Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 4:26 - DIEM PROTESTANTA

ny fefilamban’ny kianja sy ny lambam-baravaran’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ny tady mamaritra ny kianja ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany, dia izay rehetra nomena azy hiasany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny fefy lamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny vavahadin’ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ny kofehy mbamin’ny fiasana rehetra momba azy. Izay asa rehetra momba ireo no ho fanompoany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ny fefilamban’ny kianja sy ny lambam-baravaran’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ny tady mamaritra ny kianja ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany, dia izay rehetra nomena azy hiasany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny fefy lamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny vavahadin’ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin’ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin’ireo no ho fanompoany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny fefy lamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny vavahadin’ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ny kofehy mbamin’ny fiasana rehetra momba azy. Izay asa rehetra momba ireo no ho fanompoany.

Jereo ny toko



Nomery 4:26
4 Rohy Ifampitohizana  

«Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;


ny tsîmatra momba ny fonena-masina sy ny fefin’ny kianja miaraka amin’ny tady mifandraika aminy;


Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Tamin’ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;


Araka ny baikon’i Aharôna sy ny zanany no hanaovan’ny Gersônita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny.