Andriamanitra ô, lehibe tokoa Ianao! Misy toetra maro tsy takatry ny saintsika olombelona anananao. Mahatohitra ny zavatra rehetra Ianao, Ianao no namorona ary mifehy izao rehetra izao.
Feno fahendrena tsy manam-petra Ianao, mahalala ny zava-drehetra, hatramin'ny fiandohan'ny fotoana ka hatramin'ny farany. Tsy manam-piandohana sy tsy manam-pahataperana Ianao, mandrakizay doria.
Tsara fanahy Ianao ary tia antsika tsy misy fepetra. Ianao no loharanon’ny aina, Ianao no manome fahasoavana sy famindram-po tsy manam-pahataperana. Eo anilantsika Ianao amin'ny fotoan-tsarotra, mitarika antsika amin'ny fanapahan-kevitra.
Marina sy mahitsy foana ny fitsaranao. Andriamanitra ô, mpitsara tsy miangatra Ianao, mahalala ny ataontsika rehetra, ary mitsara amim-pahamarinana.
Ny fiadanana omenao dia mihoatra ny fahatakarantsika. Ny fanatrehanao dia tsy vitan'ny hoe mameno antsika fiadanana fa mampianatra antsika hiaina mifanaraka amin'ny tenantsika sy ny hafa koa.
Mahatoky mandrakariva Ianao na dia eo aza ny fahalementsika sy ny fahadisoantsika. Vonona hamela heloka sy hanome fahafahana vaovao foana Ianao. Tsy miova ny fitiavanao ary tsy mandao antsika na dia amin'ny fotoana maizina indrindra aza. Eo foana Ianao, vonona hitari-dalana sy hiaro antsika.
Ireo toetra tsara anananao ireo dia mampatsiahy antsika ny halehibiazanao sy ny hatsaranao. Ny herinao, ny fahendrenao, ny maha-mandrakizay anao, ny fahamasinanao, ny fahamarinanao, ny fiadananao ary ny fahatokianao dia maneho ny fitiavanao tsy misy fepetra antsika. Rehefa misaintsaina ireo toetra ireo isika dia mahatakatra fa Ianao no hany ilaintsika, ary tokony homena voninahitra mandrakariva ny anaranao masina.
Ary isika dia mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana, ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy.
Ary NY TOMPO nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: NY TOMPO, NY TOMPO, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy manamarina ny meloka fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina. Moa efa nilaza va Izy nefa tsy nanatanteraka? Na efa niteny va Izy ka tsy notoviny?
Fa tsara NY TOMPO; mandrakizay ny famindrampony ary mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinany.
Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika. Lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana ary ny fahamarinana tanteraka Izy. Tsy mba mampahory olona Izy.
Koa aoka ho fantatrao fa NY TOMPO Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby,
Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nitsotra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao atao.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo;
Nefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.
Koa amin’izany aoka ianareo ho tanteraka toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fivadihana.
Hifaly dia hifaly ao amin’NY TOMPO aho, ho ravoravo ao amin’Andriamanitro ny fanahiko; fa notafiany fitafian’ny famonjena aho ary nampiakanjoiny akanjon’ny fahamarinana, toy ny mpampakatra manao fehiloha tsara tarehy tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina mihaingo amin’ny firavany.
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
Rehefa sivy amby sivifolo taona i Abrama dia nisehoan’NY TOMPO izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anatrehako ary aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
Mamindra fo sy marina NY TOMPO; eny, miantra Andriamanitsika. Miaro ny olona tso-po NY TOMPO; reraka aho dia namonjy ahy Izy.
Izy no Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy ka tsy misy ratsy ao Aminy; marina sy mahitsy Izy.
Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany!
Mamindra fo sy miantra NY TOMPO, mahari-po sady be famindrampo Izy. Manisy soa ny rehetra NY TOMPO ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra.
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra; nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany; mba hanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany ankehitriny ka ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Manonona Anao hoenti-mamitaka izy; eny, ny fahavalonao dia manonona Anao foana. Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, TOMPO ô, ary ho rikoriko amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Tena halako marina tokoa ireny; fahavaloko ireny. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho. Voadinikao aho, na mandeha, na mandry, ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra.
mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no sady hahazoantsika fampirisihana mafy, dia isika izay nitady fialofana amin’ny fihazonana ny fanantenana napetraka eo anoloantsika.
