Aza adino fa ho avy indray i Kristy, isan'andro izany no tokony hotsaroantsika. Mba ho vonona amin'izany, mila miaina ny finoantsika miaraka amin'ny mpiara-mivavaka amintsika isika, mifanome hery hiaina araka ny Tenin'Andriamanitra.
Tsy fantatsika ny andro hiverenan'i Jesosy, ka mila miomana hatrany isika hihaona Aminy. Ny fitiavana no manafaka antsika amin'ny tahotra ny amin'ny fiaviany, ary mameno antsika fanantenana ny hiara-dia Aminy sy Andriamanitra.
Tamin'ny fiaviany voalohany, dia efa nanatanteraka faminaniana maro i Jesosy Kristy, nefa mbola misy ihany ny mbola miandry fahatanterahana. Ny fiaviany fanindroany no fanantenantsika, satria matoky isika fa Andriamanitra no mifehy ny zavatra rehetra ary mahatoky amin'ny fampanantenany.
Araka ny voasoratra ao amin'ny Jaona 14:1-4 (DIEM): "Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho".
Noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay tsy mendrika antsika akory, dia manana fanantenana isika ho voavonjy sy hiara-mitoetra Aminy mandrakizay.
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.
Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rehefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!
Fa ny amin’izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany.
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe. Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indro nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany, nanao hoe: «Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny i Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra.»
Fa izay menatra Ahy sy ny teniko, ho menatra azy koa ny Zanak’olona raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy, ary ny an’ny Anjely masina.»
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an’efitra Izy, aza mankany ianareo; indro any amin’ny efitrano mangingina Izy, aza mino izany. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’olona.
Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanasiana tombokase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
dia tsy latsa-danja noho ny hafa ianareo amin’ny fahasoavana rehetra, hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Fa ny amin’izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany. Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona. Fa tamin’ny andro nialoha ny safodrano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.
Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra. Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy, eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.»
Fa hivoaka i Iaveh hiady amin’ireo firenena ireo, toy ny fiadiny amin’ny andro fiadiana. Amin’izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-tendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an’i Jerosalema amin’ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miantsinanana sy miankandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe, fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo;
Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombokase ny teny faminaniana amin’ity boky ity, fa efa antomotra ny fotoana.
Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika.
Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.
Izao no angatahina aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany; tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany; nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany; nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha; izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
Amin’izany andro izany, ny tongony hipetraka eo an-tendrombohitry ny Oliva, izay manandrify an’i Jerosalema amin’ny lafiny atsinanana, ka hitresaka eo afovoany miantsinanana sy miankandrefana ny tendrombohitry ny Oliva, ka hisy lohasaha lehibe, fa ny antsasaky ny tendrombohitra hitresaka mianavaratra, ary ny antsasany kosa hianatsimo;
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.»
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
«Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»
Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra. Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika. Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa. satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalòvana ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo
Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Aoka àry ianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo. Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly. ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambara-piavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela.
Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra; ary ny kintan’ny lanitra niraraka tamin’ny tany, toy ny voan’aviavy manta mihintsana fa voahozongozon’ny rivotra mafy. Ny lanitra niampirina toy ny horonan-taratasy, ary ny nosy aman-tendrombohitra rehetra nesorina tamin’ny toerany. Ny mpanjakan’ny tany, ny lehibe sy ny mpifehy arivo, ny mpanan-karena sy ny olo-mahery, ary ny mpanompo sy ny tompo dia nisitrika tany amin’ny zohy sy vaton’ny tendrombohitra, ary nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Mianjerà aminay, ka afeno amin’ny Tavan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry izahay; fa tonga ny Androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona?»
Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin’ny kibony, ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenany hoe ho avy? Fa hatrizay nahafatesan’ny razana izay, tsy misy miova ny zavatra rehetra, fa toy ny hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ihany.»
satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. aza manamavo ny faminaniana, fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo. Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany. Mivavaha ho anay, ry kristianina havana! Mampanao veloma ny rahalahy rehetra amin’ny fanorohana masina izahay. Mihanta aminareo amin’ny Anaran’ny Tompo aho, mba vakio amin’ny rahalahy rehetra ity taratasy ity. Ho ao aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen. Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.
Ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry kristianina havana, sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an’izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena. Hany ka anirahan’Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo, hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina; ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin’izany, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa tomoera tsara, ry kristianina havana; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay. Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra! mba tsy hety hohozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo.
Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony; ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra. Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy. Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo. Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.»