Niainga indray ny Israelita ka nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
Nomery 26:3 - DIEM PROTESTANTA Teo amin’ny lemak’i Môaba amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao no nitenenan’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ireo Israelita ka nanambarany Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona dia niteny taminy tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo amin’ny lemak’i Môaba amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao no nitenenan’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ireo Israelita ka nanambarany Baiboly Katolika Dia nilaza tamin’ny olona i Môizy sy i Eleazara mpisorona, tao amin’ny tany lemak’i Moaba, akaikin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko, ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe: La Bible en Malgache Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona dia niteny taminy tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko hoe: |
Niainga indray ny Israelita ka nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo an-dafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
fa, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy, dia hanaovana fanisana ny lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra. Ireto avy àry ireo Israelita izay niala tany Ejipta:
Ireo no vokatry ny fanisàm-bahoaka nataon’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin’ny Israelita tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
ka nentiny tany amin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny fiangonana israelita teo an-toby tao amin’ny lemak’i Môaba, amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
niala teo an-tendrombohitra Habarîma, dia nitoby tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao.
Tao amin’ny lemak’i Môaba, teo amoron’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao ihany, no nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy mba hamepetra ny Israelita hoe:
Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;
Ary nalevin’Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin’ny tany Môaba, tandrifin’i Bety-Pehôra izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.