Miankohoka manandrify ny tempolinao masina aho ka midera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao; fa efa nomenao voninahitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ny anaranao sy ny teninao.
TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao. Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo, ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe. Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô!
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy?
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy. Aza miankina amin’ny fanaovana an-keriny ary aza manantena ny zavatra azo tamin’ny halatra; raha mitombo ny harena dia aza anorenana ny fonareo. Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: An’Andriamanitra ny hery. Anao koa, Tompo ô, ny famindrampo, fa Ianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Ary izao no teny renay Taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànanao.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra dia ao Aminy ny eny ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay.
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay, TOMPO Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao; raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy? Fa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.
Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
Akory re ny haben’ny hatsaranao izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao, dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona, no ho an’izay mialoka Aminao!
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza; mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao dia hazavain’ireny ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy ireny. Raha ny fahadisoana tsy nahy, iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatro. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny mpiavonavona; aoka tsy hanapaka ahy ireny! Dia ho marina aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe. Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny andro dia samy miteny amin’ny andro mandimby azy ary ny alina dia samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny miasa anefa sady tsy re koa izay feony. Efa lasa ho any amin’ny tany rehetra ny kofehy fandrefesany ary mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao ny teniny; tany no nanaovany tranolay ho an’ny masoandro.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Aoka ho fantatrareo fa NY TOMPO no Andriamanitra: Izy no nanao antsika ary Azy isika, dia olony sy ondry andrasany. Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany!
Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony. Nanodidina ahy ny firenena rehetra, fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy; nanodidina ahy ireny; eny, nitangorona tamiko; ny anaran’NY TOMPO anefa no nandringanako azy. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; voavono tahaka ny afon-tsilo izy; fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao nefa NY TOMPO no namonjy ahy. NY TOMPO no heriko ary Izy no deraiko, fa Izy no famonjena ahy. Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia misandratra; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery. Tsy ho faty aho fa ho velona ka hitory ny asan’NY TOMPO. Nofaizin’NY TOMPO mafy aho nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO. Aoka ny Israely hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao, ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonan-dehibe aho. Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva. Nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko ka tsy mahazaka mijery azy aho; maro noho ny volon-dohako ireny ka reraka ny foko. Aoka ho sitrakao, TOMPO ô, ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho indray hitsanga-menatra sy hangaihay izay mitady hanaisotra ny aiko; aoka hiamboho sy hitsanga-menatra izay maniry ahy hidiran-doza! Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireo izay milaza amiko hoe: Hia! Akory izay! Aoka ho faly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Aoka izay rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO! Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô! Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
Fa tsy misy hafa na Jiosy na Jentilisa, fa iray ihany ny Tompon’izy rehetra, sady manankarena homena izay rehetra miantso Azy Izy. Satria «Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena» (Joe 3.5).
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao. Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina.
Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; aoka iambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka, Aza miady amin’olona tsy amin’antony raha tsy nanisy ratsy anao izy. Aza mialona ny mpanao herisetra na mifidy izay lalany akory. Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika, fa ireo marina kosa no ataony sakaiza; ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’NY TOMPO, fa tahiny kosa ny fonenan’ny marina; tsiratsirainy ny mpaniratsira, fa omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra; handova voninahitra ny hendry, fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala, dia hahita fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?
izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay;
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,
Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka, dia ny mpanapaka eo amin’ny olony.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Endre ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô! Mialoka eo ambany elatrao ny zanak’olombelona.
fa Izy no haneho izany amin’ny fotoanandrony, dia ilay hany tompom-pahefana sy loharanon’ny fahasambarana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo; Izy ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao. Izany no hisaorako Anao raha mbola velona koa aho; amin’ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
Aza ny fahotan’ny fahatanorako na ny ratsy nataoko no tsarovanao, fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, TOMPO ô!
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho. Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, na ny nofoko aza dia mitoetra tsy manana ahiahy.
Velomy aho araka ny famindramponao, dia hitandrina ny teny vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.