Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan’andro teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy.
Nehemia 5:17 - DIEM PROTESTANTA Nisy mpanapaka jiosy 150 nisakafo teo amin’ny latabatro, afa-tsy izay vahiny tonga ao aminay avy tamin’ny firenena nanodidina; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy Jiosy sy mpanapaka dimampolo amby zato teo amin’ny latabatro, afa-tsy ireo izay nankeo aminay avy tamin’ny firenena manodidina anay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy mpanapaka jiosy 150 nisakafo teo amin’ny latabatro, afa-tsy izay vahiny tonga ao aminay avy tamin’ny firenena nanodidina; Baiboly Katolika Ny nihinana eo amin’ny latabatro dia 150 lahy, Jody sy andriambaventy, afa-tsy izay tonga ao aminay, avy amin’ny firenena manodidina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary teo amin’ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ny firenena manodidina anay. Malagasy Bible Ary teo amin'ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin'ny firenena manodidina anay. La Bible en Malgache Nisy Jiosy sy mpanapaka dimampolo amby zato teo amin’ny latabatro, afa-tsy ireo izay nankeo aminay avy tamin’ny firenena manodidina anay. |
Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan’andro teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy.
Dia hoy indray i Davida taminy: –Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin’i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an’i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.
Ary ankehitriny maniraha olona hamory ny vahoakan’i Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitr’i Karmela miaraka amin’ny mpaminanin’i Bahala 450 sy ny mpaminanin’i Aserà efajato izay mihinana eo amin’ny latabatr’i Jezebela.
omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, afa-tsy ny biby hafa toy ny diera sy ny gazela ary ny osy mbamin’ny gisa matavy.
Ny namboatra io manda io no nilofosako ary vory nifantoka tamin’ny asa teto avokoa ny mpanompoko, ka tsy mba nisy nividy tany izahay.
Fa ny olona manan-toe-tsaina ambony no afaka hihevitra tanjona ambony sady tsy hirotsaka an-tsehatra afa-tsy ho an’ny tanjona ambony.
mandraisa anjara amin’ny fanampiana ireo sahirana amin’ny samy vahoakan’Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.