Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
Tsara NY TOMPO amin’izay miandry Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy. Tsara ny manantena ny famonjen’NY TOMPO amim-pahanginana.
Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko, fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, fiarovana avo ho ahy ka tsy mba hangozohozo aho.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Miandry NY TOMPO ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ifalian’ny fontsika satria ny anarany masina no itokiantsika. TOMPO ô, aoka ny famindramponao hitoetra aminay araka ny iandrasanay Anao!
Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako. Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay.
Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao, ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonan-dehibe aho. Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva. Nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko ka tsy mahazaka mijery azy aho; maro noho ny volon-dohako ireny ka reraka ny foko. Aoka ho sitrakao, TOMPO ô, ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho indray hitsanga-menatra sy hangaihay izay mitady hanaisotra ny aiko; aoka hiamboho sy hitsanga-menatra izay maniry ahy hidiran-doza! Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireo izay milaza amiko hoe: Hia! Akory izay! Aoka ho faly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Aoka izay rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO! Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô! Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO.
Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Hidera Anao mandrakizay aho satria Ianao no nanao izany, ary hanantena ny anaranao aho, eo anatrehan’ny olonao masina, satria tsara Ianao.
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
TOMPO ô, amin’ny maraina no andrenesanao ny feoko; amin’ny maraina no manomana ny foko ho Anao aho ary miandry Anao.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Tsara ny mialoka amin’NY TOMPO noho ny mialoka amin’ny olona. Tsara ny matoky NY TOMPO noho ny matoky ny mpanapaka.
Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.
Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Miandrasa NY TOMPO ka tandremo ny lalany dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly ianao hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
Indro, toy ny fijerin’ny mpanompolahy ny tanan’ny tompolahiny, ary toy ny fijerin’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny, no fijerintsika NY TOMPO Andriamanitsika, mandra-pamindrany fo amintsika.
Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao. Manokatra ny tananao Ianao ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.
Aza miteny hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho, fa miandrasa NY TOMPO, fa Izy no hamonjy anao.
Ary araka izany, rehefa naharitra tsara i Abrahama dia nahazo izay nampanantenain’ny teny fikasana.
Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’NY TOMPO amin’ny tanin’ny velona! Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao; Indro, tezitra Ianao, ary hita fa meloka izahay; fa tamin’ireo lalana fahiny no namonjena anay.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; atongilano ny sofinao amin’ny vavaka ataoko! Avy atỳ am-paran’ny tany no iantsoako Anao fa reraka ny foko. Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo loatra ka tsy tratrako.
Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.
Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao, ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao. Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko. Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpiampanga lainga!
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona! Loary eo anatrehany ny fonareo! Andriamanitra no fialofana ho antsika. Fiatoana.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe. Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Nahoana ianao ry fanahiko no mitanondrika ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao! Fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
fa izahay kosa, noho ny asan’ny Fanahy, amin’ny alalan’ny finoana no iandrasanay mafy ny fanantenana ny fanamarinana anay.
Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy. Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany.
NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao. Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be. Izy no hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny helony rehetra.
Ny marina dia hamololona tahaka ny palma, hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy. Nambolena tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika; mbola manorobona ihany izy na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho anao; fa raha azonao izany dia tsara antoka ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna; Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy. Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny ota; satria tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo; Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.
NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Mahamiramirana ny tarehy ny fo ravoravo, fa ny alahelon’ny fo dia mahareraka ny fanahy.
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,
Handry amin’ny fiadanana aho ka hatory avy hatrany satria Ianao irery, TOMPO ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana. Miresaka fahendrena ny vavan’ny marina ary manambara ny rariny ny lelany. Ny lalànan’Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany. Ny ratsy fanahy dia mitsikilo ny marina ka mitady ny hahafaty azy; NY TOMPO anefa tsy hahafoy azy eo an-tanany na hamela azy ho voaheloka raha tsaraina. Miandrasa NY TOMPO ka tandremo ny lalany dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly ianao hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy. Efa hitako ny ratsy fanahy fa loza loatra izy; nisandrahaka tahaka ny hazo maitso naniry ho azy. Kanjo nandalo izy ka indro, tsy teo intsony. Nitady azy aho nefa tsy hita izy. Diniho ny tsy misy tsiny ka jereo ny mahitsy; manana ny ho aviny ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota kosa dia hiara-haringana; ho fongotra ny hoavin’ny ratsy fanahy. Ny famonjena ny marina dia avy amin’NY TOMPO; fiarovana mafy ho azy Izy amin’ny andro fahoriana. Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo. Satria ireo izay fantany mialoha no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.