Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 9:36 - DIEM PROTESTANTA

Ankehitriny dia indreto andevozina izahay eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao, ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankehitriny dia indreto andevozina izahay eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa indro, andevo izahay izao! Indreto izahay andevo eto amin’ny tany nomenao ny razanay indrindra, hihinanany ny vokatra sy hiaranany amin’ny soa avy aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao, ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;

Jereo ny toko



Nehemia 9:36
5 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa hilefitra hanompo an’i Sisàka ihany izy ireo, mba hahafantarany fa tsy mitovy ny manompo Ahy sy ny manompo ireo mpanjakan’ny tany vahiny.


Eny, ry Andriamanitray ô, nandevozina izahay nefa tsy nafoinao na dia izany aza. Notarihinao ny amperôran’i Persia hamindrafo aminay; ka namelombelomany ny ainay izany, nahazoanay nanao ny tranonao sy nanamboatra ny rava, ary nanomezany anay fonenana voaaro eto Jerosalema sy eran’i Joda.


Na dia ny lavaka fantsakanay aza dia tsy maintsy andoavanay vola vao azonay isotroana rano; ary vidînay koa ny kitainay vao azonay ampidirina.


Avy eo an-damosina ny mpanenjika anay ka trotraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.


dia ho mpanompon’ny fahavalo halefan’ny TOMPO hamely anareo, ka hianjadian’ny hanoanana sy hetaheta ary hihafy amin’ny fitafiana sy ny zavatra isan-karazany. Hanisy zioga vy eo an-tsorokareo ny Tompo, mandra-pandringany anareo.