Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra. Raha hitarin’NY TOMPO Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irinao ianao. Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hasiany ny anarany dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’osinao izay nomen’NY TOMPO anao, araka izay nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irinao izany. Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny; na ny olona tsy madio na ny madio dia samy mahazo mihinana azy. Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra, fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao. Aza mihinana ny ra ianao fa aidino amin’ny tany toy ny rano izy; eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO. Fa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO. Ary atolory eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao ny fanatitrao dorana manontolo, dia ny henany sy ny rany; ary ny ran’ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany. Tandremo ka henoy izao teny rehetra izao izay omeko anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manatanteraka izay tsara sy mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Rehefa aringan’NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamihafa izay alehanao ka horesenao, ary handresy azy ireny ianao ka honina eo amin’ny taniny, Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.
Ary handre izany ny Israely rehetra dia hatahotra ka tsy hanao ratsy eo aminao toy izany intsony. Raha mandre teny ny amin’ny tanànanao iray izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao honenanao ianao hoe: Nisy olona tena ratsy fanahy avy teo aminao ka nitaona ny mponina tao an-tanànany hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo, dia hadihadio sy fotory ary adino tsara. Koa raha fantatra fa nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany dia asio amin’ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’io tanàna io ka ataovy ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ny lelan-tsabatra ihany koa.
Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka azy ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny Baala sy i Aseraha ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra hiala amin’ny tempolin’NY TOMPO ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema teny amin’ny saha amoron’i Kidrona ireny ary noentiny ho any Betela ny vovony. Natsahany koa ny mpisorona tamin’ny andriamanitra tsy izy izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ireny toerana fanaovana sorona tany amin’ny tanànan’i Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ny Baala sy ny masoandro ary ny volana sy ny antokon’ny kintana eny amin’ny habakabaka mbamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.
Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe: Ianareo no andriamanitray!
Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; ary hitoloko manerana ny taniny rehetra ny voatrobaka.
Amin’izany andro izany dia hitodika amin’ny Mpanao azy ny olona, ary hijery ny Iray Masin’ny Israely ny masony. Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.
Nanangana alitara ho an’ny Baala tao amin’ny trano naoriny manokana ho an’izany tao Samaria izy.
Ary ny soavaly izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro ka nataony teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo akaikin’ny efitranon’i Natana-Meleka tandapa, izay tao amin’ireo trano madinika tao an-kianjan’ny tempoly, dia noesoriny; ny kalesin’ny masoandro koa dia nodorany tamin’ny afo.
Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay nandraran’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
Arionareo ary ankehitriny ny andriamanitra hafa izay eo aminareo ka ampanatony NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny fonareo.
Ary niteny tamin’ny Joda izy hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra.
Alohan’izany anefa dia hovaliko avo sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ireo fatin’ny sampiny sy fahavetavetany ireo.
Satria i Manase, mpanjakan’ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ny sampiny,
Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy.
Ambaraonareo, eny, torio any amin’ny firenena, ary manangàna faneva, torio fa aza afenina, lazao hoe: Azo i Babilona! Mangaihay i Bela, raiki-tahotra i Merodaka! Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony ary raiki-tahotra ny sampiny!
Fa nanaraka an’i Astarta, andriamani-bavin’ny Sidoniana, sy i Milkoma, fahavetavetan’ny Amonita i Solomona. Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO i Solomona ka tsy mba tanteraka tamin’ny fanarahana Azy tahaka an’i Davida rainy. Tamin’izany i Solomona dia nanorina toerana fanaovana sorona ho an’i Kemosy, izay fahavetavetan’i Moaba, teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema, ary koa ho an’i Moloka, izay fahavetavetan’ny taranak’i Amona.
Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany;
Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy.
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy.
Any amin’ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, ary ho rava ny toerana fanaovana sorona mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo; hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, hokapaina ny tsangankazonareo ho an’ny masoandro ka ho foana ny asanareo.
Mangozohozo i Bela, miraika i Nebo; ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; ianareo no tokony hitondra izany nefa novesaranareo azy ka tonga enta-mavesatra entin’ny biby reraka!
Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay eo anilany.
Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao ireny? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao; fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.
Toy ny tsangankazo voaravaka izy fa tsy mahateny, entina foana izy fa tsy mba afa-mandeha; ary aza matahotra azy fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?
