Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 1:5 - DIEM PROTESTANTA

Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny razanareo, aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany, moa velona mandrakizay va ireny?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny razanareo–aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany–moa velona mandrakizay va ireny?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny razanareo, aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany, moa velona mandrakizay va ireny?

Jereo ny toko



Zakaria 1:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Raha voan’ny aretina hahafaty azy i Elisà, dia lasa hamangy azy i Jôasy mpanjakan’i Israely ary nihohoka teo ambony tavan’i Elisà izy ka sady nitomany no nanao hoe: –Ry dada ô! Ry dada ô! Mahery mihoatra noho ny kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra ianao!


Ary maty i Elisà ka nalevina. Isan-taona dia tonga mamakivaky ny tanin’i Israely ny tontakely môabita.


Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.


Lasa ny taranaka iray, dia tonga ny iray hafa mandimby azy; nefa izao tontolo izao mbola maharitra hatrany.


Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.


Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.


«Makà horonan-taratasy iray hafa ianao ka soraty ao ireo hafatra rehetra tamin’ny horonan-taratasy voalohany izay nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda.


Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy; fa izahay no mivesatra ny helony.


Dia hoy ny Jiosy taminy: –Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminanin’Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: «Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.»


Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana.


Tendry ho an’ny olona tokoa ny ho faty indray mandeha, ary avy eo dia hotsarain’Andriamanitra izy;


Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.