Ireo faniriana sy fitsiriritana ateraky ny maha-olombelona antsika, dia mety hiseho amin'ny endrika maro samihafa: mety ho faniriana ara-nofo tsy voafehy, fikatsahana fahafinaretana tafahoatra, na koa fitiavam-bola sy harena tsy misy fetra. Kanefa, mampianatra antsika ny Baiboly mba hitady fanampiana amin’i Jesosy, hahafahantsika mifehy ny filantsika, ka ho fehezin’ny Fanahy Masiny tanteraka.
Maro ireo andininy sy fampianarana ao amin’ny Soratra Masina izay mandrisika antsika hifehy ny filan’ny nofo. Ao amin’ny Romana, ohatra, dia mananatra antsika ny Apostoly Paoly mba tsy hanaraka ny filan’ny nofo, fa handeha araka ny Fanahy kosa. Miresaka amintsika koa Andriamanitra ao amin’ny teniny mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifehezana ny vatana sy ny saina.
"Fa izaho dia asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, rehefa nitory tamin'ny sasany aho, dia holavina kosa ny tenako." (1 Korintiana 9:27). Ity tenin’i Paoly ity dia mampiseho amintsika ny maha-zava-dehibe ny mijoro tsara amin’ny finoantsika sy ny mandà ireo fakam-panahy avy amin’ny nofontsika.
Fantatsika tsara fa ny filan’ny nofo dia mitarika antsika hanao ratsy eo anatrehan’ny Tompo. Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa izany, ka hahatonga antsika ho tia tena sy hikatsaka ny fahafinaretantsika manokana fotsiny, tsy miraharaha ny voka-dratsiny eo amin’ny fiainantsika ara-panahy.
Noho izany, zava-dehibe ny mandinika tsy tapaka ny ataontsika sy ny antony manosika antsika hanao zavatra, ary miezaka hatrany ny hiaina araka ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny.
Ny fanalahidin’ny fandresena dia ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra sy ny famelana ny Fanahiny hanova ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana Baiboly no ahafahantsika mifehy tena bebe kokoa sy manana fiainana tsara kokoa.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô! Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?
Fa fony tao amin’ny nofo isika dia ny filan’ny ota, noho ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika ka nahavokatra ho amin’ny fahafatesana.
Nefa raha tsy maharitra izy dia aoka hanambady ihany; fa tsara ny manambady noho ny ho maimay.
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko; mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko.
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ara-boajanahary ho amin’izay tsy fanao;
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5).
Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitoviana amin’ny endriky ny fahafatesany aho,
Ny fahaveloman’ny vatana dia ny fo nofo tony, fa ny fitezeram-poana dia maha lo ny taolana.
I Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary nahery nivavaka izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany aloha ny ranonorana nandritra ny telo taona sy enim-bolana.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho. Hendry noho ny zokiolona aho satria ny didinao no tandremako. Arovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalan-dratsy mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho fa Ianao no mampianatra ahy. Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao. Efa nianiana aho ka efaiko izany, fa hitandrina ny fitsipikao marina aho. Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho. TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao. Mandrakariva, an-tenda ihany ny aiko, kanefa tsy manadino ny lalànanao aho. Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.
tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
Manandra-tanana Aminao aho; ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Fiatoana.
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany?
Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.
Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny.
Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Ary nisy iray hafa koa, dia anjely faharoa, nanaraka azy ka niteny hoe: Rava! Rava i Babilona lehibe izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany!
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza; mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao dia hazavain’ireny ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy ireny.
Fa efa nilaza taminareo izy hoe: Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filany sy ny haratsiam-panahiny.
ka navelako hanaraka ny ditran’ny fony izy, handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany.
Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Maty ny olona iray hamonjy ny olona rehetra, dia maty koa izy rehetra;
indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy. Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany. Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny. Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena. Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny lalanao aho.
Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena; eny, noho ny volamena tsy miharo aza. Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; halako ny lalam-pitaka rehetra.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa dia ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa toy izany mba hahazoanareo.
