ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.
Nomery 19:8 - DIEM PROTESTANTA Ilay handoro ny ombivavy kosa dia hanasa ny fitafiany sady hampandro ny tenany, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ilay handoro ny ombivavy kosa dia hanasa ny fitafiany sady hampandro ny tenany, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Baiboly Katolika Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin’ny rano, ary hampandro ny tenany amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Malagasy Bible Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. La Bible en Malgache Izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro koa. |
ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.
«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.
«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
Avy eo dia hanasa ny fitafiany ny mpisorona ary hampandro ny tenany, izay vao hiditra ao amin’ny toby; nefa mbola haloto mandra-paharivan’ny andro izy.
Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.