Kanefa ireo governora talohako dia nanahirana ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo; eny, na ny mpanompony aza, dia nisetrasetra tamin’ny olona. Izaho kosa tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Nehemia 5:16 - DIEM PROTESTANTA Ny namboatra io manda io no nilofosako ary vory nifantoka tamin’ny asa teto avokoa ny mpanompoko, ka tsy mba nisy nividy tany izahay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eny, naharitra nanarina io manda io aho sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny namboatra io manda io no nilofosako ary vory nifantoka tamin’ny asa teto avokoa ny mpanompoko, ka tsy mba nisy nividy tany izahay. Baiboly Katolika Mainka fa nimasoako ny famboarana io manda io; tsy mba nividy tany akory izahay, fa vory nihohoka teo amin’ny asa avokoa ny oloko. Baiboly Protestanta Malagasy Eny, izaho naharitra nanao io mànda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. Malagasy Bible Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. La Bible en Malgache Eny, naharitra nanarina io manda io aho sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. |
Kanefa ireo governora talohako dia nanahirana ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo; eny, na ny mpanompony aza, dia nisetrasetra tamin’ny olona. Izaho kosa tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
Nisy mpanapaka jiosy 150 nisakafo teo amin’ny latabatro, afa-tsy izay vahiny tonga ao aminay avy tamin’ny firenena nanodidina;
Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.
Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.
homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.
Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin’ny fotoanandro isika raha tsy kivy.