Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 26:51 - DIEM PROTESTANTA

Ny fitambaramben’ny lehilahy israelita mahatam-piadiana dia nahatratra 601 730.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo no voaisa tamin’ny Zanak’Israely, telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fitambaramben’ny lehilahy israelita mahatam-piadiana dia nahatratra 601 730.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izao no zanak’i Israely voaisa: 601.730.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo no voalamina tamin’ny Zanak’Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo no voaisa tamin’ny Zanak’Israely, telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy.

Jereo ny toko



Nomery 26:51
11 Rohy Ifampitohizana  

Nohamaroinao ny taranaky ny razanay ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka; ary nentinao izy ho any amin’ny tany izay nolazainao tamin’ny razany fa hidirany hataony fananany.


Tsy misy mahatsangana izay ravan’Andriamanitra, ary tsy misy mahafaka izay voagadrany.


Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina, nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.


Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.


Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.


dia 603 550 no fitambarany.


Dia hoy i Mosesy hoe: –Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!»


Ny vatan-dehilahy israelita voaisa araka ny foko sy araka ny toby nisy ireo tafika dia tafakatra 603 550 ny fitambarany.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: