Rehefa nilaza Jesosy hoe "Izaho no mofon’aina", tiany hambara fa Izy dia ampy tsara hameno ny hanoanantsika ara-panahy, ankoatra ny ara-batana. Sakafo ho an'ny fontsika, ny saintsika, ary ny vatantsika Izy, izay rehetra ilain'ny olombelona dia ao Aminy avokoa.
Amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina no andraisantsika ny hery izay mampatanjaka sy mampitombo antsika araka ny tokony ho izy. Ny tenin'Andriamanitra no manome aina antsika sy manova antsika ho olom-baovao.
Raha vao mihinana Azy isika dia miova tanteraka ny fiainantsika, satria ny teniny no tena mikarakara ny vatantsika. Samy mahatsapa faniriana isika rehetra, saingy afaka mahatsiaro ho voaro isika rehefa mampanantena Izy fa hanome izay rehetra ilaina, satria Izy irery ihany no manana izany hery izany.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra.»
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
Nampietry tena anao Izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa;
Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
Nandatsaka mana teny aminy hamelona azy Izy, ary varin’ny lanitra no nomeny azy. Dia samy nihinana ny mofon’ny mahery izy; nandefa hanina taminy Izy, ka nataony voky izy ireo.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.»
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: «Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?» Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra.»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra.» Ary hoy izy ireo taminy: «Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.» Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: «Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?» tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: «Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?» Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe: «Inona itony?» satria tsy fantany. Hoy i Môizy tamin’izy ireo: «Itony no mofo omen’i Iaveh ho fihinanareo.
Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: «Raiso, Vatako ity.»
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Raha efa izany, dia nandray mofo Izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe: «Vatako ity izay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana Ahy.»
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
Dia hoy i Jesoa namaly azy: «izay rehetra misotro amin’ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin’ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»
Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?
Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao anatin’izay mino Ahy, araka ny volazan’ny Soratra Masina.»
Fa hoy i Jesoa taminy: «Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra»
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va? Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: «Raiso ary hano, Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.» Toy izany koa, nony efa nihinana, dia noraisiny ny kalisy ary hoy Izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo» Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
Aza mety havilin’ny fampianarana samihafa ianareo; fa aleo mampiorina ny fo amin’ny fahasoavana, toy izay amin’ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy.
Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo;
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina.
Tsy avelan’i Iaveh ho mosarena ny marina, fa toheriny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.