pahalalana ireo izay mitondra ny hazo natao sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.
Aza manao andriamanitra volafotsy ho fanampiko, ary aza manao andriamanitra volamena ho anareo.
Aza manaraka izay andriamanitra hafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny fa Andriamanitra saro-piaro aminao NY TOMPO Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’NY TOMPO Andriamanitrao ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ny tany ianao.
Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka.
ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.
Hongotako tsy ho eo aminao ny tsangankazon-tsampin’ny Aserahanao ary horavako koa ny tanànanao.
Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.
Dia batainy iny ka entiny eny an-tsorony ary apetrany eo amin’ny fitoerany. Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny! Na dia misy mitaraina aminy aza dia tsy mahay mamaly izy na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpaka vadin’olona, ny sodomita,
Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ny asan’ny tanany.
Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy dia tsy mba nankalaza Azy, araka izay mendrika ho an’Andriamanitra, sady tsy mba nisaotra Azy; fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany ary nihamaizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.
Inona moa no ilàna ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra voarendrika sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy ka manao sampy moana aminy?
firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky;
Rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany dia nitangorona nankeo amin’i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Mitsangàna ka anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy fa hirehitra aminy ny fahatezerako ka haringako izy, fa ianao kosa dia hataoko firenena lehibe. Nefa nifona tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ny olonao izay noentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny hery lehibe sy ny tanana mahery? Nahoana ny Ejiptiana no avela hilaza hoe: Hahita loza no nitondrany azy ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ny tany. Mialà amin’ny fahatezeranao mirehitra ka manenena ny amin’ny loza izay hanjo ny olonao. Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ka ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra; ary ny tany rehetra nolazaiko dia homeko ny taranakareo ary izy no handova izany mandrakizay. Dia nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony. Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. Ary ny vato fisaka dia asan’Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra, voasokitra teo amin’ny vato fisaka. Ary rehefa ren’i Josoa ny fitabataban’ny olona izay nihorakoraka dia hoy izy tamin’i Mosesy: Misy tabataban’ady atsy an-toby. Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy fa feon’ny mihira no reko. Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra. Dia hoy i Arona taminy: Esory ary ny kavim-bolamena izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy ka ento etỳ amiko. Dia nalainy ilay ombilahy kely izay nataon’ny olona ka nodorany tamin’ny afo ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny teo ambonin’ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’Israely. Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Inona no nataon’ity firenena ity taminao no nampidiranao heloka lehibe teo aminy? Dia hoy i Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona fa mpanao ratsy izy; satria hoy ireo tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo alohantsika; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. Ary hoy aho taminy: Izay rehetra manana volamena dia aoka hanala izany; dia nomeny ahy ireo; ary natsipiko tao anaty afo ireo ka io ombilahy kely io no nivoaka tao. Rehefa hitan’i Mosesy fa navela hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona, satria navelan’i Arona ho fanakoran’ny fahavalony izy, dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: Izay rehetra an’NY TOMPO, mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra dia niangona teo aminy. Dia hoy izy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Samia manao ny sabany eo an-tehezany avy ianareo dia mandrosoa ary miverimberena hatreny amin’ny vavahadin’ny toby iray ka hatramin’ny iray hafa, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo. Dia nanatanteraka ny tenin’i Mosesy ny taranak’i Levy; nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’izany andro izany. Dia hoy Mosesy: Efa nanokana ny tenanareo ho an’NY TOMPO ianareo androany, satria samy namono hatramin’ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio. Dia nanala ny kavim-bolamena izay teny amin’ny sofiny ny olona rehetra ka nitondra azy ho eo amin’i Arona. Nony maraina dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Efa nahavita fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny dia hiakatra ho any amin’NY TOMPO aho fa angamba havelany hanao fanavotana ny amin’ny fahotanareo aho. Dia niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: Indrisy! Efa nahavita fahotana lehibe ity firenena ity fa nanamboatra andriamanitra volamena ho azy. Ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Ianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy tsy ho eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako. Nefa hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko dia hovonoiko tsy ho eo amin’ny bokiko ny anarany. Mandehana ankehitriny ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao. Indro ny Anjeliko hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho. Ary NY TOMPO namely ny olona satria nanao ombilahy kely izy, dia ilay namboarin’i Arona. Ary nandray izany tamin’ny tanan’ny olona izy ka nanamboatra izany tamin’ny fandraka sady nandrendrika azy ho ombilahy kely; dia niteny ny olona hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely; io no nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta. Raha nahita izany i Arona dia nanorina alitara teo anoloany, sady niteny hoe: Andro firavoravoana ho an’NY TOMPO rahampitso. Dia nifoha vao maraina ny olona ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sady nitondra fanati-pihavanana; avy eo dia nipetraka nihinana sy nisotro ny olona ary nitsangana nilalao.
Raha niandry azy tany Atena i Paoly dia nangitakitaka ny fanahiny nahita ny tanàna feno sampy.
Nijery tokoa aho ka indro, efa nanota tamin’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka nanamboatra ombilahy kely voarendrika ho anareo; nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay efa nasain’NY TOMPO halehanareo ianareo. Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
Hampitovianareo amin’iza moa Aho, ary amin’iza no hanoharanareo Ahy? Iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany Amiko?