Ny lalan’ny teny vavolombelonao no ifaliako, tahaka ny ifaliako amin’ny harena rehetra.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Ry Andriamanitro ô, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, dia amin’ny tanan’ny mpanao meloka sy mpanao herisetra!
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
Ianareo izay tia NY TOMPO, mankahalà ny ratsy! Miaro ny ain’ny olony masina Izy ary manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
Izaho dia tia NY TOMPO satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy; Nanam-pinoana tokoa aho na dia niteny aza hoe: Reraka loatra aho. Hoy aho tamin’ny fahatairako: Mpandainga ny olona rehetra. Inona no havaliko NY TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’NY TOMPO. Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho; eny, eo anatrehan’ny olony rehetra. Sarobidy eo imason’NY TOMPO ny fahafatesan’ny olony masina. Indrisy, TOMPO ô! Mpanomponao tokoa aho; eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao. Namaha ny fatorako Ianao. Ianao no hanolorako fanati-pisaorana, ary ny anaran’NY TOMPO no hantsoiko. Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho eny, eo anatrehan’ny olony rehetra, dia eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema ô! Haleloia. satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy; dia hiantso aho raha mbola velona koa.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy. Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy. Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ary izay mahafoy ny ainy noho ny Amiko dia hahavonjy azy.
Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.
Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Midera Anao amin’ny foko manontolo aho; eo anatrehan’ireo andriamanitra no ankalazako Anao amin’ny hira. Miankohoka manandrify ny tempolinao masina aho ka midera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao; fa efa nomenao voninahitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ny anaranao sy ny teninao. Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao.
Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao ary hihoby ny famindramponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Ianao ary fandosirako amin’ny andro fahoriana.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro; ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO sady mankasitraka ny didiny indrindra.
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny; ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo ka hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra hahafantatra tsara izay sakany, lavany, haavony ary halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Na dia ireo mpanapaka aza dia mipetraka ka mioko hamely ahy; izaho mpanomponao dia misaintsaina ny didinao.
Ry rahalahy, ny fanirian’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireny dia ny mba hahavoavonjy azy.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho. Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, na ny nofoko aza dia mitoetra tsy manana ahiahy.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Dia hitandrina ny lalànanao mandrakariva aho, dia mandrakizay doria. Ary handeha amin’ny malalaka aho fa ny didinao no tadiaviko.
Ry taranaky ny menarana! Hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao; hihoby mandrakariva izy. Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao ireo izay tia ny anaranao.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona! Loary eo anatrehany ny fonareo! Andriamanitra no fialofana ho antsika. Fiatoana.
Mampahatanjaka ny reraka Izy ary izay kely hery dia ampitomboiny hery. Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana! Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Endre ny hatsaran’ny tabernakelinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô! Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay hitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, sambatra izay olona matoky Anao! Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko; mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko.
Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon’ny reniko; Ianao no deraiko mandrakariva.
Avia, aoka isika hiondrika sy hiankohoka, aoka isika handohalika eo anatrehan’NY TOMPO, Mpanao antsika;
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka. Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony; fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany. Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana! Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena; sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra. Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana.
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay nandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany!
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna; Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy. Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Koa amin’izany, ry rahalahy, dia manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy, Fa raha tsy izany dia tsy ho nitsahatra va ireny fanolorana fanatitra ireny ka ireo izay mandray anjara amin’izany fanompoam-pivavahana izany dia ho efa voadio indray mandeha ary tsy henjehin’ny fieritreretany ny amin’ny fahotany intsony? amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namakivaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony izany, sady manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra isika. Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,
Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray. Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo hatramin’izay, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra mba hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony. Ataovy amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana ny zavatra rehetra mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana: Mba ho reharehako izany amin’ny andron’i Kristy ka tsy ho nihazakazaka foana na nisasatra foana aho. Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra sy fisoronan’ny finoanareo aza aho dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. Koa aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesosy Tompo anefa aho fa haniraka haingana an’i Timoty ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny momba anareo. dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra;
Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza; mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.
Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako. Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.
Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao. Manokatra ny tananao Ianao ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao.