Ry sakaiza, ny fahombiazanao amin'ny dingana rehetra amin'ny fiainanao dia miankina betsaka amin'ny eritreritrao. Araka ny voalazan'ny Baiboly hoe: "tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny olona". Andraikitrao ny miaro ny eritreritrao. Ianao no manana ny fahefana hanapa-kevitra izay avelanao hiditra ao an-tsainao, izay misy fiantraikany aminao, ary izay mampatanjaka anao. Ianao irery ihany no afaka mandroaka izay mandoto anao sy mitahiry izay manosika anao.
Betsaka ny olona mameno ny sainy amin'ny eritreritra tsy mampandroso, ka tonga hatramin'ny fahaketrahana mihitsy aza. Matetika izy ireo tsy mahatsapa ny eritreriny raha tsy efa mitomany, tsy fantany fa ny eritreriny no mitondra aretina ho an'ny vatany sy manimba ny fifandraisany amin'ny hafa. Ny fahavalo dia manararaotra ireo fahalemena ara-tsaina ireo, mamafy eritreritra miteraka alahelo sy mitondra fahatsiarovana ratsy, ka manakana ny fandrosoana eo amin'ny fiainana.
Kanefa, izany rehetra izany dia hitsahatra tsy hampangovitra anao raha vao ao an-tsainao ny tenin'Andriamanitra ary ampiasainao ho ampinga hiatrehana ny fanafihan'ny fahavalo. Rehefa misaintsaina ny Soratra Masina ianao dia mivelatra ny fahitanao, miverina ny tanjon'ny fiainanao ary manomboka mino mafy izay lazain'ny Ray momba anao ianao.
Andraikitrao ny miaro ny eritreritrao; raha mino ianao fa mahavita ny tanjonao, dia ho tanteraka izany. Fa raha mino ianao fa tsy ho vitanao izany, dia tsy ho hitanao ho tanteraka ny nofinao.
Anio, eritrereto izay lazain'Andriamanitra momba anao, minoa fa zanany ianao ary nomeny ny fahaizana manonofy zavatra lehibe sy mahatratra izay namoronana anao. Raha misy eritreritra miditra ao an-tsainao izay tsy ahafahanao mankasitraka ny hasarobidy nomen'i Jesosy anao teo amin'ny hazo fijaliana, dia mangataha Aminy mba hanadio anao amin'ny fahasoavany sy hanampy anao hahita ny tenanao araka ny fijeriny anao. Vatosoa sarobidy Izy, ny zavatra nohariny tsara indrindra, ary Izy mieritreritra ny soa ho anao, fa tsy ny ratsy. Aza adino fa araka ny eritreritrao no hitranga aminao. Andraikitrao ny hahatratra ny fahombiazana na ny hiaina ao anatin'ny faharesena.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra.
fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny toetrany. Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; kanjo tsy sitrany akory ianao.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5).
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.
Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny eritreritra hanao ratsy, fa ny teny mamy dia madio.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Ry taranaky ny menarana! Hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.
Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana
Fa «Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?» (Isa 40.13). Kanefa izahay dia manana ny sain’i Kristy.
Fa izay misalasala dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay, TOMPO Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao; raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra; ny asan’ny tananao no eritreretiko.
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena? Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy dia tsy mba nankalaza Azy, araka izay mendrika ho an’Andriamanitra, sady tsy mba nisaotra Azy; fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany ary nihamaizina ny fony donto.
Toa kilalaon’ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny an’ny manan-tsaina kosa dia ny fahendrena.
Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareo dia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy. Neken’ny sasany izany ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana!
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Izay manakorontana ny ankohonany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon’ny hendry.
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ratsy fanahy intsony! Handinika ny fonenany ianao fa tsy ho ao intsony izy! Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.
Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo.
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza; mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao dia hazavain’ireny ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy ireny. Raha ny fahadisoana tsy nahy, iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatro. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny mpiavonavona; aoka tsy hanapaka ahy ireny! Dia ho marina aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe. Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny andro dia samy miteny amin’ny andro mandimby azy ary ny alina dia samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny miasa anefa sady tsy re koa izay feony. Efa lasa ho any amin’ny tany rehetra ny kofehy fandrefesany ary mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao ny teniny; tany no nanaovany tranolay ho an’ny masoandro.
na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay manirery, mamoaka ny mpifatotra ho amin’ny fanambinana Izy; fa ny maditra irery no hitoetra amin’ny tany karankaina.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Mamorona teti-dratsy izy: Efa vonona izao ny tetika! Hady lalina ny ao anatin’ny olombelona, dia ny fony.
TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Fony mbola zaza aho dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho dia nariako ny fahazazana.
Ary hitan’NY TOMPO fa be ny faharatsian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany, koa izay fisainana rehetra foronin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Ratsy avokoa ny andron’ny ory, fa ny faharavoravoana am-po dia sakafom-panasana mandrakariva.
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.
Aza matoky ny mpanapaka, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy ka miverina ho amin’ny tany izy ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo. Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy? Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Fa ny anton’ny didy fandrarana dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy;
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena; eny, noho ny volamena tsy miharo aza.
Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, diniho tsara ny Apostoly sy ny Mpisoronabe izay ekentsika, dia Jesosy
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.
Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao.
Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.
TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko; tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro. Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko; tahaka ny zaza eo amin’ny reniny eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko.
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo milaza azy ho hendry amin’izao tontolo izao dia aoka ho adala izy mba ho tonga hendry.
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,