Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


89 Versículos sobre el Juicio de Dios hacia quienes practican la Santería

89 Versículos sobre el Juicio de Dios hacia quienes practican la Santería
Isaia 65:3

firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:11

Kanjo hanjo anao ny fahoriana nefa tsy ho fantatrao izay fiposahany; hahazo anao ny loza nefa tsy ho hainao sakanana; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana nefa tsy hampoizinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 66:1

Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Malakia 3:5

Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona hanameloka haingana ny mpitana ody, ny mpijangajanga, ny mpanao fianianana mandainga ary ny mpampahory ny mpikarama mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty, izay mampahory ny vahiny fa tsy matahotra Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 26:30

Dia horavako ny toerana fanaovanareo sorona ary hokapaiko ny tsangankazon-tsampinareo ho an’ny masoandro ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo ary ho halan’ny fanahiko ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:24

Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 31:1

Ary nilaza izao teny izao tamin’ny Israely rehetra indray i Mosesy hoe:

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 51:17-18

Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; menatra ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ny sarin-javatra voasokitra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika satria tsy misy fofonaina ao aminy. Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 19:26

Aza mihinana zavatra misy ra; aza manao sikidy na manandro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 13:1-3

Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo ka araho; aza ampianao na anesoranao ireny. fa vonoy ho faty izy; ny tananao no hamono azy voalohany, izay vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anao hiala amin’NY TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niala avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana. Ary handre izany ny Israely rehetra dia hatahotra ka tsy hanao ratsy eo aminao toy izany intsony. Raha mandre teny ny amin’ny tanànanao iray izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao honenanao ianao hoe: Nisy olona tena ratsy fanahy avy teo aminao ka nitaona ny mponina tao an-tanànany hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo, dia hadihadio sy fotory ary adino tsara. Koa raha fantatra fa nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany dia asio amin’ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’io tanàna io ka ataovy ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ny lelan-tsabatra ihany koa. Ary angony eo afovoan’ny kianja ny entana nobaboina rehetra ka doroy amin’ny afo ho an’NY TOMPO Andriamanitrao avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra tao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony. Dia aoka tsy hisy hiraikitra amin’ny tananao akory ny zavatra efa natolotra ho zavatra voaozona, mba hitsaharan’NY TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra ka hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hanamaroany anao araka izay nianianany tamin’ny razanao, raha henoinao ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremanao ny didiny rehetra izay omeko anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao. Raha toa ka misy mpaminany na mpanonofy mitsangana eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady miteny hoe: Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrao ka aoka hanompo azy isika; na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 45:16

Hitsanga-menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra hivavahana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Nahoma 3:4

Izany dia noho ny habetsahan’ny fijangajangan’Ikala janga tsara tarehy, sady mpilalao sikidy, izay mivarotra firenena amin’ny fijangajangany sy fokom-pirenena amin’ny ody ratsiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 15:23

Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 115:4-7

Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre; manana orona izy nefa tsy manimbolo; manan-tanana izy nefa tsy mandray; manan-tongotra izy nefa tsy mandeha ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 7:25

Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 16:20

Moa mahay manao andriamanitra ho an’ny tenany va ny olona? Tsy andriamanitra ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 17:17

Nampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo izy sady nanao ody sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ka nahatezitra Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 23:24

Nesorin’i Josia koa ny mpiantso ny fanahin’ny maty, ny mpanandro, ny terafima, ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ny tany Joda sy tany Jerosalema, mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkia mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zefania 1:4

Manainga ny tanako Aho mba hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity toerana ity ny sisa amin’ny Baala sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamanitra tsy izy mbamin’ny tena mpisorona

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 14:14

Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 21:21

Miomàna ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa ka mandrosoa eo ankavia, amin’izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:12-13

Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny sikidinao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely! Angamba hahazo soa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao! Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:19

ary tandremo sao miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka ho voataona hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, kanefa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao ho anjaran’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 18:23

ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 20:27

Ary na lehilahy na vehivavy no miantso ny fanahin’ny maty na ny mpanandro dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy ny olona ary ny rany dia ho aminy ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mika 5:12

Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra sy ny tsangambaton-tsampinao ka tsy hiankohoka eo anatrehan’ny asan’ny tananao intsony ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tantara 10:13

Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 22:18

Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 20:6

Ny olona izay mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na izay mpanandro ka hijangajanga hanaraka azy dia hifanandrina aminy ny tavako ka hesoriko tsy ho eo amin’ny fireneny izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 21:6

Ary ny zanany dia nampamakivakiny ny afo sady nanandro no nanao sikidy izy ary naka ny mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; eny, tsy nitsahatra nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 12:29-31

Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamihafa izay alehanao ka horesenao, ary handresy azy ireny ianao ka honina eo amin’ny taniny, Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany. dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany. Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 20:3

Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 18:10-12

Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamakivaky afo, na mpisikidy, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpitahiry ody, na manao azy ho masim-bava, na mpanadina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty, na mpisikidy, na mpila hevitra amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra manao ireo zavatra ireo, ary izany fahavetavetana izany no androahan’NY TOMPO Andriamanitrao azy eo anoloanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 8:19-20

Raha misy milaza aminareo hoe: Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro, izay mingonongonona sy miboredidredika! Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy? Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia. Ho amin’ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy dia ho olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 44:25

Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho ary mahavery saina ny mpisikidy; mampihemotra ny olon-kendry Aho ka mampody ny fahalalany ho fahadalana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 27:9

Aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpisikidinareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpilalao odinareo, izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 19:19

Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 13:10

sady niteny hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny hafetsena rehetra, Ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lalan’ny Tompo izay mahitsy va Ialahy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 22:15

Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 21:8

Fa ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany no fahafatesana faharoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:19-21

Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 96:5

Ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:28

Nikambana tamin’i Baala-Peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ny maty.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zakaria 10:2

Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 13:18-20

Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo! Manamavo Ahy ao amin’ny oloko ianareo noho ny varimbazaha eran’ny tanana ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny ain’olona izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny ain’olona izay tsy tokony hovelomina, amin’ny andainganareo amin’ny oloko izay mihaino ny lainganareo. Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Israely izay maminany, koa lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo! Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:12-14

Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny sikidinao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely! Angamba hahazo soa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao! Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. Indro fa ho tahaka ny mololo ireo: Ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo; tsy misy vainafo hamindroana akory; eny, fa na afo hitaninana aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 23:13

Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 32:35

ary nanorina ny toerana fanaovana sorona ho an’i Baala, izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izy mba hampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo ho an’i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 44:9

Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 14:6

Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 97:7

Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy. Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO ianareo andriamanitra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:9

Kanjo hanjo anao tampoka ireto zavatra roa ireto, ao anatin’ny indray andro monja, dia ny fahafoanan’anaka sy ny maha mpitondratena; hotanterahina aminao avokoa izany na dia maro aza ny sikidinao, ary na dia be dia be aza ny odinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 19:3-4

ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hahatonga loza amin’ity tanàna ity Aho ka izay mandre izany dia hangintsina ny sofiny, satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ny andriamanitra hafa izay tsy fantany akory, ary tsy fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda izy. Efa nameno ity tanàna ity tamin’ny ran’ny tsy manan-tsiny izy

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 44:3

noho ny ratsy nataony nampahatezitra Azy tamin’ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompo andriamanitra hafa izay tsy fantany, na izy, na ianareo, na ny razanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 1:29

Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ny hazo terebinta izay nifalianareo ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny saha izay nofidinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 13:23

dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana tsy marina intsony ianareo, fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 23:30

Hatao aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny Jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ny sampiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 16:3

ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Jerosalema: Ny tany Kanana no niavianao sy nahaterahanao; Amorita ny rainao ary Hetita ny reninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 17:5

Izao no lazain’NY TOMPO: Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’NY TOMPO ny fony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:28-32

Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao; feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fitiavan-karena ary ny lolompo izy, feno fialonana, vonoan’olona, fifandirana, fitaka, otri-po; mpanendrikendrika, izany dia ny amin’ny Zanany izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy manam-pahalalana, mpivadi-panekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’Andriamanitra hoe: Izay manao izany zavatra izany dia mendrika ho faty; nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao izany kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:15

Fandrao ianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny, na koa hanasa anao izy ka hihinana amin’ny fanatiny ianao;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 4:6

Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana. Satria nandà ny fahalalana ianao, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 23:13

Nolotoin’ny mpanjaka ireo toerana fanaovana sorona izay teo anoloan’i Jerosalema, teo amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo naorin’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, ho an’i Astarta, fahavetavetan’ny Sidoniana, sy ho an’i Kemosy, fahavetavetan’i Moaba, ary ho an’i Milkoma, fahavetavetan’ny taranak’i Amona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 13:18-23

Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo! Manamavo Ahy ao amin’ny oloko ianareo noho ny varimbazaha eran’ny tanana ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny ain’olona izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny ain’olona izay tsy tokony hovelomina, amin’ny andainganareo amin’ny oloko izay mihaino ny lainganareo. Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Israely izay maminany, koa lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo! Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely. Hotriariko koa ny voalinareo ka hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ny tananareo ho haza intsony izy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO. Satria lainga no entinareo manaketraka ny fon’ny marina izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ny ratsy fanahy mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy, dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana tsy marina intsony ianareo, fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 3:1

Ry Galatiana adala, iza no namosavy anareo? Teo imasonareo indrindra anefa no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 101:3

Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:104

Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 2:8

Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 6:14-17

Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Inona no ifandraisan’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12). «Koa mialà eo aminy ianareo ka misaraha aminy, hoy NY TOMPO; aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho handray anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:8

Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:15

Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:30

Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 4:7

Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:30

Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:2

Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:21

Tsy afaka sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo ianareo no hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy afaka sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo ianareo no sady hihinana amin’ny latabatry ny demonia.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:15

Mino ny teny rehetra ny kely saina, fa ny mahira-tsaina dia mandinika ny diany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:128

Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; halako ny lalam-pitaka rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:5-6

Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 54:17

Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:7

Ny Anjelin’NY TOMPO dia mitoby manodidina izay matahotra Azy ka manafaka azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 18:30

Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:8

Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 6:23

Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 97:10

Ianareo izay tia NY TOMPO, mankahalà ny ratsy! Miaro ny ain’ny olony masina Izy ary manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 5:20

Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina, izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:14-15

Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:18

Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa Ilay naterak’Andriamanitra no miaro azy ka tsy mikasika azy akory ilay Ratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra