Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? Hoy NY TOMPO, fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa? Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va ka tsy ho hitako? Hoy NY TOMPO. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy NY TOMPO.
Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO, manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.
Avy eny an-danitra no itsinjovan’NY TOMPO; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy; avy eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany,
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy.
Koa aoka ho fantatrao anio, ary tsarovy ao am-ponao, fa NY TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ary tsy misy afa-tsy Izy.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Ianao; na dia manao ny fitoeran’ny maty ho fandriako aza aho dia indro, any Ianao.
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina teto amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
Avo ambonin’ny firenena rehetra NY TOMPO; ambonin’ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka NY TOMPO Andriamanitsika izay mipetraka any amin’ny avo nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina.
Andriamanitra va honina etỳ an-tany tokoa? E, ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!
iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo?
Tomoera ao Amiko ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy mitoetra amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao Amiko.
Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo.
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Ary nanandratra ny feony ireo ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Henika ny voninahiny ny tany rehetra!
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany.
Ny Avo Indrindra anefa tsy mitoetra ao amin’izay nataon-tanan’olona; araka ny nolazain’ny mpaminany hoe: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro; koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy NY TOMPO? Ary manao ahoana ny ho toerana fitsaharako?
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.
E! E! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy NY TOMPO; ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra, hoy NY TOMPO. E! Vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina any Babilona zanakavavy!
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
Andriamanitra va honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? E! Ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!
Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify ary manenjana azy tahaka ny tranolay hitoerana.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Nitsangana teo anilako anefa ny Tompo ka nampahery ahy mba ho tanteraka tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny ary mba ho ren’ny Jentilisa rehetra izany. Ary izaho dia novonjena teo am-bavan’ny liona.
Ary ny olona dia tsy hiteny hoe: Indro, etỳ! Na, erỳ! Fa indro ny fanjakan’Andriamanitra dia ao aminareo.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.
Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, tsy miafina amin’ny tavako izany, ary tsy takona amin’ny masoko ny helony.
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra? Ary hitanao va hatrany amin’ny fahatanterahan’ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fitoeran’ny maty izany ka inona no fantatrao? Mihoatra noho ny tany ny fivelarany ary lehibe noho ny ranomasina.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; efa nampisikina anao Aho, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao, mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no TOMPO ary tsy misy hafa,
Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena, volafotsy, varahina, vy, kofehy volomparasy sy jaky ary manga, mbamin’izay mahay misokitra sary, mba hiara-miasa amin’ny olona manam-pahaizana manokana izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.
Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany.
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16).
TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Ianao, nefa tsy nahatsiaro narary izy; nandripaka azy Ianao, nefa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina Taminao izy.
Ny volon’elany no hanaronany anao ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amena!
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro, tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Israely.
Eo an-tanany ny fitoerana lalina amin’ny tany. Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina fa Izy no nanao azy ary ny tany maina dia novolavolain’ny tanany.
Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao; ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Zarazaraina ho samihafa ny asa nefa iray ihany Andriamanitra izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Handidy ny famindrampony NY TOMPO nony andro ary hihira ho Azy aho rehefa alina. Vavaka amin’Andriamanitra izay mamelona ahy izany.
Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12).
Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo
dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana.
Tsy asariona roa va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany.
Aza matahotra fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao! Ianareo no vavolombeloko hoy NY TOMPO, sady mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra. Eny, hatramin’izany andro izany dia Izaho no Izy, ary tsy misy maharombaka ny eto amin’ny tanako; miasa Aho ka iza moa no hahasakana izany? Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely: Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona, ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo, dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony. Izaho no TOMPO, Iray Masinareo, Mpamorona ny Israely sady Mpanjakanareo. Izao no lazain’NY TOMPO, izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja, izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, ny tafika sy ny lehilahy mahery. Miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony. Mitsilopilopy izy ka maty toy ny lahin-jiro lany: Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony. Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany; ny tenin’NY TOMPO dia voazaha toetra amin’ny memy; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy NY TOMPO? Iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay hitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.
ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izaho izay Izy. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Izaho izay Izy no naniraka ahy ho atỳ aminareo.
Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony.
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho NY TOMPO izy; dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina Amiko amin’ny fony manontolo izy.
Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra.
Izaho no Mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ahy; mahita ahy Ianao sady mizaha toetra ny foko, fa ao Aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny ary atokàny ho amin’ny andro hamonoana azy.
Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony.
Hoy NY TOMPO: Mivoaha avy ato ka mijoroa eo ambonin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’NY TOMPO. Ary indro, nandalo NY TOMPO ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’NY TOMPO; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny rivotra. Nanarakaraka ny rivotra dia nisy horohoron-tany; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny horohoron-tany. Nanarakaraka ny horohoron-tany dia nisy afo; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny afo. Ary nanarakaraka ny afo dia nisy feo toy ny rivotra nitsoka malefaka.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao. Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina.
