Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.
Nehemia 12:47 - DIEM PROTESTANTA Ary tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemià, dia nomen’ny Israelita rehetra isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana; nomeny koa ny fanatitra voatokana ho an’ny levita, ary ny levita kosa indray no nanome ny fanatitra voatokana ho an’ny mpisorona taranak’i Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny Israely rehetra, tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemia, dia nanome koa ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izany hoe ny anjarany isanandro; ary nanokana izay ho an’ny levita koa izy; ny levita kosa indray dia nanokana izay ho an’ny taranak’i Arona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemià, dia nomen’ny Israelita rehetra isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana; nomeny koa ny fanatitra voatokana ho an’ny levita, ary ny levita kosa indray no nanome ny fanatitra voatokana ho an’ny mpisorona taranak’i Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Isiraely rehetra tamin’ny andron’i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan-andro; ary nanokana izay ho an’ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ny taranak’i Arona. Malagasy Bible Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona. La Bible en Malgache Ny Israely rehetra, tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemia, dia nanome koa ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izany hoe ny anjarany isanandro; ary nanokana izay ho an’ny levita koa izy; ny levita kosa indray dia nanokana izay ho an’ny taranak’i Arona. |
Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.
Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.
ireo no nandeha niaraka tamin’ireto mpitarika azy ireto, dia ry i Zerobabela, i Jesoa, i Nehemià, i Seraià, i Relaià, i Môrdôkay, i Bilsàna, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma, ary i Bahanà. Izao kosa no isan’ny vatan-dehilahy tao anatin’izany andian’Israelita izany:
Fa nisy didin’ny mpanjaka ny amin’ireo mpihira ireo, dia ny handraiketana izay anjara asa hataony isan’andro.
Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy niaraka tamin’i Jesoa: I Seraià sy i Jeremià ary i Hezrà,
Tamin’ny andro naha mpisorombe an’i Jôiakima, dia ireto avy ny mpisorona loham-pianakaviana: i Meraià ho an’ny fianakavian’i Seraià; i Hananià ho an’ny fianakavian’i Jeremià;
Ireo no nisahana izany asa izany tamin’ny andron’i Jôiakima zanakalahin’i Jesoa sy zafin’i Jôtsadàka, ary tamin’ny andron’i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna.
Aoka izay ampianarina ny tenin’Andriamanitra mba hanome ampahany amin’ny fananany rehetra ho an’izay mampianatra azy.
Ary anjara mitovy amin’ny an’ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay azony tamin’ny fivarotana ny fananan-drainy.