Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.
Nomery 32:7 - DIEM PROTESTANTA Nahoana ny Israelita no kivìnareo tsy hankany amin’ny tany izay nomen’ny TOMPO azy? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahoana ianareo no hanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO azy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahoana ny Israelita no kivìnareo tsy hankany amin’ny tany izay nomen’ny TOMPO azy? Baiboly Katolika Nahoana ianareo no mampipetraka ny zanak’i Israely tsy hankany amin’ny tany omen’i Iaveh azy? Baiboly Protestanta Malagasy Nahoana hianareo no mampiketraka ny fon’ny Zanak’Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay nomen’i Jehovah azy? Malagasy Bible Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy? La Bible en Malgache Nahoana ianareo no hanakivy ny fon’ny Zanak’Israely mba tsy handehanany ho any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO azy? |
Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.
Ireo olona niara-niakatra tamin’i Kaleba kosa nanao hoe: –Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy.
Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Reobena: –Ahoana hoe? Ny mpiray firenena aminareo handeha hanafika, ka ianareo kosa ve hijanom-potsiny eto?
Fa raha tonga tao an-dohasahan’i Eskôla izy ka nahita ny tany, dia nanakivy ny Israelita mba tsy hankanesany any amin’ny tany izay nomen’ny TOMPO azy.
Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.
Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin’ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak’i Hanàka!»