Ampianarina ao amin’ny Baiboly isika fa tokony handositra ny ratsy rehetra ary hanao ny marina amin’ny fotoana rehetra. Ny fahalotoam-pitondrantena, na amin’ny ataontsika na amin’ny eritreritsika, dia mampanalavitra antsika amin’ny lalan’Andriamanitra ary mitarika antsika amin’ny lalana mampidi-doza.
Ao amin’ny Ohabolana 6:32-33 dia ampitandremana isika momba ny vokatry ny fahalotoam-pitondrantena: "Ny olona mijangajanga dia tsy ampy saina; izay manao izany dia mahavery ny ainy. Kapoka sy henatra no ho azony, ary ny fahamenarany tsy ho voafafa." Ireo teny ireo dia mampiseho amintsika ny halehiben’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fiantraikany eo amin’ny fiainantsika ara-panahy sy ny fifandraisantsika amin’ny hafa.
Tsara hotadidiana fa ny fahalotoam-pitondrantena dia tsy ny ataontsika ihany, fa ny eritreritsika sy ny faniriantsika miafina koa. Nampianatra antsika i Jesosy ao amin’ny Matio 5:28 hoe: "Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady." Io teny io dia mampiseho amintsika ny halaliny tokony ho fibebahantsika sy ny fikatsahantsika ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika.
Ny fisaintsainana tokony hataontsika momba ny fahalotoam-pitondrantena dia ny maha-zava-dehibe ny fiainana amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra. Tokony handà izay rehetra mampanalavitra antsika amin’ny sitrapony isika ary hikatsaka ny fahamasinana amin’izay rehetra ataontsika sy eritreretintsika, satria amin’izany fomba izany ihany no hahafahantsika miaina ny fahafenoan’ny fiainana ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ary hisorohana ny voka-dratsin’ny fahalotoam-pitondrantena. Aza kivy fa mahazaka izany isika amin’ny herin’ny Tompo.
Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra.
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana; mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana atỳ aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa aza, fa misy olona ao aminareo manambady ny vadin-drainy.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina,
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana;
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Fa ny molotry ny vehivavy janga dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; nefa ny farany dia mafaitra toy ny zava-mangidy, ary maranitra toy ny sabatra roa lela. Ny tongony dia midina ho any amin’ny fahafatesana, ary ny diany mizotra ho any amin’ny fitoeran’ny maty.
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpaka vadin’olona, ny sodomita,
Fa ny nanoratako taminareo dia ny mba tsy hiharoharoanareo amin’izay atao hoe rahalahy kanefa mpijangajanga, na fatra-pitia harena, na mpanompo sampy, na mpanala baraka olona, na mpimamo, na mpanao an-keriny. Aza miara-mihinana akory amin’ny olona toy izany ianareo.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra dia mijangajanga.
tsy nibebaka tamin’ny namonoany olona izy, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fijangajangany, na tamin’ny halatra nataony.
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ara-boajanahary ho amin’izay tsy fanao; toy izany koa ny lehilahy, namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy; nifanao izay mahamenatra izy ireo ka nandray tao amin’ny tenany ihany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
eny, fandrao rehefa tonga indray aho dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary halahelo ny maro izay nanota teo aloha aho, dia ireo izay tsy mbola nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fanaranam-po nataony.
Aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin-dry zareo ka telo arivo sy roa alina no ringana indray andro.
nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny fatra-pitia harena sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.
Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta hanimba tena no manao izany.
Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga;
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava.
Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa.
Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpivarotra olona, ny mpandainga, ny mpanao fianianana mandainga, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijangajangana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fitiavam-bola.
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy. Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray, nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy.
Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
Koa aza avela hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ny ota ka hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza.
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena.
Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24), koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
Raha misy lehilahy mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hovonoina ho faty izy ireo; ny rany dia ho aminy ihany.
Tamin’ny teny maro no nandreseny lahatra azy; tamin’ny fandokafan’ny molony no nitaomany azy. Dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala gadraina ho famaizana azy, ambara-piboroaky ny zana-tsipìka amin’ny atiny, ary tahaka ny vorona mamantana amin’ny fandrika ka tsy fantany fa hamono ny ainy izany.
Toy izany koa, i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana ny fiaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.
Aoka ho fantatrareo mihitsy fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona tia vola, fa fanompoan-tsampy izany.
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana noterena sy ny fanetren-tena diso ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery hahasakana ny fampanaranam-po ny nofo akory.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy, satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra satria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44).
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra. Amin’izany dia gaga izy ireo satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany ka teneniny ratsy;
Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va? Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?
Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany. Fa betsaka no naripany ka maty, ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa. Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty, eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana.
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao hifaly amin’ny lalako. Fa ny vehivavy janga dia hady lalina ary ny vehivavy jejo dia lava-drano ety;
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany. Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana. Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35). Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza ary aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena!
Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina.
Ary aoka ny fihaingoanareo tsy ho ny zavatra ivelany, toy ny taovolo manaitra sy ny firavaka volamena na ny fitafiana marevaka, fa ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fihaingoana tsy mety ho lo, dia ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra.
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany! Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra: «Ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia iray fanahy Aminy.
Anaka, tandremo ny fahendreko, ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahaizako mandinika fandrao hivokisan’ny olon-kafa ny fanananao, ary ho lasa any an-tranon’ny vahiny ny vokatry ny fisasaranao; fandrao hitoloko ianao aorianan’izany, raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao ary hiteny ianao hoe: Nahoana re no nankahala fananarana aho? Ary nahoana no naniratsira ny fanitsiana ny foko? Ka tsy nihaino ny tenin’ny mpanoro hevitra ahy ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? Efa saika azon’ny loza rehetra aho tao amin’ny fiangonana sy ny fivorian’ny olona. Misotroa avy amin’ny lavaka famorian-drano izay anao samirery, dia ny rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Hitosaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dalambe ny ranovelonao? Aoka ho anao irery ihany izany fa aza iombonana amin’ny hafa. Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao. mba hitahirizanao tsara ny fahaiza-mandinika sy hitandreman’ny molotrao ny fahalalana.
Niantso an’i Lota izy ireo ka niteny taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? Asaivo mankaty aminay izy mba hahalalanay azy. Dia nivoaka ny varavarana i Lota hankeo amin’izy ireo ka nanakatona ny varavarana tao aorianany. Hoy izy: Ry rahalahiko, miangavy anareo aho mba tsy hanao ratsy!
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Isika manana alitara izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. Fa rehefa noentin’ny Mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny. Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby ka hitondra ny latsa izay noentiny. Fa tsy manana tanàna maharitra isika etỳ fa mitady ny ho avy. Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra. Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra. Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho mba hampidina ahy haingankaingana kokoa ho atỳ aminareo. Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. Ary Andriamanitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena! Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, aoka ianareo hahazaka izao teny fananarana izao; fa efa nanoratra epistily fohifohy ho anareo ihany aho. Aoka ho fantatrareo fa efa afaka i Timoty rahalahintsika; koa raha tonga haingana izy dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. Mampamangy any amin’izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay any Italia dia manao veloma anareo. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana! Amena! Tsarovy izay mifatotra ka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampijalina satria manana vatana mety mijaly koa ianareo. Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
Ny tenin’ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; izay tezeran’NY TOMPO no ho latsaka ao.
mba hiarovana anao amin’ny vehivavy jejo, dia amin’ny vehivavy janga izay manao teny manodoka. Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho.
Ny masonao no jiron’ny tena; koa raha tsara ny masonao dia mazava ny tenanao manontolo; fa raha ratsy izany dia maizina koa ny tenanao.
Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe.
Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany. Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Ny vehivavy adala dia vavàna; kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. Mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy ary amin’ny seza eny amin’ny toerana avo eo an-tanàna mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin’ny alehany ka miteny hoe: Iza no kely saina? Aoka izy hivily hankaty! Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Mamy ny rano nangalarina, ary fy ny mofo hanina miafina! Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, ary any amin’ny lalina any amin’ny fitoeran’ny maty ny olona nasainy.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fankatoavanareo. Ary faly aho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo ary tsy hiharo amin’izay ratsy.
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara.
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana: Mba ho reharehako izany amin’ny andron’i Kristy ka tsy ho nihazakazaka foana na nisasatra foana aho.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5). Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo manontolo ka ho voatahiry avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana NY TOMPO; ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny lalana ratsy ary ny teny lainga dia samy halako avokoa.
Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; atsaharo ny fanaovan-dratsy; Mianara hanao ny tsara, katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa Ilay naterak’Andriamanitra no miaro azy ka tsy mikasika azy akory ilay Ratsy.
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
Nefa raha tsy maharitra izy dia aoka hanambady ihany; fa tsara ny manambady noho ny ho maimay.
Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala; Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo, ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza. Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy. Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo. Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy; mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo. ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.