Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:2 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia niroso ireo filoham-pianakaviambe tamin’ny fokon’i Israely, izany hoe ireo nitarika ny fanisana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitondra fanatitra ireo lohan’ny firenen’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana isanisany; ireo no lohan’ny fokony avy, izay nifehy ny voaisa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia niroso ireo filoham-pianakaviambe tamin’ny fokon’i Israely, izany hoe ireo nitarika ny fanisana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin’i Israely izay filohan’ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan’ny isam-poko izay nitarika ny fanisana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nitondra fanatitra ny lohan’ny firenen’ny Isiraely, dia ny lohan’ny fianakaviana (ireo no lohan’ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitondra fanatitra ireo lohan’ny firenen’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana isanisany; ireo no lohan’ny fokony avy, izay nifehy ny voaisa.

Jereo ny toko



Nomery 7:2
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay fotoana izay dia novorin’i Salômôna mpanjaka teo aminy tao Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.


Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska.


Ireo lehiben’ny vahoaka israelita kosa nitondra ny vato berila sy ny vatosoa hafa hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe,


Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.


Noraisin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny filoha miaramila ny volamena rehetra izay firavaka voatefy avokoa.