Nomery 13:27 - DIEM PROTESTANTA27 Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201127 Nitantara taminy izy ireo hoe: Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay. Tena tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatra avy tany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara27 Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika27 Izao no filazana nataony tamin’i Môizy: «Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany. Jereo ny tokoMalagasy Bible27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany. Jereo ny toko |
Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
ary hosoratanareo eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra momba ity Lalàna ity, vantany vao tafita ny ony ianareo. Izany no hidiranareo ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
Efapolo taona no nandehanan’ny Israelita tany an-taniefitra. Lany ritra tamin’izany ny lehilahy afa-miantafika rehetra izay indray niala tany Ejipta, satria tsy nanaiky ny TOMPO ry zareo; ary efa nianianan’ny TOMPO ireo fa tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenainy tamin’ny razany fa homena antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.