Raha misy zavatra manakana anao tsy hankafy ny fiainana dia ny fialona. Rehefa mahazo anao io fahatsapana io dia miteraka fisalasalana be ka mety hiafara amin'ny tebiteby mihitsy aza.
Ny fialona dia azo hazavaina ho toy ny fihetseham-po mahery vaika ateraky ny famadihana, ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fahafaham-po, ny fitsiriritana, ny fieboeboana, ny tsy fahatokisan-tena, ny tahotra, ny tsy fahafantarana ny tena soatoavinao, ary na dia ny filàna mifehy ny lafiny rehetra amin'ny fiainana aza. Mazava ho azy fa tsy mahasalama izany toe-tsaina izany ary mety handrava ny fiainanao, hanimba ny vatanao sy ny sainao.
Mijaly Andriamanitra mahita anao miady amin'io fahatsapana mahatsiravina io. Ny antony nanirahany ny Zanany ho faty ho anao dia mba ho voavonjy sy hiaina amin'ny fahafahana ianao. Tiany ianao hanaiky ny hasina nomeny anao, tamin'ny nanolorany ny zavatra rehetra ho anao. Efa nanao izay tsy vitan'olombelona Izy ary nanome anao izay tsy homen'olon-kafa anao.
Tsy fantatro izay efa nolalovananao, na hoe sarotra toy inona izany, fa amin'izao fotoana izao dia te-hampiseho aminao ny fitiavan'Andriamanitra aho mba hahafahanao mivavaka Aminy, mamoaka izay rehetra mandoto ny fanahinao sy miteraka fijaliana ao amin'ny taolanao.
Manapaha hevitra amin'izao fotoana izao hivavaka amin'i Jesosy, hanetry tena eo an-tongony ary avelao hikoriana ny ranomasonao rehefa manasitrana ny fonao Izy. Afaka amin'ireo ratram-po sy fahatsapana miteraka fahasosorana anao rehefa mahita ny hafa miroborobo ianao. Aza mitsiriritra izay an'ny hafa; tsy fantatrao ny vidiny. Aza mitsiriritra izay an'ny namanao, satria tsy mampifaly an'Andriamanitra izany.
Ny fialonana olona amin'ny lafiny ara-pitiavana na ny fitsiriritana ny fananan'ny hafa dia toy ny aretina mandevona anao mandra-pahatonga anao tsy hahavita miaina intsony. "Fialofana mafy ny fo tony; Fa ny fialonana kosa dia lo ny taolana" (Ohabolana 14.30).
Ao amin'ny bokin'i Jakoba, Andriamanitra dia milaza hoe: "Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifandirana ao am-ponareo, aza mirehareha, ary aza mandainga manohitra ny marina. Tsy avy any ambony izany fahendrena izany, fa avy amin'ny tany, araka ny nofo, ary araka ny demonia. Fa izay misy fialonana sy fifandirana, dia misy fikorontanana sy ny asa ratsy rehetra."
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.
Ny fahaveloman’ny vatana dia ny fo nofo tony, fa ny fitezeram-poana dia maha lo ny taolana.
Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao ary aza mialona ny mpanao heloka,
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Ziona Aho, eny, saro-piaro ny aminy, amin’ny fahatezerana mafy Aho.
Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’NY TOMPO.
Masiaka ny fahavinirana ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?
Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko.
RY TOMPO, Andriamanitra Mpamaly ny natao ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao ô, misehoa ka mamirapirata!
Rehefa hitan’i Rahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy dia nialona ny rahavaviny izy ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho fa raha tsy izany dia ho faty!
Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy.
Ary nitsangana ny Mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra izay antokon’ny Sadoseo, fa feno fialonana izy,
Fa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly sady niteny ratsy.
fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona?
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka. Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny.
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran’ny lehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany; tsy handray vola ho fanakona-maso akory izy; tsy hanaiky izy, na dia atao maro aza ny fanomezana.
Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Ianao ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana; fa mitandrina ny teny vavolombelonao aho.
Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahombiazana rehetra fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona ireny. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany.
Mirehareha ny ratsy fanahy fa nahazo izay niriny ary mahafoy sy mamingavinga NY TOMPO ny mpierina.
Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fitiavan-karena ary ny lolompo izy, feno fialonana, vonoan’olona, fifandirana, fitaka, otri-po; mpanendrikendrika,
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: «Aza mamono olona» (Eks 20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hilaza amin’ny rahalahiny hoe: Tsy misy saina ianao, dia mendrika hohelohina eo amin’ny Sinedriona; ary na zovy na zovy no hiteny hoe: Adala Ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny afobe.
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Hitsahatra ny fialonan’i Efraima ary hofongorana ny mpandrafy an’i Joda; tsy hialona an’i Joda intsony i Efraima ary tsy handrafy an’i Efraima intsony i Joda.
Aza mialona ny olona ratsy fanahy, na maniry ho namany, Raha azom-paharerahana ianao amin’ny andro fahoriana dia kely izany ny herinao. Afaho izay entina hovonoina, ary vonjeo izay mangozohozo efa eo am-pamonoana! Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay! Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany? Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany? Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra. Anaka, homàna tantely fa tsara izany! Homàna koa toho-tantely fa ho mamy amin’ny lanilaninao izany. Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho anao; fa raha azonao izany dia tsara antoka ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao. Aza manao vela-pandrika eo akaikin’ny tranon’ny marina ianao, ry ilay ratsy; aza ravanao ny fonenany; fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa dia solafaka raha azom-pahoriana. Aza faly raha lavo ny fahavalonao, ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy; fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany, ary esoriny aminy ny fahatezerany. Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao, ary aza mialona ny ratsy fanahy; fa fandravana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no tenenin’ny molony.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.
Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay izy amin’izay atao etỳ ambanin’ny masoandro.
Dia nieritreritra aho mba hahafantatra izany zavatra izany, kanjo sarotra tamiko izany, mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka azoko an-tsaina ny zavatra miandry azy.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Ny an’i Abela kosa dia avy amin’izay matavy tamin’ny voalohan-teraky ny ondriny no nitondrany. Ary NY TOMPO nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny; fa i Kaina mbamin’ny fanatiny kosa dia tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny.
Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny. Fa amin’izany dia hanambatra vainafo ho eo ambonin’ny lohany ianao ary NY TOMPO no hamaly soa anao.
Aoka hizaha toetra ny asany avy ny olona rehetra, mba ho amin’ny tenany ihany izy no afaka hirehareha, fa tsy amin’ny olon-kafa;
Farany, miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena. Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana, fa ao amin’izay mino anatra no misy ny fahendrena.
Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy ka hanao izay asa tsy mety, ary aoka tsy hihinana ny haniny matsiro aho.
mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany? Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo dia hanandratra anareo Izy. Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao no mitsara ny namanao? E! Ianareo izay miteny hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra dia hahazo tombom-barotra; kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo! Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo; miseho vetivety dia levona. Fa aleo miteny hoe: Raha sitrapon’ny Tompo ka velona izahay dia hataonay izao na izany. Fa izao, mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Koa izay mahalala hanao soa nefa tsy manao soa dia heloka ho azy izany. Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.
dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fampiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
Tsara ny fialan-tsasatra eran’ny tanana an’ila noho ny fisasarana eran’ny tanana roa nefa sambo-drivotra foana.
Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.
Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana, ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. Na ny adala aza raha tsy miteny dia toa hendry, ary izay mahafihina ny molony dia manan-tsaina.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Ary nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana koa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.
Ny lalànan’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy an’arivony.
Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po, fandrao hianatra ny fanaony ianao ka hahazo fandrika ho an’ny ainao.
Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.
Rehefa hitan’i Rahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy dia nialona ny rahavaviny izy ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho fa raha tsy izany dia ho faty! Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’i Jakoba. Ary hoy i Lea: Manan-jara re aho! Dia nataony hoe Gada ny anarany. Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba. Ary hoy i Lea: Sambatra aho, fa hataon’ny zanakavavin’ny olona hoe Sambatra aho. Dia nataony hoe Asera ny anarany. Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho! Fa hoy i Lea taminy: Tsy ampy anao va ny nakanao ny vadiko no halainao koa ny dodaiman’ny zanako? Dia hoy Rahely: Aoka ary izy handry aminao ihany anio alina ho takalon’ny dodaiman’ny zanakao. Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny. Ary Andriamanitra nihaino an’i Lea ka nanana anaka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba. Dia hoy i Lea: Efa nomen’Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ny vadiko ny mpanompovaviko. Dia nataony hoe Isakara ny anarany. Dia nanana anaka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakoba. Dia nirehitra tamin’i Rahely ny fahatezeran’i Jakoba ka hoy izy: Solon’Andriamanitra izay nahamomba anao tsy hiteraka va aho?
Dia nialona an’i Mosesy tany an-toby izy ireo sady nialona an’i Arona, olo-masin’NY TOMPO.
Izay miray tetika amin’ny mpangalatra dia mankahala ny tenany; mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
fahavinirana sy fahatezerana kosa no ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany sady manohitra ny marina ka manaraka ny tsy marina;
Valio impito heny ho ao ampofoan’ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nataony Anao, Tompo ô!
Ny hafanam-po nasehon’ireo taminareo dia tsy tsara; fa hampisaraka anareo aminay izy mba hiraiketan’ny fonareo aminy.
Ny ratra avy amin’ny kapoka dia mahafaka ny haratsiam-panahy ary ny kapoka dia tonga hatrany amin’ny aty fo.
Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Jereo eo amin’ny ankavanana ka zahao fa tsy misy olona mahafantatra ahy; foana avokoa ny toerana fialofako; tsy misy miahy ny fanahiko.
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5).
Eny, ny sakaizako izay nitokisako sady nihinana ny haniko aza no nanainga ny voditongony hamely ahy.
Ny fatin-dalitra dia mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpampiharo zavamanitra; toy izany ny hadalana kely izay mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao.
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
Mandamina ny alehany ny fahamarinan’ny marina, fa ny ratsy fanahy dia lavon’ny faharatsiany ihany.
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Fiadanana no ho vokatry ny fahamarinana, filaminana sy fandriampahalemana mandrakizay no asan’ny fahamarinana.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Fa izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny faharinganana sy ny fahaverezana.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fiheveran-tena ho zavatra ao am-ponareo dia aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran’ny lehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany;
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.
Fa izay misy fialonana sy fiheveran-tena ho zavatra dia misy fikorontanana mbamin’izay asa ratsy rehetra.
Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Mandra-pahoviana, TOMPO ô, no hanontolo fo Ianao ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaronao?
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.