Ry sakaiza, Andriamanitra mitaky amintsika tsirairay avy ny fiainana atolotray ho Azy. Jesosy efa nampianatra ny mpianany fa tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona, fa izay mivoaka avy ao am-po.
Hitantsika ankehitriny fa miha-miharatsy izao tontolo izao, miharihary ny faharatsiana sy ny fahalotoam-pitondrantena. Koa mila mitandrina isika mba tsy ho voataonan’izany ka hanao izay tsy ankasitrahan’ny Tompo.
Tsara ho fantatrao fa maro ny zavatra mety handoto ny fo, ka misy fiantraikany amin’ny toetra sy ny fihetseham-po, toy ny fialonana, ny lolompo, ny eritreri-dratsy, ny avonavona sy ny fitiavan-tena, ny fieboeboana, ny lainga, ary mbola maro hafa koa. Ireo rehetra ireo dia mety hanimba ny fontsika ka hampanalavitra antsika amin’Andriamanitra.
Marihina koa fa ny fo maloto dia mety hiseho amin’ny endrika maro samihafa, toy ny tsy famelan-keloka izay nanao ratsy tamintsika, ny faniriana fatratra ny harena sy ny fahefana, ny tsy firaharahiana ny fijalian’ny hafa, ny faniriana hamaly faty, ny tsy fandraisana ny antson’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ary ny tsy faniriana handeha amin’ny sitrapony.
Koa amin’ny fitiavana no ananarako anao anio handray fanapahan-kevitra hiaina fiainana madio sy ankasitrahana. Mifandahatra amin’Andriamanitra, esory ao anatinao izay rehetra mandoto anao sy mampanalavitra anao Aminy. Na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanao, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala noho ny ran’i Jesosy (Isaia 1:18). Koa mitsangàna, mandehana amin’ny fahamasinana mba ho voavonjy ny fanahinao.
fa aoka hanoratra epistily ho azy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ny sampy sy ny fijangajangana ary ny biby nokendaina sy ny ra.
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Hifanandrina amin’izany olona izany ny tavako ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy satria nisy natolony ho an’i Moloka ny zanany mba handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.
dia hoy Aho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ny masonareo avy ianareo! Aza mandoto tena amin’ny sampin’i Ejipta! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Fa hoy Aho tamin’ny zanany tany an-tany efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ny sampiny!
«Koa mialà eo aminy ianareo ka misaraha aminy, hoy NY TOMPO; aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho handray anareo.
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.
Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana tafahoatra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena ao aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Ary hoy koa Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany, no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va? Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; atsaharo ny fanaovan-dratsy;
Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Maro no hodiovina sy hofotsina ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa dia mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
Ary ankehitriny, inona no andrasanao? Mitsangàna, aoka ianao hatao batisa ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao amin’ny fiantsoanao ny anarany.
Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.
Fa raha misy efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, dia tonga ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny amin’izany olona izany.
Iza no hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO? Ary iza no hijoro ao amin’ny fitoerany masina? Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga na mianiana hamitaka.
Fa ny nanoratako taminareo dia ny mba tsy hiharoharoanareo amin’izay atao hoe rahalahy kanefa mpijangajanga, na fatra-pitia harena, na mpanompo sampy, na mpanala baraka olona, na mpimamo, na mpanao an-keriny. Aza miara-mihinana akory amin’ny olona toy izany ianareo.
Maloto ny tany noho izany ka hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina ao.
fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ny tompon-tany izay talohanareo ka naloto ny tany,
Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ho madio? Ny fitandremana araka ny teninao.
Aza mampijangajanga ny zanakao vavy ka hampaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
Aza mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na mitady saina amin’ny mpanandro hampahaloto anareo aminy: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny rantsantananareo amin’ny heloka; miteny lainga ny molotrareo, ary mibedibedy faharatsiam-panahy ny lelanareo.
Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo.
Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
Mahatondra afo ao amin’ny paosin’akanjony va ny olona ka tsy ho may ny akanjony? Misy mahadia vainafo va ka tsy ho may ny tongony?
Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, mihosin-dra rahateo ny tenany ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
Izao koa no nataony Tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin’izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
Izaho dia mahalala an’i Efraima ary tsy miafina Amiko Israely; ankehitriny ianao, ry Efraima, dia tonga mpijangajanga ka voaloto Israely.
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.
Mitsangàna ka mialà! Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto; eny, fandringanana mafy.
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara.
Mialà, mialà ianareo, mivoaha tao! Aza mikasika izay maloto! Mivoaha tao aminy! Midiova ianareo izay mitondra ny fanaky NY TOMPO.
Ny mpaminaniny dia avo vava sady mpamitaka. Ny mpisorony dia mandoto izay masina; eny, manitsakitsaka ny lalàna izy.
Tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona.
Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao fa ny mba hiaro azy amin’ilay ratsy. Tsy avy amin’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao.
Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko.
izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tanana tsy voasasa dia tsy mba mahaloto ny olona.
Koa aza avela hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ny ota ka hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina,
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana; mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo,
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy, satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana.
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo.
Aza mijery ny divay noho ny hamenany, sy ny fanganohanony ao anaty vera, ary ny fikoriany mahafinaritra; fa any aoriana any dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana.
Koa aza mifampitsara intsony isika fa aleo mihevitra izao: Ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy.
Tandremo anefa, fandrao ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy finoana izany fahafahanareo izany.
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa Ilay naterak’Andriamanitra no miaro azy ka tsy mikasika azy akory ilay Ratsy.
Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia hihadala.
manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana.
Matahotra ny hendry ka mivily tsy ho amin’ny ratsy, fa ny adala dia fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.
Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra.
Fantatro anefa fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ananako ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ananako.
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ny marina ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka nanatanteraka ny tsy fanarahan-dalàna, dia mba atolory toy izany koa ny momba ny tenanareo ankehitriny ho andevon’ny fahamarinana, mba hahatanteraka ny fahamasinana.
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotro tahaka ny virijiny madio ho an’i Kristy.
Fa raha ny masonao havanana no mahatafintohina anao dia esory hiala izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no hariana any amin’ny afobe. Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe.
Aoka ho fantatrareo mihitsy fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona tia vola, fa fanompoan-tsampy izany.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra. Amin’izany dia gaga izy ireo satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany ka teneniny ratsy;
Avy amin’ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany? Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva na ny voaloboka mamoa voan’aviavy? Toy izany koa ny loharano masirasira dia tsy mba ivoahan’ny rano mamy.
Izao no ahafantarantsika fa ao Aminy isika: Izay milaza fa mitoetra ao Aminy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy ka hanao izay asa tsy mety, ary aoka tsy hihinana ny haniny matsiro aho.
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?
Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo.
Ny famindrampo sy ny fahamarinana no avotra amin’ny heloka, ary ny fahatahorana NY TOMPO no analavirana ny ratsy.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Noho izany dia esory ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra satria samy momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.
Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
Samy vavolombelona ianareo sy Andriamanitra fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino.
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.