Hoy i Elisa: Aza matahotra, fa ny momba antsika dia maro noho ny momba azy. Ary i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany! Ary NY TOMPO nampahiratra ny mason’ilay zatovo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo fitondra miady manodidina an’i Elisa.
Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany!
Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.
Fa Andriamanitra izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, Izy no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy. Fa manana izao rakitra izao ao anaty vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy ho avy aminay.
Ary nivavaka i Hana ka hoy izy: Ny foko dia ravoravo amin’NY TOMPO, ny tandroko dia voasandratra amin’NY TOMPO, ny vavako dia misokatra hamaly ny fahavaloko satria mifaly amin’ny famonjenao aho. Ho torotoro izay miady amin’NY TOMPO; any an-danitra Izy no hampikotroka hamely azy. NY TOMPO hitsara ny vazan-tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy sady hanandratra ny tandroky ny voahosony. Ary nankany an-tranony tany Rama i Elkana, fa ny zaza kosa dia nanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO teo anatrehan’i Ely mpisorona. Ny zanakalahin’i Ely dia tena ratsy fanahy sady tsy nahalala NY TOMPO. Izao no fanaon’ny mpisorona tamin’ny olona: Rehefa nisy olona namono zavatra hatao fanatitra dia avy ny zatovon’ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tanany, raha mbola ahandroina ny hena, dia natsindrony tao anatin’ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin’ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, koa izay rehetra azon’ny fitrebika tao dia nalain’ny mpisorona ho azy. Izany no fanaony tamin’ny Israely rehetra izay tonga tao Silo. Ary raha tsy mbola nodorana ho fofona ny jabora dia avy ny zatovon’ny mpisorona ka niteny tamin’izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ny mpisorona; fa tsy handray hena masaka avy aminao izy fa manta ihany. Raha hoy ilay olona aminy hoe: Aoka hodorana aloha ny jabora fa avy eo vao halainao izay tianao, dia novaliny hoe: Tsia; fa omeo izao ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany dia halaiko an-keriny. Koa lehibe indrindra ny helok’ireo zatovo ireo teo anatrehan’NY TOMPO satria namingavinga ny fanatitra ho an’NY TOMPO izy ireo. I Samoela dia nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’NY TOMPO. Mbola zaza izy tamin’izany ary nisalotra efoda vita tamin’ny lamba rongony. Nanaovan’ny reniny akanjo kely izy; noentiny ho azy isan-taona isan-taona izany rehefa niara-niakatra tamin’ny vadiny hanolotra ny fanatitra fanao isan-taona izy. Tsy misy masina tahaka NY TOMPO satria tsy misy afa-tsy Ianao; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.
Fa NY TOMPO tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana.
Ary ilay Anjelin’Andriamanitra, izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Israelita, dia nifindra ka nankeo aorianany; ary nifindra niala teo alohany koa ny andry rahona dia nijanona teo aorianany Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Py-Hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina. Eo akaikin’i Baala-Zefona, tandrify azy, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina. ka tonga teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptiana sy ny tobin’ny Israely. Teo ihany ny rahona sy ny hamaizinana nefa nampahazava ny alina kosa izany ka tsy nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.
Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko, fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, fiarovana avo ho ahy ka tsy mba hangozohozo aho.
Fa izy roa lahy dia nanery Azy hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao amin’izy ireo Izy. Dia niditra izy ireo, nefa tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo. Rehefa nipetraka hisakafo niaraka taminy Izy dia nandray ny mofo ka nisaotra sy namaky izany ary nanome azy ireo. Dia nahiratra ny mason’ireo ka nahafantatra Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tahirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika.
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana
Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema no anodidinan’NY TOMPO ny olony hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Fa any tokoa dia mahery ho antsika NY TOMPO. Tany misy ony sy lakandrano lehibe no any; tsy halehan’ny sambo voizina izany, na hovakivakin’ny sambo lehibe. Fa NY TOMPO no Mpitsara antsika; NY TOMPO no Mpanome lalàna ho antsika; NY TOMPO no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy. Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Fa ny aina dia mihoatra noho ny hanina ary ny tena noho ny fitafiana. Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo? Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia hakiho iray aza? Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa?
Koa amin’izany dia lehibe Ianao, RY TOMPO Andriamanitra! Tsy misy tahaka Anao; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao raha araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Haniraka famonjena ho ahy avy any an-danitra Izy raha mbola miteny ratsy ny olona izay misafoaka manenjika ahy. Fiatoana. Eny, Andriamanitra haniraka ny famindrampony sy ny fahamarinany.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra.
NY TOMPO dia ao amin’ny tempoliny masina, ny sezafiandrianan’NY TOMPO dia any an-danitra; mijery ny masony; eny, mizaha toetra ny zanak’olombelona ny hodimasony.
Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina? Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana? Moa efa voadinikao ny fivelatry ny tany? Ambarao ary raha fantatrao izany rehetra izany.
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Fa raha isan’ireo nandray torohevitra Tamiko izy dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko ka namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy sy tamin’ny ratsy nataony.
dia Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy izay eo aminy rehetra; Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona toy ny hoe mila zavatra Izy, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra;
amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.