Fanaovan’ny olona kitay izany ary analany hamindroany. Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo sady anaovany andriamanitra ka ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany ka iankohofany.
Dia hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely rehetra: Raha miverina amin’NY TOMPO amin’ny fonareo manontolo tokoa ary ianareo dia ario hiala aminareo ny andriamanitra tsy izy sy ireo Astarta ka ampiomany ho an’NY TOMPO ny fonareo, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny Filistina Izy.
Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Israely, voasoratra teny amin’ny rindrina manodidina.
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamanitra hafa any amin’ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekena nataoko taminy.
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandanianao vola be sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ny nijangajanganao tamin’ireny mpitia anao ireny sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ny zanakao izay naterinao ho an’ireo,
Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Nesorin’i Josia koa ny mpiantso ny fanahin’ny maty, ny mpanandro, ny terafima, ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ny tany Joda sy tany Jerosalema, mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkia mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa, tsy mba handraraka ny ra aidiny ho fanatitra aho ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.
Ary nitsangana izy ireo dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary noravany koa ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ny hazo terebinta izay nifalianareo ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny saha izay nofidinareo.
Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo ary hoentinareo ny heloka noho ny sampinareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa.
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy. Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO ianareo andriamanitra rehetra.
Ny alitara izay tao Betela sy ny toerana fanaovana sorona izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ilay nampanota ny Israely, dia noravany koa; nodorany ny toerana fanaovana sorona ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha. Ary nitodika i Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia nandefa olona haka ny taolana tao am-pasana izy ary nodorany teo ambonin’ny alitara ireny mba handotoany azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay notorin’ilay lehilahin’Andriamanitra.
Ankehitriny dia mbola manota ihany izy, ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa. Ireny dia lazaina fa olona no vonoiny hatao fanatitra ary manoroka ombilahy kely izy.
Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambaton-tsampiny ary jinjao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany.
Nony vita izany rehetra izany dia niainga nankany an-tanànan’i Joda ny Israely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ary nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny alitara manerana an’i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’Israely rehetra avy eo.
Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny. Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao hampanota anao Amiko izy raha manompo ny andriamaniny ianao ka ho fandrika ho anao izany.
Mamitaka ny fony, koa hovaliana izy izao noho ny helony. NY TOMPO no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.
Hoy i Elia tamin’izy ireo: Sambory ireo mpaminanin’ny Baala! Aza avela hisy afa-mandositra na dia iray akory aza! Dia nosamborin’ny olona izy ireo ary noentin’i Elia ho eo amin’ny ony Kisona ka novonoiny tany.
Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.
Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy avy any amin’ny tany lavitra hoe: Moa tsy ao Ziona intsony va NY TOMPO? Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny?
Aza manao andriamanitra volafotsy ho fanampiko, ary aza manao andriamanitra volamena ho anareo.
tandremo manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy, na sarim-biby izay etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ny habakabaka, na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ny tany, na sarin’ny hazandrano any anaty rano ambanin’ny tany;
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany.
Horavana ny alitaranareo, hopotehina ny tsangankazo ho an’ny masoandro ary hataoko mitsitra eo anoloan’ny sampinareo ny fatinareo.
Izy no nandrava ny toerana fanaovana sorona sy namakivaky ny tsangambaton-tsampy ary nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’i Mosesy; fa ny Zanak’Israely dia nandoro ditin-kazo manitra tamin’iny hatramin’izany andro izany ka ny anarany nataony hoe Nehostana.
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: Horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hokapainareo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary hodoranareo amin’ny afo ny sarin-javatra voasokitra.
Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.
Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny ianao, na manompo azy, na manao toy ny fanaony; fa aringano tokoa izy ary poteho tanteraka ireo tsangambaton-tsampiny.
Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay eo anilany. Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.
Ary ireo alitara teo amin’ny efitrano ambony, teo an-tampon-trano tamin’ny tranon’i Ahaza, izay nataon’ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny alitara izay nataon’i Manase tao anatin’ny kianja roa tamin’ny tranon’NY TOMPO, dia noravan’ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
Dia notorotoroiny ireo tsangambaton-tsampy sady nokapainy koa ireo tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ka nofenoiny taolan’olona ny toerana nisy azy.
Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ireo firenen-tsamihafa izay noroahinareo, ny andriamaniny teny ambonin’ny tendrombohitra avo sy havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Novonoiny teo ambonin’ny alitara koa ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona tamin’ny toerana fanaovana sorona; ary nandoro taolan’olona teo izy vao niverina nankany Jerosalema.
Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.
Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianao ka miteny hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa dia mba hanao toy izany. Aza manao toy izany amin’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’NY TOMPO, no nataony tamin’ny andriamaniny; ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dia nodorany tamin’ny afo ho an’ny andriamaniny.
Ny olona izay mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na izay mpanandro ka hijangajanga hanaraka azy dia hifanandrina aminy ny tavako ka hesoriko tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany ary horavanareo ny sampy vatony rehetra, holevoninareo ny sarin-javatra narendrika voalasitra rehetra nataony, hopotehinareo ny toerana fanaovany sorona rehetra;
Holevoninao ny firenena rehetra izay hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao anao, koa aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
Nopotehiny koa ny tsangambaton’ny Baala sy ny tempoliny ka nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
Koa indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatra voasokitr’i Babilona; ho menatra ny taniny rehetra; ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Ary rehefa voatolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao dia ataovy ho zavatra voaozona mihitsy izy ireny fa aza manao fanekena aminy na mamindra fo aminy.
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao an-tranon’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra dia notorotoroiny avokoa ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala.
Noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo ka nodorako tamin’ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko ho madinika tahaka ny vovoka; ary nariako teo amin’ny renirano izay midina avy amin’ny tendrombohitra ny vovony.
Ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha dia navoakany hiala tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any ivelan’i Jerosalema, ao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona; nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary nafafiny teny ambonin’ny fasam-bahoaka ny vovony.
Dia nalainy ilay ombilahy kely izay nataon’ny olona ka nodorany tamin’ny afo ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny teo ambonin’ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’Israely.
Nesoriny tamin’ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon’ny rainy. Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra teo aminy dia notorotoroiny tanteraka ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala. Ary nanendry ny olona ho mpitandrina ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona.
koa aza manao fanekena amin’ireo mponina amin’ity tany ity ianareo fa ravao ny alitarany. Kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Koa inona moa izao nataonareo izao?
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.
Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.
Ary na dia Imaka, renin’i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy satria nanangana sampy ho an’ny Aseraha izy; ary nikapa ny sampiny i Asa dia nanorotoro izany ka nandoro azy tao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
Ny ampitson’iny indray dia nifoha vao maraina ny olona ka indro i Dagona potraka niankohoka tamin’ny tany indray, teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, ary tapaka teo amin’ny tokonam-baravarana ny lohan’i Dagona sy ny felatanany roa, fa ny tenabeny ihany no sisa.
Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra.
dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany; eny, fony tsy mbola tonga aza izany dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika no nandidy izany.
Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny fanesorana ny fahotany: Ny hanaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny tsangambato ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony; fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary mahalasa adala azy ny sampiny mahatahotra.
Hongotako tsy ho eo aminao ny tsangankazon-tsampin’ny Aserahanao ary horavako koa ny tanànanao.
Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre; manana orona izy nefa tsy manimbolo; manan-tanana izy nefa tsy mandray; manan-tongotra izy nefa tsy mandeha ary tsy mahaloa-peo ny tendany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana.
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia nanomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy; ary tamin’ny taona faharoa amby folo dia nanomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy toerana fanaovana sorona, na tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra voarendrika intsony. Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ny lehilahy rehetra tamin’i Joda, ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Ary ny mpanjaka dia nijoro teo amin’ny toerany, dia nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO hanaraka Azy ka hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany izy, nasainy hifikitra tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nandeha araka ny faneken’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany. Nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’Israely i Josia sady nanome didy izay rehetra teo amin’ny Israely hanompo NY TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Josia dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ny olona. Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy. Ary nandoro ny taolan’ny mpisorona teo ambonin’ny alitarany izy, dia nanadio an’i Joda sy Jerosalema. Tany amin’ny tanànan’ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ny Naftaly, dia tao amin’ny tanànany izay rava teny amin’ny manodidina, dia noravany koa ny alitara sy ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha; ny sarin-javatra voasokitra dia nomongomongoiny ho vovoka; ny fandoroana ditin-kazo manitra manerana ny tanin’ny Israely rehetra dia nazerany; dia niverina ho any Jerosalema izy.
Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.
Indro, tena tsinontsinona ianareo, ary ny asanareo dia tena naman’ny zava-poana; fahavetavetana ny nifidianana anareo.