Aza misy arosonao ho sorona ho an’i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’Andriamanitrao: Izaho no TOMPO.
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy. Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO ianareo andriamanitra rehetra.
Ny sampin’ny Jentilisa dia volafotsy sy volamena, izay asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamihafa izay alehanao ka horesenao, ary handresy azy ireny ianao ka honina eo amin’ny taniny, Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany. dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany. Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.
Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana; hazo nokapaina tany an’ala ireny, asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky; volafotsy sy volamena no andravahany azy ary fantsika sy maritoa no entiny manamafy azy mba tsy hihetsiketsehany. Toy ny tsangankazo voaravaka izy fa tsy mahateny, entina foana izy fa tsy mba afa-mandeha; ary aza matahotra azy fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hahatonga loza aminy, izay tsy azony andosirana Aho; ary na dia hitaraina Amiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho.
Ry zanak’olona, ireto olona ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hanaiky hanontanian’ireto va Aho? Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny olona rehetra amin’ny taranak’Israely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho TOMPO no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny, mba hisamborako ny taranak’Israely amin’ny fony satria efa nihemotra niala Tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
Mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra izay nofidinareo! Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahorianareo!
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.
Koa satria terak’Andriamanitra isika dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona.
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany.
Feno andriamanitra tsy izy ny taniny; eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany;
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak’i Arona, tamin’izy ireo nanatona teo anatrehan’NY TOMPO ka maty.
Fa amin’izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’NY TOMPO ianareo.
Ianao izay miteny hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Ianao izay manao ny sampy ho fahavetavetana, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka tonga any amin’ny tany Kanana dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany ary horavanareo ny sampy vatony rehetra, holevoninareo ny sarin-javatra narendrika voalasitra rehetra nataony, hopotehinareo ny toerana fanaovany sorona rehetra;
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13)
Ireo dia nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy Andriamanitra sy nampahasosotra Ahy tamin’ny zava-poanany; ary Izaho kosa dia hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy olona sy hampahasosotra azy amin’izay firenena adala.
ary nanompo ny sampy izay nandraran’NY TOMPO azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra.
Ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.
dia hoy Aho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ny masonareo avy ianareo! Aza mandoto tena amin’ny sampin’i Ejipta! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.
Aza asiana andriamanitra hafa eo aminao! Aza miankohoka amin’ny andriamanitry ny firenena hafa!
Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona, ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry; Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany. Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa.
Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; menatra ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ny sarin-javatra voasokitra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika satria tsy misy fofonaina ao aminy. Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Koa naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny ra nalatsany teo amin’ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ny sampiny.
Nahoana ny Jentilisa no miteny hoe: Aiza izay Andriamaniny? Nefa any an-danitra Andriamanitsika; efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Ary na dia ny levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ny nivilian’ny Israely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
Taloha, fony mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ianareo dia nanompo izay andriamanitra tsy izy. Ankehitriny kosa, mahalala an’Andriamanitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo. Koa nahoana ianareo no miverina indray amin’ny fanompoana ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy dikany?
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; koa voaloto ny fieritreretany satria malemy.
Aza mety hofitahin’ny olona amin’ny fanetren-tena diso sy ny fivavahana amin’ny anjely ianareo; mitompo amin’ny zavatra hitany izy ireny sady feno fiavonavonana noho ny fisainany ara-nofo
Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12).
Nanompo ny sampiny izy ka tonga fandrika ho azy izany. Namono ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo; eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy. Naloto tamin’ny asany izy ary nahatonga azy ho nijangajanga ny nataony.
Manangona kitay ny ankizy, mandrehitra afo ny rainy, ary mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra ny vehivavy. Manolotra fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa izy ireo mba hampahasosotra Ahy.
Koa ampitovinareo amin’iza moa Andriamanitra? Endrik’inona no hampanahafinareo Azy? Ny mpahay taozavatra no mandrendrika sary vongana, ary ny mpanefy volamena no mametaka takelaka volamena aminy sy manao rojo volafotsy voarendrika. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra. Izay sahirana ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lo ary mitady mpahay taozavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihozongozona.
Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny ianao, na manompo azy, na manao toy ny fanaony; fa aringano tokoa izy ary poteho tanteraka ireo tsangambaton-tsampiny.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.
Ary ny amin’ny mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. Fa na dia misy aza lazaina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany, toy ny hoe misy andriamanitra maro sy tompo maro, amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
Raha tsy NY TOMPO no Mpamonjy ahy dia vetivety dia efa nitoetra tao amin’ny mangingina aho.
Tsy mahalala na mahafantatra ireny; fa voatampina ny masony ka tsy mahita, toy izany koa ny fony ka tsy mahalala.
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho andevo ianareo mba hanoa, na iza na iza, dia andevon’izay ankatoavinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana?
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.
Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Ianao ary tsy mba hitoetra eo Aminao ny ratsy.
nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa izy ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho tatỳ aoriana izay tsy natahoran’ny razanareo.
Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Israely, voasoratra teny amin’ny rindrina manodidina. Ary nisy fitopolo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Israely, nitsangana teo anoloan’ireo, ary Jazania, zanak’i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tanany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonaka. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, samy ao amin’ny efitranony misy sarin’ny sampiny? Fa hoy izy: NY TOMPO tsy mahita anay, efa nahafoy ny tany Izy!
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saika manerana an’i Azia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny sain’izy ireo hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana. Koa tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, koa ho afa-boninahitra ilay ivavahan’i Azia rehetra sy izao tontolo izao.
Ho an’ny olona masina ambonin’ny tany sy ireo olona tsara laza ny fankasitrahako rehetra.
Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ny hazo terebinta izay nifalianareo ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny saha izay nofidinareo.
Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Aza matoky ny mpanapaka, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy ka miverina ho amin’ny tany izy ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.
Matahora NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manompoa Azy ary aoka ny anarany no hianiananao.
Samy milaza lainga amin’ny namany amin’ny molotra mandokadoka ny olona, ary fo mamorom-pitaka no itenenany.
Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
Hifaly sy hiravoravo amin’ny famindramponao aho fa mahita ny fahantrako Ianao ka mahafantatra ny fahorian’ny fanahiko
Izay manentsin-tadìny dia tsy hihaino ny fampianarana; na ny vavaka ataony aza dia fahavetavetana.
Tandremo tsara ny tenanareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ny andro izay nitenenan’NY TOMPO taminareo avy tao afovoan’ny afo tany Horeba; tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.
Tompokolahy, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny Filazantsara aminareo mba hialanareo amin’izao zava-poana izao ka hanatonanareo an’Andriamanitra velona izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny.
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena!
Fa Ianao, TOMPO ô, no Avo Indrindra, ambonin’ny tany rehetra; tafasandratra avo ambonin’ny andriamanitra rehetra Ianao.
Indro, tena tsinontsinona ianareo, ary ny asanareo dia tena naman’ny zava-poana; fahavetavetana ny nifidianana anareo.
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
TOMPO ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra fa ny anaranao ihany, noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda rehetra ianareo; ary indro, efa tany lao ireo ankehitriny ka tsy misy olona monina intsony ao aminy, Ary hoy i Jeremia tamin’ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay namaly azy: Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan’ny Joda sy tany an-dalamben’i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin’ny vahoaka, moa tsy notsarovan’NY TOMPO va izany, ary tsy tao an-tsainy va? Koa dia tsy nahalefitra intsony NY TOMPO noho ny ratsy nataonareo sy noho ny fahavetavetana nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’izao anio izao. Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin’NY TOMPO, fa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianareo, na nandeha araka ny lalànany sy ny didiny ary ny teny vavolombelony, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin’izao anio izao. Hoy koa i Jeremia tamin’ny olona rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry Joda rehetra, izay atỳ amin’ny tany Ejipta: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Samy niteny tamin’ny vavanareo ianareo sy ny vadinareo sady nanatanteraka tamin’ny tananareo ka niteny hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka. Koa henoinareo ny tenin’NY TOMPO, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho efa nianiana tamin’ny anarako lehibe, hoy NY TOMPO, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’ny Joda manerana ny tany Ejipta intsony ny anarako ka hilazany hoe: Raha velona koa Andriamanitra Tompo. Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin’ny Joda, izay atỳ amin’ny tany Ejipta, dia ho ringan’ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy. Ary izay afaka mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tanin’ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ny Joda rehetra izay mankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any dia hahafantatra izay ho to teny, na ho Izaho, na ho izy. Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo: noho ny ratsy nataony nampahatezitra Azy tamin’ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompo andriamanitra hafa izay tsy fantany, na izy, na ianareo, na ny razanareo. Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, i Farao-Hofra, mpanjakan’i Ejipta, dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izay fahavalony nitady ny ainy. Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Miangavy anareo aho, aza manao izany fahavetavetana halako izany. Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin’ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa.
Ary nisy zavatra nitarehin-tanana natsotra ka noraisiny tamin’ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra mampahasaro-piaro, ilay mampahasaro-piaro.
Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
Ary nanatona ny vahoaka rehetra i Elia ka niteny hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha NY TOMPO no Andriamanitra, manaraha Azy! Fa raha ny Baala kosa dia manaraha azy! Nefa tsy namaly azy ny olona na dia indraimbava aza.
Ary ny voninahiny dia natakalony sarin’omby homana ahitra. Nohadinoiny Andriamanitra, mpamonjy azy, izay efa nanao zava-dehibe tany Ejipta,
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra misy heviny va ny hena aterina amin’ny sampy, ary mety ho zavatra tena izy va ny sampy? natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra, Tsia, fa izay zavatra atolotry ny Jentilisa ho fanatitra dia atolony ho an’ny demonia fa tsy ho an’Andriamanitra (Deo 32.17); koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo.
Fanaovan’ny olona kitay izany ary analany hamindroany. Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo sady anaovany andriamanitra ka ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany ka iankohofany. Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho! Ny hazo sisa kosa dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, dia miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.