Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.
Nomery 7:11 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aoka hifandimby hitondra ny fanomezany isan’andro avy ireo filoha ireo amin’ny fanokanana ny alitara! Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aoka hisy iray isan’andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin’ny fitokanana ny ôtely.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Aoka ny lohan’ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ny an-androny avy ho amin’ny fitokanana ny alitara. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara. La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara. |
Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.
Toy izao manaraka izao ny fahatongavany nitondra ny fanomezany: tamin’ny andro voalohany dia i Nahasôna zanakalahin’i Hadaba, avy amin’ny fokon’i Joda; tamin’ny andro faharoa dia i Natanaela zanakalahin’i Tsohara, avy amin’ny fokon’i Jisakara; tamin’ny andro fahatelo dia i Eliaba zanakalahin’i Helôna, avy amin’ny fokon’i Zebolòna; tamin’ny andro fahefatra dia i Elitsora zanakalahin’i Sedeòra, avy amin’ny fokon’i Reobena; tamin’ny andro fahadimy dia i Selomiela zanakalahin’i Tsorisaday, avy amin’ny fokon’i Simehôna; tamin’ny andro fahenina dia i Eliasafa zanakalahin’i Dehoela, avy amin’ny fokon’i Gada; tamin’ny andro fahafito dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda, avy amin’ny fokon’i Efraîma; tamin’ny andro fahavalo dia i Gamalièla zanakalahin’i Pedahatsoro, avy amin’ny fokon’i Manase; tamin’ny andro fahasivy dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ, avy amin’ny fokon’i Benjamîna; tamin’ny andro fahafolo dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday, avy amin’ny fokon’i Dana; tamin’ny andro faha-11 dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna, avy amin’ny fokon’i Asera; ary tamin’ny andro faha-12 dia i Ahîra zanakalahin’i Henàna, avy amin’ny fokon’i Naftalỳ. Ireto manaraka ireto kosa ny fanomezana nentin’ny filoham-pianakaviana tsirairay avy: –lovia volafotsy iray milanja 1 300 grama, tsatokaty volafotsy famafazana iray milanja 700 grama araka ny ventin-danja fampiasa ao amin’ny Toeramasina; ireo fitaovana ireo dia samy feno lafarinina tsara toto sy voafeta menaka ho fanatitra; –zinga volamena iray milanja 100 grama feno vovo-javamanitra; –vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahikely iray izay iray taona avy, samy hatao sorona dorana manontolo; –osilahy iray hatao sorona fanalana ny ota; –ary ombilahy roa, ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahikely dimy izay iray taona avy, samy hatao sorom-pihavanana.
satria Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana fa loharanon’ny fiadanana. Araka ny fanaon’ny Fiangonana rehetra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra,
Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.