Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina fa Ianao no itokiako. Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako fa Aminao no anandratako ny fanahiko.
Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Ho foana ny tetikasa raha tsy misy fiheveran-draharaha, fa raha maro ny mpanolotsaina dia tanteraka izany.
Mampandeha ny mpandefitra amin’ny fahamarinana Izy ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Fa izany no Andriamanitra, Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika mandra-pahafaty.
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Israely: Izaho, TOMPO Andriamanitrao, no nampianatra anao mba hahitanao soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
Ny saina omenao no itarihanao ahy ary rehefa afaka izany dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina. Mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy fo Izy, ary ampinga ho an’izay mandeha tsy misy tsiny; mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy, ary miaro ny lalan’ny olony masina. Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho fa misy ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô; tariho amin’ny lalana tokony halehako aho noho ny fahavaloko.
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony.
Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina.
Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.
Hisaotra NY TOMPO izay manolotsaina ahy aho; na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao. Aoka ny foko manontolo hatahotra ny anaranao.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro; ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).
Omeo fahiratan-tsaina aho mba hitandrina ny lalànanao; eny, hitandrina azy amin’ny foko manontolo aho. Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho fa izany no sitrako.
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara.
Fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy.
Mivavaha ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
Ataovy marina ny lalana alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny alehanao rehetra. Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; aoka hihataka amin’ny ratsy ny tongotrao.
Fa izao no lazain’ny Tompo, dia NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fahanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo. Nefa tsy nety ianareo!
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy.
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!
Ary izao no toky ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Ampifalio aho, dia izaho mpanomponao; fa Aminao, Tompo ô, no anandratako ny fanahiko. Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.
tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo,
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
dia nitondra azy tamin’ny lalana mahitsy Izy mba hankanesany any amin’izay tanàna honenana.
Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba! Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, sy handehanantsika amin’izay tokony haleha. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
Hoy Izaho aminareo: Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.
Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany ny masoko mba hitoerany ato amiko; izay mandeha amin’ny lalana marina no hanompo ahy.
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.
Izany koa dia avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; fa mahagaga amin’ny fikasany Izy, ary mahatalanjona amin’ny fahendreny!
Ny Tompo anie hampitodika ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ho amin’ny faharetan’i Kristy.
Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
Miandry NY TOMPO ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ifalian’ny fontsika satria ny anarany masina no itokiantsika.
Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Noho izany, izahay koa dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo hatramin’ny andro nandrenesanay, mba hofenoina ny fahalalana ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy,
Fa fantatry NY TOMPO ny lalan’ny marina; mankany amin’ny fahaverezana kosa ny lalan’ny ratsy fanahy.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hisalasala akory; fa izay misalasala dia toy ny alondranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Koa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo ny olona toy izany: Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.
Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; Mivoria ka avia ary miaraha manatona, ianareo Jentilisa sisa afaka! Tsy manam-pahalalana ireo izay mitondra ny hazo natao sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy. Ambarao ka asehoy mazava! Eny, aoka hiara-misaina izy ireo! Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho TOMPO va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa. Ny tenako no nianianako, ny vavako no ivoahan’ny fahamarinana, teny tsy hiverina foana izany, dia ny hoe: Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra sy hianianan’ny lela rehetra hoe: Ao amin’NY TOMPO ihany no voalaza fa misy fahamarinana sy hery; ka Izy ihany no hohatonin’ny olona amin-kenatra, dia ireo rehetra tezitra Aminy. Ao amin’NY TOMPO no hanamarinana ny taranak’Israely rehetra sy hananany rehareha. dia homeko anao ny harena ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Israely.
Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana. Miresaka fahendrena ny vavan’ny marina ary manambara ny rariny ny lelany. Ny lalànan’Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany. Ny ratsy fanahy dia mitsikilo ny marina ka mitady ny hahafaty azy; NY TOMPO anefa tsy hahafoy azy eo an-tanany na hamela azy ho voaheloka raha tsaraina. Miandrasa NY TOMPO ka tandremo ny lalany dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly ianao hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy. Efa hitako ny ratsy fanahy fa loza loatra izy; nisandrahaka tahaka ny hazo maitso naniry ho azy. Kanjo nandalo izy ka indro, tsy teo intsony. Nitady azy aho nefa tsy hita izy. Diniho ny tsy misy tsiny ka jereo ny mahitsy; manana ny ho aviny ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota kosa dia hiara-haringana; ho fongotra ny hoavin’ny ratsy fanahy. Ny famonjena ny marina dia avy amin’NY TOMPO; fiarovana mafy ho azy Izy amin’ny andro fahoriana. Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.
Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hisaina toy izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany raha sendra manana sain-kafa ianareo.
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
NY TOMPO no mitantana ny dian’ny olona; fa ny olombelona, hataony ahoana ny hahafantatra ny lalany?
Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
mba tsy ho ketraka ianareo fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.
Fa izaho dia hivavaka Aminao amin’ny andro fankasitrahana, TOMPO ô, dia Aminao, Andriamanitra ô, noho ny haben’ny famindramponao! Valio aho araka ny hamarinan’ny famonjenao!
Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
Hoy Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka. Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony; fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany. Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana! Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena; sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra. Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana.
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,
Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa; koa ho fantatrareo ny marina ary ny marina no hanafaka anareo tsy ho andevo.
Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!
Atongilano ny sofinareo ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa dia ho velona ianareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.
Ary Andriamanitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Ny tananao no nanao ahy sy nanamboatra ahy; omeo saina mahiratra aho mba hianarako ny didinao.
Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany;
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina. Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
Na dia misy tafika mitoby hiady amiko aza dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza dia hatoky ihany aho.
Ny anatro no raiso fa tsy ny volafotsy; aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina. Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; tsy azo ampitahaina aminy ny zavatra mampitsiriritra rehetra.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika raha mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika hatramin’ny farany;
Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy.
Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
Fa izay mampitoetra anay sy ianareo ao amin’i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, satria atao ao amin’Andriamanitra izany.
Fa avy aminy no nahatonga anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, izay natao fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika, ary koa fahamarinana, fahamasinana ary fanavotana,
Ataovy amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana ny zavatra rehetra mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,